WFTW Body: 

Nampianarin'i Jesosy antsika fa ny dingana voalohany indrindra mankany amin'ny fiainana misy fikorianan'ny Fanahy Masina avy ao anaty dia ny fibebahana na fiitodihana ivoho (Matio 4:17). Tsy hoe miodina miala amin'ny fikatsahana ny zavatry ny tany fotsiny, fa indrindra indrindra, miodina miala amin'ny fahotana. Tsy voatery mandresy ny fahotana isika vao mandray ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina dia tonga mba hanampy antsika handresy ny fahotana. Tsy ny sarety no ataontsika eo alohan'ny omby. Ny omby no tsy maintsy eo alohan'ny sarety. Tsy afaka miala amin'ny fahotana aho vao miteny hoe "Tompo ô, omeo ahy ny Fanahy Masina". Fa hoy kosa aho "Tompo ô, mila ny Fanahy Masina aho mba hahafahako mandresy ny fahotana". Izaho kosa anefa dia afaka manodina ny saiko hiala amin'ny fahotana, ny dikan'izany dia izao, ny toe-panahy ao anatiko dia manana faniriana mafy hahafoy ny fahotana rehetra.

Izay ihany no angatahin'Andriamanitra aminao. Moa ve ianao manana toe-panahy te hahafoy izay rehetra manala baraka an'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao ? Mety ao anatin'ny taona maro vao vitanao ny tena handresy an'ireny, tsy mampaninona izany. Ataovy azo antoka fa ny toe-panahinao dia toe-panahin'ny fibebahana foana, ka te hiala amin'ny fomba fiainanao taloha. Amin'ny alalan'ny fibebahana sy ny finoana an'i Kristy no ahatongavantsika eo amin'ny tsipika fiaingàn' (ligne de départ) 'ny hazakazaka Kristiana. Lazain'ny Hebreo 12:1-2fa ny fiainana kristiana dia mitovy amin'ny fihazakazahana ary tsy tonga eo amin'ny tsipika fiaingàna mihitsy aho raha tsy efa avy nibebaka. Izany toritenin'ny fibebahana sy fialàna amin'ny fahotana izany no toriteny tsy ampy ao amin'ny fivavahana kristiana ankehitriny.

Firy ny toriteny henonao momba ny fibebahana ? Firy ny hira henonao mikasika ny fibebahana ? Any amin'ny fihirana rehetra dia jereo hoe firy ny hira mikasika ny fibebahana. Zara raha misy. Hira mikasika ny finoana no hitanao betsaka ao. Ohatra amin'izany ny hira anankiray malaza hoe "Voninahitra ho an'Andriamanitra noho ny zava-dehibe nataony". Ny andalana anankiray amin'izany hira izany dia hoe "Ny mpanao ratsy indrindra izay mino marina tokoa, eo no ho eo ihany dia hahazo famelan-keloka avy amin'i Jesosy". Tsy manaiky an'izany aho. Eritrereto hoe misy olona anankiray mamonjy fivoriam-bavaka. Tena mpanota ratsy fanahy tokoa izy io ary tsy mahalala na inona na inona mikasika ny filazantsara. Dia tonga eo izy ary mandre an'ilay hira hoe "Ny mpanao ratsy indrindra izay mino marina tokoa ,eo no ho eo ihan dia mahazo famelan-keloka avy amin'i Jesosy". Dia hoy ilay olona "Eny, izaho no tena mpanao ratsy indrindra", miaiky izy ary miteny hoe "Tsy misy zavatra tokony ataoko afa-tsy mino an'i Jesosy fotsiny izany. Mino Azy aho, Izy no Zanak'Andriamanitra, maty noho ny fahotako Izy". Voavela heloka ve ilay olona ? Tsia, raha tsy mbola nibebaka izy. Ny mpanao ratsy indrindra izay mibebaka sy mino ihany no voavela heloka. Ny ankamaroan'ny olona dia miteny hoe "Eny e, izany ange no dikan'ny hoe 'mino marina tokoa' e". Kanefa fanazavana ara-teolojia izan izay tsy ho azon'ny mpanota tsy manana an'Andriamanitra sy tsy mbola niova fo. Mila tenenina izy hoe tsy maintsy mibebaka ianao. Izany dia efa nohazavain'ny Apostoly Petera tsara tamin'ny andro pentekosta : ny fibebahana. Ary izany no notorian'i Paoly hatraiza hatraiza. Zavatra anankiroa no notoriany, "Ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsika" (Asa 20:21).

