Inoanay


Christian Fellowship Church, Bangalore - 2015
Christian Fellowship Church, Bangalore - 2015
1 .Ny Baiboly (ireo boky 66) dia tsindrimandrin'Andriamanitra, Tenin'Andriamanitra tsy mety diso, torolalana tokana sady ampy ho an'ny fiainantsika ety an-tany.

2. Misy Andriamanitra iray efa nisy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay sady Telo Izay iray : Ray, Zanaka ary Fanahy Masina.

3. Ny maha Andriamanitra an'i Jesosy Kristy Tompo, ny fahaterahany avy tamin'ny virjiny, ny fahatongavany ho olona, ny fiainany tsy nisy ota fa tanteraka, ny fahafatesany nisoloany voina ho fanavotana antsika amin'ny helotsika, ny fitsanganany tamin'ny maty, ny fiakarany any amin'ny Ray, ary ny fiverenany indray ety an-tany ho an'ny olony masina.

4. Maty ao anaty fahotana avokoa ny olombelona rehetra ary very tanteraka, ka ny fomba tokana hahazoany famelan-keloka dia amin'ny alalan'ny fibebahana sy ny finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsika efa maty sy nitsangana tamin'ny maty.

5. Ny asan'ny fiterahana indray ataon'ny Fanahy Masina, amin'ny alalan'izany no hahatonga ny olona ho teraka indray ka ho lasa zanak'Andriamanitra.

6. Ny fanamarinana dia avy amin'ny alalan'ny finoana an'i Kristy irery ihany. Porofoina amin'ny asa tsara izany hanomezana voninahitra an'Andriamanitra.

7. Ny batisan'ny rano asitrika, rehefa avy nateraka indray, amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

8. Tsy maintsy feno ny Fanahy Masina mandrakariva ny olona mba hahazo hery ho tonga vavolombelon'i Kristy, na amin'ny fiaina na amin'ny fiteny

9. Ny fitsanganan'ny marina ho amin'ny fiainana mandrakizay ary ny fitsanganan'ny meloka ho amin'ny fanamelohana mandrakizay.