Ny Fitantanam-bolanay


Ny tena asan'Andriamanitra dia mety hila vola, kanefa tsy miankina amin'ny vola velively.Tsy miankina afa-tsy amin'ny herin'ny Fanahy Masina irery ihany. Na inona na inona asa ka miankina amin'ny vola ny fanatanterahana azy dia tsy asan'Andriamanitra izay.
Ny asam-panompoan'i Jesosy dia tsy niankina afa-tsy tamin'ny Fanahy Masina irery ihany. Nanaiky nandray ny vola nomen'ireo olona nanara-dia azy hanohanana ny asany Izy (Lioka 8 : 2,3). Tsy mbola nangataka vola na tamin'iza na tamin'iza Jesosy ary tsy nisy nampahafantariny ny vola nilainy afa-tsy ny Rainy irery ihany. Fomba fanaovana asa fanompoana izay manome voninahitra an'Andriamanitra izany amin'izao andro izao koa.

Jesosy no " Tenan'i Kristy " voalohany ara-nofo teto an-tany. Ankehitriny dia isika fiangonana no nantsoina ho "Tenan'i Kristy " ara-panahy. Noho izany dia miezaka isika hanaraka ny fianarana navelan'i Jesosy nandritra ny fiainany tety an-tany amin'ny resaka vola.

Ary noho izany tao anatin'izay efapolo taona nisian'ny fiangonanay izay (hatramin'ny 1975) dia tsy mbola nangataka vola izahay na nangata-bavaka izay fangatahambola ankolaka. Tsy mba mitaty rakitra izahay ao am-piangonana ao Bangalore na any amin'ny fiangonana izay natsangan'ny Tompo tamin'ny alalanay, taty Inde sy any ivelany. Misy fandatsahan-drakitra apetrakay ao amin'ny trano fivoriana ho an'ireo izay te hanome mangingina, an-kafaliana ary an-kalalahana, ho an'ny asan'ny Tompo. Izahay koa dia miantoka trano sy sakafo ho an'ny olona rehetra izay tonga manatrika ny fivoriambe fanao isan-taona izay maharitra telo andro any amin'ireo faritra samy hafa eto Inde. Ny loholona rehetra ao amin'ny fiangonanay dia samy manana ny asa fivelomany (tahaka ny Apostoly Paoly) ary tsy misy na iray aza karamain'ny fiangonana. Ireo boky, lahatsoratra, fandraisampeo sy videon'ireo toriteny ao amin'ny internet dia azon'ny olona rehetra vakiana, henoina, jerena maimaimpoana. Ny zavatra rehetra dia efa noraisinay maimaimpoana avy amin'ny Tompo koa dia zarainay maimaimpoana ho an'ny hafa koa.

Izany asa rehetra izany dia azo antoka fa mila volabe, tsy manana olona miliaridera manohana ny asanay izahay any amin'ireo fiangonanay rehetra. Inde dia azo lazaina ho firenena mahantra kanefa ny fanjakan'Andriamanitra aloha no katsahinay, dia nomen'Andriamanitra anay foana izay REHETRA nilainay. Tsy mba nisambotra vola tany amin'ny banky izahay na nanao antoka tamin'ny nanamboatra ireo trano fivorianay. Izahay tsy mitsara ny fiangonana tsy mitovy fomba fanao aminay. Kanefa izany no lalana nitarihan'Andriamanitra anay. Niezaka hanaraka ny fampianarana navelan'i Jesosy izahay, ilay " Tenan'i Kristy " tety an-tany.

Koa raha misy olona te-hanohanana ity asan'Andriamanitra ity, dia iangaviana izy hamaky hatramin'ny farany ireto voalaza manaraka ireto :
1. Ianao ve efa zanak'Andriamanitra nateraka indray ? Voninahitra sy tombontsoa lehibe ny fanohanana ny asan'Andriamanitra ety an-tany, kanefa natokan'Andriamanitra ho an'ny zanany efa nateraka indray irery ihany izany tombontsoa izany (Jaona fahatelo : 7).

2. Manana amby ampy hiahianao ny ankohonanao ve ianao ? Azonao antoka ve fa ny fanomezanao tsy hiteraka fahasahiranana arabola ho an'ny ankohonanao ? Ny ankohonanao aloha no tsy maintsy karakarainao voalohany (jereo Marka 7:9-13). Ny Raintsika any an-danitra dia tena mpanefoefo ary Izy (tahaka ny raintsika ety antany) dia tsy mahatanty raha mijaly ara-tsakafo na misy mahory ny zanany satria nomeny ho an'ny asan'Andriamanitra ny vola.

