written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana Mpianatra
WFTW Body: 
  1. Mitovy amin'ny fitiavan'Andriamanitra an'i Jesosy ny fitiavan'Andriamanitra antsika

"Hianao efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy" (Jaona 17:23)

  1. Mahafaly an'Andriamanitra ny olona mitsotra ny marina

"Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika" (1Jaona 1:6)

  1. Mahafaly Andriamanitra ny olona manome amin'ny fifaliana

"Ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra" (2 Korintiana 9:7)

  1. Azo avy amin'ny fijerena an'i Jesosy ny fahamasinana

"Aoka isika hihazakazaka … mijery an'i Jesosy" (Hebreo 12:1,2)

  1. Tsy maintsy feno ny Fanahy Masina tsy miato isika

"Aoka hofenoina (tsy miato) ny Fanahy" (Efesiana 5:18, dikany ara-bakiteny)

  1. Ny làlan'ny hazofijaliana no làlana mahavelona

"Raha miara-maty Aminy isika, dia hiara-belona Aminy koa" (2 Timoty 2:11)

  1. Aza atao mahakivy antsika ny vavan'ny olona

"Mitsahara, fa aza mitoky amin'ny olona; fa fofonaina foana no eo am-bavorony, ka hatao zinona izy ?" (Isaia 2:22)

  1. Halan'Andriamanitra ny zavatra ambonian'izao tontolo izao

"Fa izay zavatra heverin'ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra" (Lioka 16:15)

"Ary izay ta-hanan-karena dia (1) latsaka amin'ny fakam-panahy, (2) latsaka amin'ny fandrika, (3) latsaka amin'ny filana maro tsy misy antony, (4) latsaka amin'ny filana maro mandratra, (5) milentika ao amin'ny fandringanana, (6) milentika ao amin'ny fahaverezana, (7) efa voavily niala tamin'ny finoana ka (8) nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be" (1 Timoty 6:9,10)

  1. Tsy misy olona afaka manisy ratsy antsika afa-tsy ny tenantsika ihany

"Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'izay tsara hianareo ?" (1 Petera 3:13)

  1. Manana planina tonga lafatra ho an'ny fiainantsika tsirairay avy Andriamanitra

"Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy" (Efesiana 2:10)

  1. Ny sekren'ny tanjaka dia ny mahafantatra tsara an'Andriamanitra

"Fa ny olona izay mahalala an'Andriamaniny kosa dia hahery ka hahefa" (Daniela 11:32)

  1. Tsara lavitra noho ny fanekena taloha ny fanekena vaovao

"Jesosy no Mpanalalana amin'ny fanekena tsara lavitra" (Hebreo 8:6)

  1. Raha miaina ao anatin'ny fahatahorana an'Andriamanitra isika dia henjehina

"Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina" (2Timoty 3:12)

  1. Tsy maintsy mandray ny olona rehetra efa noraisin'Andriamanitra isika

"Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin'ny tena araka ny sitrapony … mba tsy hisy fisarahana eo amin'ny tena" (1Korintiana 12:18,25)

  1. Tsy maintsy asiantsika hajany ny olombelona rehetra

"Ny lela no anozonantsika ny olona izay natao araka ny endrik'Andriamanitra. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany" (Jakoba 3:9,10)

  1. Tsy maintsy Andriamanitra no itokisantsika amin'ny zavatra rehetra ilaintsika

"Fa Andriamanitra hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra ao amin'i Kristy Jesosy" (Filipiana 4:19)

Fanampiny : "FADIO" izay miisa 10 momba ny ara-bola ho an'ny mpiasam-piangonana matihanina

  1. Fadio ny mampahafantatra ny fahasahirananao ara-bola na amin'iza na amin'iza afa-tsy amin'Andriamanitra irery ihany (Filipiana 4:19).
  2. Fadio ny mandray ny vola omen'ny olona tsy mpino (3 Jaona 7)
  3. Fadio ny manantena fanomezana na avy amin'iza na avy amin'iza (Salamo 62:5)
  4. Fadio ny mamela ny olona handidididy anao na hikitikitika ny asa fanompoanao amin'ny fanomezany vola anao
  5. Fadio ny mandray ny volan'ny olona tsy nandray ny asa fanompoana nataonao
  6. Fadio ny mandray vola ho an'ny tenanao na ho an'ny ankohonanao avy amin'ny olona mahantra kokoa noho ianao
  7. Fadio ny miankin-doha aman'olona na iza na iza amin'ny filànao ara-bola
  8. Fadio ny mitantana ny volan'Andriamanitra amin'ny fomba mety hiteraka ahiahy ao anatin'ny olona (2 Korintiana 8:20,21)
  9. Fadio ny mifaly sy miravo rehefa omen'ny olona vola
  10. Fadio ny kivy sy manjoretra rehefa very vola