Ny Fahitanay


Ny Tompo no nanorina ny fiangonana CFC tao Bangalore ny volana Aogositra 1975. Niantomboka tamin'ny mpino vitsivitsy izany. Tamin'ny voalohany dia tsy nazava tsara taminay loatra izay tanjon'Andriamanitra momba ny fivorianay. Kanefa naposany tsikelikely taminay ny fikasany.
Toy izao izany : manaporofo sy mitory ny divay vaovao ao anaty siny hoditra vaovao (divay vaovao : fiainan'i Jesosy sy toetran'Andriamanitra) (siny hoditra vaovao : ny fiangonana, Tenan'i Kristy, naorina araka ny rindran-damin'ny Fanekena Vaovao).
Dia izay no lasa fahitanay

Ny Fiantsoana Manokana

Ny mpaminany rehetra tao amin'ny Testamenta Taloha dia samy nandray fahitana mazava avy tamin'Andriamanitra. Fahitana tsy maintsy notoriany tamin'ny zanak'Israely, ary izay ihany no notoriany. " Entan'i Jehovah " no niantsoany azy. Ireo mpaminany rehetra dia nahafantatra ny asa nanirahan'Andriamanitra azy. Nifantoka tamin'izany entana napetrak'Andriamanitra tao ampony izany izy ireo, izay nataony laharam-pahamehana.

Ny fiangonana CFC koa dia nandray fahitana mazava avy amin'Andriamanitra momba ny fiantsoana azy. Mba hanao ny asan'ny mpaminany eto Inde. Ary nataonay izany araka izay tratry ny ainay nandritra ireo taona maro lasa ka tsy variana tamin'ny zavatra hafa izahay.

Ny Tompo dia naniraka misionera marobe nankaty Inde. Dia niteraka fifohazam-panahy taty amin'ny taninay izany nandritra ny roanjato taona. Notoriana tamin'izany ireo fahamarinana ara-Baiboly maro mba hitondra ireo tsy mpino ho an'i Kristy. Derainay ny Tompo ny amin'izy rehetra ireny. Mbola misy anefa ireo fahamarinana ao amin'ny Testamenta Vaovao izay tsapanay fa tsy nohamafisin'izy ireo.

Ireto avy ireo fahamarinana tsy nohamafisiny tao amin'ny Fanekena Vaovao : Ireo takian'i Jesosy amin'izay te ho mpianany, ny fiadanam-po noho ny fahafantarana an'Andriamanitra ho Ray, ny fanarahana ny dian-tongotr'i Jesosy, ny herin'ny Fanahy Masina miboiboika avy ao anatintsika, ny fahafahantsika mandray ny toetran'Andriamanitra ao anatintsika, ny fitondrana ny hazo fijaliana, ny fandresena ny fahotana izay mbola ilomanosana, ny fahafahana amin'ny fitiavana izao tontolo izao sy ny fitiavam-bola, ny fahafahana amin'ny fahakiviana sy ny tahotra ary ny ahiahy, ny fankatoavana tanteraka ny toriteny teo an-tendrombohitra (Matio 5,6 ary 7), ny finoana fa hataon'Andriamanitra amintsika izay rehetra nataony tamin'i Jesosy, ny fanorenana ny fiangonana ho Tena iray, sns…

Navesatra tao am-ponay fiangonana CFC ny nanaparitaka ireo fahamarinana ireo tany amin'ny fiangonana hafa taty Inde. Nomen'Andriamanitra fahafahana izahay nanaovanay izany, tamin'ny alalan'ireo fivoriana ho an'ny daholobe, ireo fihaonambe, ireo radio sy ny asa soratra, ary koa tamin'ny alalan'ny fanaparitahana kasety, Cd, Dvd anarivony maro.

Kanefa ireo mpitarika tao amin'ny ankamaroan'ny fiangonana dia nanohitra anay sy ny teny torianay, ary nanakatona ny varavarana.