3. Mbola be trosa ve ianao ? Raha eny, aloavy aloha ireny trosanao ireny. Tian'Andriamanitra hiaina am-piadanana sy afa-trosa tanteraka ny zanany. Tsy maintsy omentsika an'i Kaisara aloha izay an'i Kaisara, alohan'ny anomezantsika ho an'Andriamanitra, satria tsy tian'Andriamanitra omentsika azy ny volan'i Kaisara, na volan'olon-kafa (Matio 22.21;Rom. 13:8).

(Fanamarihana : ny findramambola nividianana trano dia tsy " trosa " (araka ny dikany ao amin'ireo andininy ireo) satria ny trano dia fananana mifandanja amin'ilay fampindramana.Torak'izany koa ny findramam-bola nividianana fiara dia tsy trosa raha toa ka azo antoka ilay fiara fa manana lanjambidy avo noho ny vola nindramina).

4. Madio ve ny feon'ny fieritreretanao ? Efa nanao izay azonao natao ve ianao hihavanana amin'ny olona manana alahelo noho ny nataonao ? Andriamanitra dia tsy handray velively izay fanomezana avy amin'ny olona nandratra olona kanefa tsy mbola nangata-pamelana tamin'ilay olona (Matio 5:23-24).

5. Manome an-kalalahana sy am-pifaliana ve ianao, fa tsy noteren'olona na noteren'ny feon'ny fieritreretanao ? Ny manome an-kafaliana no sitrak'Andriamanitra fa tsy ny manome tsy fidiny. Tsy mandray fanomezana avy amin'ny olona voan'ny faneriterena izy na manome tahaka ny manao adidy, na manome mba hampanginana ny feon'ny fieritreretana, na manome ka manantena tambiny avy amin'Andriamanitra (2 Kor 9:7).

Miangavy anao mba hanana faharetana kely mamaky an'ireo. Miezaka izahay hanaraka ny modely sy fampianaran'i Jesosy Tompo amin'ny resaka ara-bola.

Manome ho an'ny Christian Fellowship Church

Rehefa voavakinao sy azonao tsara ireo voalaza eo ambony ireo, kanefa mbola te hanohana ity ministera ity ihany ianao, dia afaka mandray anjara ianao ka ireto manaraka ireto ny fomba ataonao.

Mandefa fandraisana anjara amin'ny alalan'ny

Tolotra Fandefasana Vola

Raha avy aty Inde ihany no alefa ny vola dia ity ny rohy : Contribute online

Raha any ivelan'i Inde no alefa ny vola dia manorata amin'ity adiresy mailaka ity azafady offerings@cfcindia.com

Seky

Azonao alefa amin'ny anaran'ny " Christian Fellowship Centre " ny sekinao. Miangavy anao mba handefa azy lettre recommandée amin'ity adiresy ity :

Christian Fellowship Church

#69-71, Paradise Enclave, Bellahalli

(Behind Supertech Micasa Apartment)

Kannur Post

Bangalore Urban

Bangalore - 562149

Karnataka

India


Fanamarihana lehibe :

AZA atao amin'ny anaran'ny fiangonana " Christian Fellowship Church " ny seky fa " Christian Fellowship Centre "

Misaotra anao namaky izay voasoratra, ny Tompo anie hitahy anao sy hitaridalana anao ao amin'ny fiainanao sy tamin'izay nomenao.


Christian Fellowship Church

Mandray anjara

ALOHAN'NY HANOMEZANAO : miangavy anao hamaky hatramin'ny farany ny Fitantananay Vola

https://cfcindia.com/our-financial-policy

Ny fehin'io Fitantanam-bola io dia mba hahazoana antoka ireto votanisa manaraka ireto alohan'ny hanomezanao :

1) Ianao ve efa zanak'Andriamanitra nateraka indray ?

2) Manam-bola ampy iahianao ny ankohonanao ve ianao ?

3) Efa afa-trosa ve ianao (afatsy findramambola ho an'ny trano) ?

4) Mihavana amin'ny olona rehetra ve ianao ?

5) An-kalalahana sy am-pifaliana ve no anomezanao ?

MARIHO : Ity fandefasana vola ity dia ato inde ihany

Raha handefa vola avy any ivelany dia azafady manorata amin'ny offerings@cfcindia.com