Fitantarana Fohy


Zac Poonen and Ian Robson in front of 16 DaCosta Square
Zac Poonen and Ian Robson in front of
16 DaCosta Square

Ny fiangonana CFC ankehitriny dia niantomboka tamin'ny fianakaviana vitsy nifamotoana tao Bangalore, ny volana Aogositra 1975. Zac Poonen sy Ian Robson no mpitarika tamin'izany. Ny niezahan'izy ireo dia ny ho tonga mpianatr'i Jesosy aloha, avy eo dia nanao izay hahatonga ny hafa ho mpianatra koa. Izany dia mba ho fankatoavana ny iraka nampanaovin'ny Tompo ao amin'i Matio 28:18-20. Nasongadin'izy ireo tamin'izany ny maha zavadehibe ny fahaterahana indray, ny fahamasinana anaty, ny fifankatiavana, ny fitondran-tena madio, ny fahatokiana amin'ny vola ary ny fizarana ny fahamarinan'Andriamanitra. Ny lafimpiainan'izy ireo tsirairay dia naoriny tamin'ny tenin'Andriamanitra irery ihany.

Nanomboka tamin'ny fivoriana tao an-trano ity Tenan'i Kristy ity. Tsy nitsahatra nitombo izy tamin'ny fahatakarana sy ny fampiharana ny fiainan'ny Fanekena Vaovao. Hatrany am-boalohany sy nandritra izay efapolo taona nitomboany izay dia nitovy foana ireo toetra izay nampiavaka ity fiangonana ity ka lasa tandra vadinkoditra aminy. Fotoana fohy taty aoriana dia navesatra tao am-ponay ny nizara ireo fahamarinana mahafinaritra izay nanova ny fiainanay. Natomboka tamin'ny famoahana gazety isambolana izany, ny amin'ny fiainam-pandresena, ny famoahana kasety, ary ny fihaonambe ho an'ireo izay te ho mpianatr'i Jesosy. Ny taona 1981 dia nihabetsaka ny mpiangona ka nifindra tao amin'ny toeram-pivoriana vao namboarina tao 40 DaCosta Square, tao Bangalore. Ny nampiavaka ny taona 1982-1989 dia ny nanombohan'ny asa fananganana fiangonana tany amin'ireo tanàn-dehibe sy faritra maro taty Inde.

Ny taona 1989 - 1995 dia vanim-potoana nahavokaran'i Zac Poonen asa soratra marobe. Ny taona manaraka dia boky roapolo mahery no navoaka. Talohan'ny taona 1997 dia efa nahenika firenena maro ny fanapariahana ny kasety. Tamin'ny taona 1999, fahenimpolon'ny taonany, dia niala tsy ho Loholona tao Cfc Bangalore, Zac Poonen, ka nandeha nitety tany hitory ny Teny. Ny fitoriana tamin'ny alalan'ny internet dia natomboka tamin'ny taona 2003 ary tamin'izany fotoana izany koa no nananganana fiangonana tany amin'ny kaontinanta hafa. Tamin'ny 2014, dia feno efapolo taona ny fiangonana tao Bangalore, ary tsy zakan'ny trano fivoriana intsony izahay ka nifindra toerana ao amin'ny misy anay ankehitriny ao Paradise Enclave, Bellahalli, Bangalore.

Christian Fellowship Church hatramin'izay dia niezaka hanaraka ny fampianaran'ny Testamenta Vaovao momba ny fitantanan'ny loholona ny fiangonana (Titosy 1.5, Asa 14.23).