Koa dia nanao fahagagana Andriamanitra. Nosokafany ho anay ny varavaran'ny internet. Napetrakay tao ny toriteny anjatony maro, tamin'ny alalan'ireo rahalahy mahafatrapo izay nentin'Andriamanitra tato amin'ny fiangonana. Mpino marobe avy any amin'ny fiangonana manarena ny Inde sy izao tontolo izao no nirongatra nihaino ny toriteny. Fiainan'olona marobe no voaova, fanambadiana maro no sambatra, fiangonana vaovao betsaka no teraka ary ny sasany tamin'izy ireny dia naniry hifandray akaiky tamin'ny fiangonana CFC.

Dia nodinganin'Andriamanitra ireo mpitarika fiangonana nanidy trano ireo. Ireo mpikambana tao aminy izay nangetaheta kosa dia nandray ny fahamarinana tamin'ny alalan'ny internet. Amin'izao fotoana izao dia mpino marobe avy amin'ny fiangonana manerana izao tontolo izao no voakasik'ireo fahamarinana mahafinaritra ireo sady mitory amin'ny hafa mihitsy koa. Derainay Andriamanitra noho izany satria izany mihitsy no efa nivavahanay sy nirinay. Sombiny ihany izany tamin'ny tanjon'Andriamanitra ho an'ny CFC. Mahagaga loatra ny lalan'Andriamanitra. Manao fahagagana izy rehefa tsy mikatsaka afa tsy ny voninahiny isika sady tsy mitady izay ho an'ny tenantsika.

Paoly dia nilaza fa ny tanjony dia "hanolotra ny olona rehetra ho tanteraka ao amin'i Kristy ", koa niasa mafy izy hahatratrarany izany tanjona izany (Kolo 1:28-29). Dia izay koa ny tanjonay. Miezaka izahay voalohany indrindra mba hahatonga ny mpiangona tsirairay ho mpianatr'i Jesosy : mba ho tia an'i Jesosy mihoatra noho ireo olon-tianay, mihoatra noho ny tenany ary mihoatra noho ny fananany rehetra eto an-tany (Lioka 14:26,27). Avy eo dia ampianarinay izy rehetra hankato izay REHETRA nandidian'i Jesosy (Matio 28,20).

Fantatray fa lalana ety izany ka vitsy no hahita azy. Fantatray koa fa na tao amin'ny " fiangonan "'i Jesosy aza dia nisy mpihatsaravelatsihy anankiray tao amin'ireo roambinifolo. Koa inoanay fa hisy mpihatsaravelatsihy foana ato amin'ny CFC mandra-piverin'i Kristy. Kanefa tsy amelanay izy ireny, amin'ny alalan'ny fitoriana ny Teny, raha tsy voaheloka ka tsy hahazo aina ato am-piangonana, antenaina anefa fa mbola hibebaka izy ireny.

Asa fitoriana sy Fanaovana ny olona ho Mpianatra

Ato amin'ny CFC izahay dia mamporisika ny mpino rehetra hizara ny filazantsara amin'ny olom-pantany. Ary toy izany no nahazoanay olona marobe ho an'i Kristy izay nanamaro isa ny mpiangona tao anatin'ny taona maro. Ary toy izany koa no nananganan'Andriamanitra fiangonana vaovao maro tany amin'ireo tanan-dehibe sy tanana kely taty Inde sy tany amin'izao tontolo izao.

Satria manana antso manokana avy amin'Andriamanitra ny fiangonana CFC dia tsy mirotsaka amin'ny asa fanompoana hafa (asa sosialy) izay mety handany ny hery tokony hanaovanay izay niantsoana anay. Tsy tianay ny hilazana amin'ny andro farany fa " ny tanimboaloboky ny hafa no nandrasanay kanefa ny tanimboaloboka nomen'Andriamanitra anay tsy mba nandrasanay " (Tononkira 1 : 6). Noho izany dia avelanay ireny asa ireny ho an'ireo olona izay mahatsapa fa nantsoin'Andriamanira hanao an'izany. Miaiky izahay fa nomen'Andriamanitra antso samy hafa ny zanany tsirairay. Tsy maniry " hampifandanja " ny asan'Andriamanitra sy ny asa sosialy eo imason'ny mpivavaka hafa izahay. Ny zavadehibe aminay dia ny antson'Andriamanitra sy ny fankasitrahan'Andriamanitra anay.