Ny fibebahana amin' Andriamanitra fa tsy fibebahana ho amin'ny fanambinana sy ny fanasitranana. Ny fibebahana dia tsy hoe miala amin'ny aretina ho amin'ny fanasitranana. Izaho tsy miala amin'ny fahantrana ho amin'ny fanambinana. Tsia ! Filazantsara sandoka izany izay torian'ny olona amin'izao andro izao. Ny voalaza eto dia hoe mibebaka amin'Andriamanitra aho. Miala amin'ny zavatra rehetra izay manohitra an'Andriamanitra eo amin'ny fiainako ary mino an'i Jesosy Kristy Tompontsika. Izany koa no nolazain'i Paoly rehefa nanoratra ho an'ny Tesaloniana izy. Nolazain'i Paoly fa tonga tamin'izy ireo ny Tenin'Andriamanitra dia niala tamin'ny sampy izy ireo ary niverina tany amin'Andriamanitra ka nanompo Ilay Andriamanitra velona" (1Tesaloniana 1:8-9).

Inona no atao hoe sampy ? Ny sampy dia izay rehetra maka ny toeran'Andriamanitra ao am-ponao. Mety hoe ny fahasalamanao izany, ny harenanao, ny asanao, ny tranonao, ny fiaranao, ny vadinao na ny zanakao. Izay rehetra mety maka ny toeran'Andriamanitra ao am-ponao. Tahaka an'i Isaka izay naka ny toeran'Andriamanitra toa am-pon'i Abrahama. Ary nasain'Andriamanitra nesoriny izany fanompoan-tsampy izany. Miverina any amin'Andriamanitra rehefa avy niala tamin'ny sampy sy izay zavatra rehetra manakana an'Andriamanitra tsy ho voalohany sy ambony indrindra ao am-ponao. Izany no atao hoe mibebaka. Izany no dikan'ny hoe mikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany aloha mba hanampy ho antsika izay rehetra ilaintsika ety an-tany (Matio 6:33). Matokia fa tsy hisy zava-mahory ianao eto an-tany, ary na dia tsy ho lasa miliadera aza ianao, dia homen'Andriamanitra anao tokoa izay ilainao eto an-tany, raha ny fanjakany no katsahinao voalohany. Isaorana Andriamanitra noho izany.

Izany no fomba fiaina tokony ananan'ny kristiana rehetra. Mampalahelo tokoa ankehitriny fa fanambinana ara-nofo sy fahasalamana ara-batana no heverin'ny kristiana hoe mariky ny fitahian'Andriamanitra. Tsy marina izany satria be dia be ny olona tsy kristiana no manan-karena lavitra sy salama lavitra noho ireo kristiana ara-panahy aza. Na izay fotsiny aza dia manaporofo fa tsy izany ny filazantsara. Fanampin'izany dia tsy natao afaka tamin'ny ota tahaka ny olona tena mpianatry ny Tompo ireny olona ireny.

Ny toriteny notorian'i Jesosy voalohany ary tsy maintsy tohizantsika toriana koa dia ny fibebahana. Rehefa nilaza Jesosy hoe "Mampianara azy hanao izay rehetra nampianariko anareo", dia inona moa no nampianariny ? Ny dingana voalohany indrindra dia miala amin'ny fahotana, mitodika any amin'Andriamanitra ary manokatra ny fonao hidiran'ny fanjakan'ny lanitra mba hisainanao ny zavatra any ambony, hisainanao izay an'Andriamanitra, dia fahamarinana, fiadanana ao amin'ny Fanahy Masina ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina.