"Sambatra ny malemy fanahy (ny olona manetry tena sy mandefitra) fa izy no handova ny tany" (Matio 5:5). Izaho dia mino fa izany dia ilazana ireo olona tsy miady ho an'ny zony, ireo olona tsy mamaly rehefa asiana ratsy. Nasehon'i Jesosy izany fandeferany izany rehefa nesorina taminy ny zony ary tsy nitaky ny hamerenana izany Izy. Tsy nanozona ny olona nanozona Azy Izy. Tsy nivavaka Izy mba hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra ireo nanombo azy teo amin'ny hazofijaliana. Izao no teniny amintsika ao amin'ny Matio 11:29 "Mianara amiko fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho : manetry tena sady tsy miavona am-po Aho". Sarotra ny mahita teny malagasy mahalaza azy tsara koa izany no mahatonga ny olona mampiasa dikan-teny samy hafa. "Malemy fanahy" (voasoratra eo amin'ny sisin'ny Baiboly hoe "manetry tena, mandefitra"). Ny sary ankapobeny dia olona tsy miady ho an'ny zony eto an-tany, satria voalaza fa indray andro any dia handova ny tany izy. Ny tany dia omen'Andriamanitra ny olona tsy miady ho an'izany. Izany no lalan'Andriamanitra.
Tsy ny olona miady ho an'ny zony no omen'Andriamanitra ny fitahiana lehibe indrindra fa ireo mahafoy ny zony. Jesosy dia nidina ka tonga hatrany amin'ny hazo fijaliana. Nafoiny avokoa ny zony rehetra. Ny ahitantsika ny fanetren-tenany sy ny fandeferany dia Izy nanetry tena hatramin'ny fahafatesana dia fahafatesana nahamenatra teo amin'ny hazo fijaliana (Filipiana 2:8). Menatra sy afa-baraka Izy ary satria nanaiky handeha amin'izany Izy, hatramin'izany dingana izany, dia voalaza ao amin'ny Filipiana 2:9 fa "izany no nanandratan'Andriamanitra azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra". Ny antony nanandratana an'i Kristy ho eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ankehitriny dia tsy hoe satria efa teo foana ny nitoerany hatrizay hatrizay. Tamin'ny naha-Andriamanitra Azy dia teo foana no nitoerany. Fa rehefa nidina tety an-tany ho olona Izy dia nomena Azy ny zo hitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'ny Ray. Tena zava-dehibe mihitsy ny ahazoantsika tsara an'izany. Nahazo ny zo hiverina eo amin'ny tanana ankavanan'ny Ray Izy satria naneho nandritra ny fiainany tety an-tany tamin'ny fomba tonga lafatra ny toetran'Andriamanitra. Tamin'ny naha olona azy dia niharan'ny karazana fakam-panahy rehetra izy ka nanetry tena hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana teo amin'ny hazo fijaliana. Tsy niady ho an'ny zony Izy, noho izany dia hatolotra Azy ny tany manontolo indray andro any.
Amin'izao fotoana izao dia efa azony ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra. Mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no andohalehan'ny lohalika rehetra na any an-danitra na ety an-tany na ambanin'ny tany. Mbola tsy nitranga izany. Ankahitriny dia marobe ny olona no manamavo ny anaren'i Jesosy ary tsy miankohoka amin'ny anaran'i Jesosy. Ny demonia tsy miankohoka ary ny ankamaroan'ny olona eto an-tany tsy miankohoka. Kanefa ho avy tokoa ny andro iray izay tsy maintsy handohalehan'ny lohalika rehetra amin'ny anaran'i Jesosy sy hanekan'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ary dia homena Azy amin'izay ny tany manontolo. Handova an'izany Izy satria nandefitra. Koa ho an'ireo olona manaraka Azy amin'izany lalan'ny fandeferana izany dia hoy Jesosy "Mianara amiko" (Matio 11:29). Ny zavatra tokana asainy ianarantsika aminy dia ny fahalemem-panahiny sy ny fandeferany. "MIanara amiko fa malemy fanahy sady manetry tena aho, mandefitra sady tsy miavona am-po". Tsy maintsy Jesosy mihitsy no ianarantsika an'izany. Tsy amin'ny boky no asainy ianarantsika izany. Hoy Jesosy "Mijere Ahy hianareo dia jereo fa tsy niady ho an'ny zoko aho, jereo ny nahafoizako ny zoko sady olona nandefitra sady ambany toetra Aho, dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo hianareo". Izaho dia mino fa ny antony tokana mahatonga ny kristiana maro tsy mahita fitsaharana sy mitebitebby ary azon'ny rarin-tsaina dia izao : tsy mba mandefitra izy ireny. Miady ao anatiny ao izy hahazoany zavatra. Miezaka hiaro ny zony izy, ary noho izany dia tsy mahita fitsaharana.