Satria izahay fiangonana mitombo, dia manana andraikitra lehibe amin'ireo mpino vao tonga, sy amin'ireo ankizy lehibe tato aminay. Izy rehetra ireny dia tokony ho tonga mpianatra avokoa. Ny fisian'ny mpino vaovao sy ankizy efa lehibe dia mariky ny fiangonana salama sy mitombo. Ny mpino vaovao izay nentin'Andriamanitra ato aminay ary ireo ankizy efa lehibe ireo izao no tanimboaloboka vaovao andrasanay.

Andriamanitra sy Vola

Ato amin'ny CFC dia tena hentitra izahay amin'ny resaka vola, satria Jesosy efa niteny fa tsy mahay manompo Tompo roa ny olona (Lioka 16,13), ary izahay dia efa nanapakevitra hanompo an'Andriamanitra irery ihany. Mba tsy hisy afaka hanome tsiny anay amin'ny resaka vola dia nampiharinay ireto fitsipika ireto amin'ny fanaovanay ny asan'Andriamanitra : nanapakevitra izahay fa tsy misy mandray karama ny mpanompon'Andriamanitra rehetra ato amin'ny fiangonana, ary tsy manao rakitra sady tsy manao adidy ato am-piangonana. Izahay dia hitory hanohitra ny fandoavana fahafolonkarena, izay lalàna tamin'ny fanekena taloha. Hotorianay fa ny fanomezana vola ho an'ny asan'ny Tompo dia tsy maintsy atao an-kafaliana sy an-tsitrapo tanteraka. Tsy hoterenay hanome vola ny olona. Tsy handefa tatitra momba ny asanay izahay ary tsy havelanay hisy hahafantatra izay vola ilain'ny fiangonanay. Toherinay ny fangatahana sy ny fandraisana doty (fanambadiana) ary hamporisihanay ny olona rehetra mba ho afa-trosa (Romana 13:8).

Noho ny fahasoavan'Andriamanitra dia voatazonay ireo fitsipiky ny Fanekena vaovao ireo, hatrany amboalohany. Niatrika fanoherana sy fitsikerana maro izahay avy amin'ny sokajim-piangonana maro hafa noho ny nijoroanay tamin'ireo resaka ireo. Kanefa fantatray izay ijoroanay ary mbola hijoroanay hatrany ireo mandra-piverin'ny Tompo.

Ny loholona rehetra ato aminay dia samy manana ny asa fivelomany manokana avokoa, tahaka ny Apostoly Paoly. Tsy nandà ny fanomezana avy tamin'ny mpino sasany Paoly, kanefa tsy nankininy tamin'ireny ny fiainany sy ny asa fanompoany. Natoky izy fa ny Rainy izay any an-danitra no hanome izay rehetra ilainy. Dia izany koa ny fahamarinana ijoroanay sady efa tafiditra ao anatin'ny fahitanay rahateo.

Rariny tokoa raha tohanana ireo olona izay mirotsaka manao ny asan'Andriamanitra, satria ny Tompo mihitsy no nandidy fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana avy amin'ny filazantsara (1Kor 9:14). Kanefa Paoly dia namelona ny tenany, satria hitany fa afa-baraka ny anaran'ny Tompo tamin'izany andro izany noho ny fanangonan-karena nataon'ireo mpitory teny nampiasa ny fanomezam-pahasoavana azony. Noho izany dia te ho vavolombelona madio ho an'ny Tompo izy, tao anatin'izany fahalovana izany.

Mitovitovy amin'izany koa ny zavamisy aty Inde. Koa ato amin'ny CFC dia nahatsapa izahay (tahaka an'i Paoly) fa tsy te hitovy amin'ireo mpitory mpanararaotra olona ireo, amin'ny resaka vola, mba ho fijoroana vavolombelona ho an'ny Tompo eto amin'ny taninay. Sarotiny mihitsy izahay amin'ny resaka vola ka izany no niaro anay tamin'ireo Balama sy Gehazy sy Demasy marobe izay mety ho niaraka taminay ka ho nanimba ny teni-vavolombelon'ny Tompo tao aminay.

