Zac Poonen


Zac Poonen
Zac Poonen
Zac Poonen dia manamboninahitra tao amin'ny tafika andranomasina indiana taloha. Efa 50 taona mahery izao no nanompoany ny Tompo tany Inde tamin'ny naha mpampianatra Baiboly azy. Miandraikitra fiangonana maro any Inde sy any ivelany izy.

Nanoratra boky 30 mahery izy sy lahatsoratra marobe amin'ny teny anglisy, izay efa voadika amin'ny teny indiana sy tenim-pirenena marobe. Ny toriteniny dia azo henoina amin'ny CD na jerena amin'ny Video DVD.

Tahaka ireo loholona ao amin'ny fiangonana Cfc dia mamelona ny tenany sy ny vady aman-janany amin'ny "fanaovana lay" Zac Poonen ary tsy mandray karama amin'ny asa fanompoana ataony. Tsy mandray vola izy na kely aza avy amin'ny vidin'ireo bokiny sy Cd ary Dvd, izay atontan'ny Foibe ao Bangalore.

Raha mahaliana anao ny fijoroana vavolombelona ataon'i Zac Poonen dia mankanesa ato amin'ity rohy ity :

The Day Of Small Beginnings