WFTW Body: 

"Sambatra ny ory fa izy no hampifalina" (Matio 5:4). Ny dikan'ny hoe "hampifalina" eto dia "hampaherezina". Amin'ny teny frantsay dia hoe réconfortés. Misy ilay teny kely hoe "f-o-r-t" ao afovoany. Ny atao hoe "fort" dia toeram-pamaharan'ny tafika, izany hoe nohamafisina. "Sambatra ny ory fa izy no hampaherezina". Ory noho ny anton-javatra isan-karazany ny olona eto an-tany. Ny ankamaroan'ny olona dia ory noho ny fahavoazany. Mety very vola izy na namoy havan-tiana, na very laza, na very zavatra toy ny hamendrehana, ny toeram-boninahitra, ny asa na toy izany. Tsy ory noho ny anton-javatra tahaka izany no resahin'i Jesosy. Tsy ory satria nisy olona nandratra fo, na hoe mitomany noho ny alahelo.

Jesosy dia tsy nitomany noho ny alahelo nanjo Azy mihitsy fa noho ny hafa no nitomaniany. Vakiantsika fa nitomany an'i Jerosalema Jesosy (Lioka 19:41) ary nitomany teo amin'ny fasan'i Lazarosy (Jaona 11:35). Tsy nitomany akory Izy na indray mandeha aza noho ny ratsy nataon'ny olona taminy. Na tamin'ny niantsoany Azy hoe devoly izany na tamin'ny nandrorany ny tavany. Tsy nitomany ny tenany mihitsy Jesosy. Tsy vitan'izany fa rehefa nitondra ny hazo fijaliana Izy ka tafintohina teny an-dalana dia vakiantsika ao amin'ny Lioka 23:27 fa nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy. Ary vehivavy maro no niteha-tratra sady nitomany Azy rehefa nahita an'i Jesosy nokapohina sy nampijaliana. Nisy rà nikoriana tamin'ny lohany sy ny lamosiny teo am-pilanjana ilay hazo fijaliana mavesabe sady voasatro-tsilo Izy. Fantatrao ve hoe inona no nolazain'i Jesosy tamin'izy ireo rehefa nitodika nijery azy Izy ? "Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany Ahy hianareo. Tsy maninona aho, eny potika ny lamosiko, satroka tsilo no eo an-dohako, ary mitondra hazo fijaliana mavesatra Aho. Hovonoina ho faty Aho rehefa afaka fotoana fohy, kanefa tsy maninona mihitsy Aho satria ao anatin'ny sitrapon'Andriamanitra tanteraka" (Lioka 23:28)!

Manana izany fihetsika izany ve ianao rehefa ao anaty fahoriana mangidy indrindra ? "Aza mitomany ahy, tsy maninona aho, fa raha te hitomany hianareo dia mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo. Jereo ny toe-panahin'ny zanakareo". Fariseo ireo, miakanjo akanjo lava miendrika olona ambony. Kanefa jereo ny toe-panahiny. Inona no hitranga amin'ny andro hiverenan'i Kristy rehefa hiteny amin'ny tendrombohitra izy ireo hoe "Mianjerà aminay" (Lioka 23:30) ? Izany no fihetsika nasehon'i Jesosy. Tsy nandatsa-dranomaso noho ny fahoriany Izy araka ny voalazan'ny hira fa ny dininy no nipotraka tahaka ny rà noho ny fahoriako.

Ny tena mpianatr'i Jesosy dia ory mahita ny tsi-fitovizany amin'i Kristy. Ory izy rehefa misy fahotana vitany ary ory izy rehefa solafaka. Tsy ory izy noho ny ratsy ataon'ny olona aminy. Inoany fa ireny no anjara voatendry ho azy eto an-tany : ny ho afa-baraka noho ny amin'i Kristy. Kanefa ory izy isaky ny alaina baraka ny Tompo amin'ny fahotan'ny olona sy ny fahadisoany. Rehefa tafakatra ambony kokoa ny fiainam-panahin'ny olona anankiray dia ory koa izy noho ny fahotan'ny hafa, noho ny fahadisoan'ny hafa, tahaka an'i Jesosy nitomany an'i Jerosalema. Izay ilay "ory" resahin'i Jesosy. "Sambatra ny ory fa izy no ampifalina". Angamba ny mahatonga ny sasany amintsika tsy mbola nampaherezina dia satria isika tsy ory noho ny fahotantsika.

Mbola ambony kokoa mihoatra noho izay aza ny hoe ory noho ny fahotan'ny hafa. Ny Apostoly Paoly dia nahatratra izany ambaratonga ambony izany. Hoy izy tamin'ny Korintiana izay lavom-pahotana aokizany. "Eny fandrao, rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro". Fa nahoana moa Andriamanitra no hampietry an'i Paoly ? Marina sy mahitsy ny fiainan'i Paoly ary ny tsy mba nanenjika azy ny feon'ny fieritreretany. Kanefa hoy izy "Izaho hanana alahelo amin'ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka tamin'ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony". Tanisain'i Paoly ireo zavatra hita tao anivon'ny fiangonan'izy ireo (andininy 20) : fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana, fikotranana sns. Rehefa nisaintsaina an'ireo fahotana rehetra ataon'ny olona izay milaza tena ho vahoakan'Andriamanitra i Paoly dia nitomany satria izy no ray ara-panahin'ireo olona ireo. Nitomany izy tahaka ny raim-pianakaviana ara-batana izay mitomany raha marary mafy ny zanany. Raha olona manam-panahy ilay raim-pianakaviana dia halahelo mafy indrindra izy raha mivily any amin'ny fidorohana zavamahadomelina sy any amin'ny fahazaran-dratsy ny zanany.

Paoly dia ray am-panahy ho an'ny korintiana, ary ny tena kristiana mpiandry sy mpitandrina dia tokony ho ray am-panahy koa ho an'ireo ondriny. Izao no anisan'ny mariky ny maha-ray am-panahy : tsy hanome tsiny ny ondry fotsiny izy fa hitomany azy ireo koa tahaka ny nitomanian'i Paoly ny korintiana. Ny lehilahy tahaka izany ihany no mendrika hatao mpitarika ara-panahy. Ao amin'ny Isaia 49:10 (Isaia 49 dia toko lehibe ho an'ny mpitarika ara-panahy) dia izao no voalaza "Fa izay mamindra fo aminy no hitarika azy".

Iza moa no mendrika atao ray am-panahy ? Izay olona mamindra fo amin'ny olona. Koa ny "ory" ao amin'ny Matio 5:4dia ilazana hoe ory noho ny tena, noho ny fahotan'ny tena, noho ny tsi-fitoviana an'i Kristy ary koa ory noho ny hafa. Hampaherezina isika raha izany no ataontsika sady hahazo hery koa hahafahantsika mampahery ny hafa raha izany no lalana izorantsika.