Izahay tsy miteny amin'ny mpino ato amin'ny CFC ny amin'ny tokony hampiasany ny volany. Malalaka izy ireo ny hampiasa ny volany araka izay tiany, na hanohana asa misiona na fitaizana zaza kamboty, eny na dia hanome ny mpangataka eny an-dalana aza. Kanefa ny fanomezana ho an'ny asan'ny Tompo nomena ny CFC dia ampiasainay hifanaraka amin'ny fahitanay : hahatonga ny olona ho mpianatra sy hanampiana ny mpianakavin'ny finoana izay mandalo fahasahiranana (Gala 6:10).

Ministera, Anarana, Fahefana

Ministera : Ny Efesiana 4 : 11 dia milaza fa nomen'i Kristy olona manana fanomezam-pahasoavana ny fiangonana : apostoly, mpaminany, evanjelistra, mpampianatra ary mpiandry. Noho ny fitiavan'Andriamanitra dia misy ireo ministera dimy ireo ato amin'ny fiangonana.

Kanefa tsy miantso ny rahalahy amin'ireo anarana na titra ireo izahay. (Paoly dia niantso ny tenany hoe apostoly, mba haneken'ny olona fa tenin'Andriamanitra ireo nosoratany. Tsy misy antony hiantsoana olona hoe Apostoly intsony amin'izao andro izao).

Na izany aza dia mino izahay fa ilaina ny fisian'ireo ministera dimy ireo. Nahazoanay vokatsoa marobe ny fisian'ireo ministera ireo teo aminay. Izany no zavadehibe indrindra aminay fa tsy ilay olona nampiasain'Andriamanitra akory, satria izahay rehetra dia Tena iray ihany ary mpanompon'ny namany avy.

Anarana : ny anarana navelan'ny Tompo ananantsika dia " Rahalahy " ary " Mpanompo " (Matio 23:8,11). Isika rehetra dia natao ho " rahalahy " sy ho " mpanompo " avokoa.

Jesosy dia nilaza hoe rehefa vitanareo izay rehetra nandidiako anareo, dia azonareo atao amin'izay ny miantso ny tenanareo hoe " mpanompo tsy mahasoa izahay, ny tokony nataonay ihany no efa nataonay " (Lioka 17:10). Io ihany no anarana tsy maintsy tsiriritintsika rehetra.

Fanekena Fahefana : Ny Baiboly dia mampianatra hoe " maneke ny mpitondra anareo ka manoava azy " (Heb 13 : 17). Noho izany dia mampianatra ny olona te hiditra ato amin'ny CFC izahay mba hankato io didin'Andriamanitra io ka hanaiky ireo loholona amin'ny raharaha momba ny fiangonana. Tsy manery ny olona hanaiky ireo loholona izahay, satria very ny hasin'ilay fanekena raha tsy atao an-tsitrapo.

Any amin'ny fiangonana hafa dia terena hanaiky ny fahefan'ny Papa na ny pretra na ny pastera ny olona. Fa ato amin'ny CFC kosa dia tsy mampihatra fahefana amin'ny olona izahay. Malalaka ny mpino hifidy izay olona tiany hankatoavina. Koa afaka mifidy izy ny loholona izay tiany hekena sy ametrahany ny fitokisany, satria fahendrena sy fiarovana no tadiaviny amin'izany fanekena izany. Ny fahatokisana ny loholona dia mihamitombo arakaraky ny fijeren'ny mpino ny fomba fiainany, ny fomba fitaizany ny ankohonany ary ny fankatoavan'Andriamanitra ny ministerany.

Tamin'ny andron'ny Apostoly, ny olona rehetra vao avy niova fo dia nanampy isa ny fiangonana avokoa. Dia nanendry loholona (mihoatra ny iray) isa-piangonana ny apostoly (Tit 1:5). Ny fiangonana tsirairay dia nahazo loholona farafahakeliny anankiroa, mba hampifandanja ny ministera. Ireo loholona ireo dia atao ho ray ara-panahy izay mitarika ny mpino sy manabe azy ho tonga amin'ny fahamatorana. Ireo loholona ireo kosa indray dia tarihin'ny apostoly na loholona efa antipanahy kokoa (raha tsy misy apostoly). Izany rindran-damin'ny fanekena vaovao izany dia torinay any amin'ny fiangonana rehetra mifandray amin'ny CFC koa.