Ny fanetren-tena no fahamendrehana mora sandohana indrindra. Ny fanetren-tena tena izy dia tsy izay hitan'ny olona eo amintsika. Fa izay hitan' Andriamanitra eo amintsika, izany hoe ao anatintsika. Ny fiainan'i Jesosy no ohatra mahazava an'izany. Ny Filipiana 2:5-8 dia milaza amintsika fa nafoin'i Jesosy ny tombontsoany sy ny zony maha-Andriamanitra Azy ka tonga mpanompo Izy, ary nanaiky hohomboan'ny olona tamin'ny hazo fijaliana. Natao hanara-dia Azy ao amin'izany lalan'ny fanetren-tena izany isika.
Intelo miantoana ny fanetren-tenan'i Jesosy.
Eto izany dia hitantsika ireo sekré anankitelon'ny fiainana kristiana : FANETREN-TENA, FANETREN-TENA ary FANETREN-TENA.
Gaga sy talanjona ery izao ireo anjely rehefa nijery an'i Jesosy nandritra ireo 33 taona niainany tety an-tany, nahita an'i Jesosy nanompo ny hafa tamin'ny fanetren-tena ka niaritra ny fangirifiriana sy ny faniratsirana ary ny fandratrana. Efa zatra nivavaka tamin'i Jesosy nandritra ny taona marobe tany an-danitra izy ireo. Kanefa rehefa nahita ny fitondran-tenan'i Jesosy tety an-tany izy dia nisy zavatra nianarany bebe kokoa mikasika ny toetran'Andriamanitra dia ny hahalemam-panahin'Andriamanitra sy ny fandeferany izay tsy mbola hitan'ireo anjely ireo ary tsy mbola fantany hatrizay hatrizay nandritra ny fotoana rehetra nipetrahan'i Jesosy tany an-danitra. Ankehitriny dia tian'Andriamanitra aseho amin'ireo anjely any an-danitra izany fanahy tao amin'i Kristy izany amin'ny alalantsika ao am-piangonana (araka ny voalaza ao amin'ny Efesiana 3:10). Inona moa no hitan'ny anjely eo amintsika sy eo amin'ny fitondrantenantsika ankehitriny ? Moa ve manome voninahitra an'Andriamanitra ny fitondrantenantsika ?
Tadidio fa izany fanetren-tena izany no fahamendrehana ambony indrindra. Ny fanetrentena dia miaiky fa fanomezana avy amin'Andriamanitra avokoa izay momba antsika rehetra sy izay ananantsika. Ny fanetrentena dia mahatonga antsika hanome lanjany sy hanome hasiny ny olombelona rehetra, indrindra indrindra fa ireo olona osa, ireo tsy nahita fivoarana, ireo votsa saina ary ireo mahantra. Eo amin'izany tany lonaky ny fanetren-tena izany ihany no afaka mitombo ny vokatry ny Fanahy sy ny hasin'i Kristy . Koa aoka ianao hitsara tena mandrakariva ary ataovy azo antoka tsara fa tsy misy mihitsy na oviana na oviana poizin'ny fanambonian-tena sy fitadiavam-boninahitra na fangalarana ny voninahitr'Andriamanitra tafasisika ao am-ponao. Saintsaino tsara ny fanetren-tenan'i Jesosy. Izany no teny fananarana lehibe indrindra azoko omena anao.