Fananarana ny mpino sy ny loholona : Ao amin'ny ankohonana mendrika, ny ray dia mananatra mafy ny zanany rehefa ilaina. Any amin'ny fiangonana rehetra miaraka amin'ny CFC koa dia mino izahay fa ilaina ny fananarana mafy izay olona mitohy manota foana (ampianarina ao Matio 18:15-17) amin'izay dia " tsy hahazo ny vongana rehetra ny masirasira kely " (1 Kor 5:6,7).

Raha misy mpino roa na telo miampanga loholonan'ny fiangonana anankiray, dia ny loholona zokiny (sy ireo manao ny asan'ny apostoly ao amin'io fiangonana io) no manao famotorana momba ilay fiampangana. Raha hita fa mitombina ilay izy dia harahin'izy ireo ny fampianarana nomena ao amin'ny Timoty voalohany 5:19-21 :

" Aza mandray teny hiampangana loholona raha tsy misy vavolombelona roa na telo, izay manota dia anaro eo anatrehan'ny olona rehetra mba hatahotra koa ny sasany, … tsy manao olon-tiana na manao na inona na inona amin'ny fiangarana"

Ampiharina izany fananarana mafy izany ary tsy atao amin'ny fiangarana. Ny loholona dia hahazo fananarana mifanaraka amin'ny fahadisoana nataony, ary hampahafantarina ny fiangonana rehetra izany (araka ny ampianarin'io andininy eo ambony io). (Misy ohatra iray amin'izany hitantsika tamin'ny nitenenan'i Tompo ny apostoly Jaona mba hampahafantatra ny fiangonana rehetra ny nananarany mafy ireo loholona niverin-dalana tao amin'ny Apokalipsy toko 2 sy 3).

Amin'ny resaka fananarana ihany, raha misy rahalahy nomen'Andriamanitra fahefana mba hanendry loholona any amin'ny fiangonana anankiray, izany fahefana izany dia ahafahany mananatra sy manaisotra izany loholona izany koa raha ilaina. Raha toa ka tsy misy manana fahefan'ny apostoly dia ny loholona hafa ao amin'ilay fiangonana no mampihatra ny famaizana.

Na izany aza anefa dia tanterahina am-pitiavana avokoa ny fananarana rehetra (tahaka ny ataon'ny ray), amin'ny fanantenana fa hiverina any amin'ny Tompo sy ao amin'ny fiangonana ilay mpino (na loholona) amin'ny farany (2 Kor 2 : 6-11).

Fifankatiavan'ny samy fiangonana

Ireo fiangonana mifandray amin'ny CFC dia tsy dénomination na vomdrom-piangonana iray anarana. Izahay dia fiangonana mifankatia sy miara-miasa satria manana fahitana mitovy. Tsy manana foibe izahay. Tsy fidiana ny mpitarika. Tsy manana Mpitantana na Filoha. Tsy manana foibe mpanaramaso ny fananan'ny fiangonana. Ny fiangonana tsirairay dia mahaleo tena eo ambany fahefan'ny Tompo. Noho izany, ny loholona rehetra izay notendrena dia tompon'andraikitra mivantana eo imason'ny Tompo aloha voalohany indrindra (izany no rindran-damin'ny fanekena vaovao, araka ny hita ao amin'ny Apok 1:20 hoe " eny an-tanan'ny Tompo ny kintana tsirairay "). Tsy manana diosezy izahay na vondrom-piangonana iandraiketana " eveka " tahaka ny fiangonana sasany. Tsy misy loholon'ny fiangonana iray misahana fiangonana hafa. Ary tsy misy loholona voatery hanaiky loholona avy amin'ny fiangonana hafa.

Ireo fiangonana natsangan'i Paoly dia tsy nataony ho tonga dénomination. Toy izany koa ny fiangonana CFC sy ireo fiangonana mifandray aminy. Ny fiangonana tsirairay avy izay natsangan'ny Tompo sy mifandray amin'ny CFC dia mahaleo tena tanteraka ary samy tarihin'ny loholony avy. Tsy misy olona manaramaso ireny loholona ireny na manoro azy izay tokony ataony. Ny Tompo irery ihany no Lohany.

Ny loholona ao amin'ny fiangonana anankiray misedra olana dia mety hangataka toro hevitra any amin'ireo loholona efa matotra kokoa any amin'ny fiangonana hafa na any amin'ireo manao ny asan'ny apostoly. Tahaka izany ireo mpino tao Korinto izay nitady fifandraisana tamin'i Paoly hanampy azy amin'ireo olana natrehany. Ny toro hevitr'i Paoly no nanampy azy ireo namahany ny olona tamin'izany fotoana izany.

Izahay dia te hanorina fifankatiavana amin'reo fiangonana mifandray aminay mba hanamafy ny firaisanay amin'ny maha ankohonana iray ao amin'ny Tompo. Anisan'ny antony hanaovanay fihaonambe miaraka amin'izy ireo matetika izany.

Maha zavadehibe ny fiainam-pianakaviana

Ato amin'ny CFC dia zavadehibe faratampony ny fivavahana ao ankohonana. Koa manao fivoriana matetika izahay hampaherezana ny fianakaviana hisian'ny fifandraisana mendrika eo amin'ny mpivady, hifankatia sy hifanaja ary hanabe ny zaza amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.

Ny vehivavy dia nataon'Andriamanitra ho mpanampy ny vadiny. Ato amin'ny CFC dia omenay lanja be ny fanampian'izy ireo ny vadiny amin'ny fitaizana ny ankohonana sy amin'ny asa fanompoana ataony. Izahay dia mampianatra ny lehilahy rehetra ho tonga mpiandry tsara ho an'ny vadiny, ka hialoha azy mba ho halainy tahaka amin'ny sehatra rehetra.

Ary satria mahazo maminany koa ny zavakavavin'Andriamanitra, dia mamporisika ny anabavy rehetra ato amin'ny fiangonana CFC izahay mba ho feno ny Fanahy Masina sy haniry fatratra ny haminany (Asa 2:17 ; Efe 5:18 ; 1 Kor 14:1). Izany hoe, hizara famporisihana sy fampiononana hampandroso ny hafa (araka izay vakiana 1 Kor 14;3). Voalohany indrindra aloha ao an-tokantranony, ho an'ny vady aman-janany, avy eo ho an'ny vehivavy hafa.

Mpitarika ny CFC ao afara

Amporisihanay ny rahalahy tanora rehetra mba tsy hiroa fo, mba homen'Andriamanitra fahasoavana ho tonga mpitarika fiangonana amin'ny andro ho avy.

Ny fialonana dia olana lehibe tsy niala teo amin'ny tantaran'olombelona. Kaina dia nialona an'i Abela zandriny, ary Saoly dia nialona an'i Davida tanora. Ny tantaran'ny kristiana koa dia ahitana ohatra milaza "rahalahy zokiolona" izay nialona zandry vao misandratra kanefa manan-talenta kokoa ary dia nanilika azy ireny. Ato amin'ny CFC kosa anefa dia amporisihinay ny loholona hitady lehilahin'Andriamanitra tanora izay manana toetra azo atao mpitarika olona ary hamporisihanay ny loholona hanofana azy ireny koa.

Ary satria tsy misy fisotroana ronono amin'ny fanaovana ny asan'Andriamanitra, ny loholona ato amin'ny CFC dia tsy mitsahatra miasa mihitsy. Kanefa tahaka ireo raim-pianakaviana efa nahalehibe " zanakalahy ", ka misintona sy mamela ireo " zananilahy " hitantana ny fiainany. Ny loholona zokiny ato amin'ny CFC koa dia manao toy izany. Ireny loholona zokiolona ireny dia tahaka ny Ray, feno fanetrentena sy fatahorana an'Andriamanitra ka dia hajain'ireo zanany arapanahy sy tiaviny ary hakany hevitra mandrapahafatiny.

" Endre tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina…. Fa voadidin'i Jehovah ho eo ny fitahiany, dia fiainana ho mandrakizay " (Salamo 133 : 1,3).

" Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tamin'ny Tompo mba hahatanterahanao izany " (Kol 4:17).