written_by :   Zac Poonen categories :   Mahalala an’Andriamanitra
WFTW Body: 

Ao amin'ny Matio 4:9 dia nasehon'i Satana an'i Jesosy tao anatin'ny fotoana fohy ireo fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny ary hoy izy "Izao rehetra izao dia homeko Anao raha hiankohoka eto anatrehako Hianao". Izay foana no efa nirin'i Satana hatramin'izay, ary izany no nahatonga azy ho devoly. Izy no lohan'ny anjely tamin'ny naharian'Andriamanitra azy, tsara tarehy, feno fahendrena, nahazo ny toerana ambony indrindra teto amin'izao rehetra izao efa elabe talohan'ny namoronana ny olombelona. Vakiantsika ny tantaran'io anjely ambony indrindra io ao amin'ny bokin' Isaia toko faha-14 sy Ezekiela toko faha-28 . Tsy fantatsika ny tena anarany fa ny niantsoana azy fotsiny dia hoe ilay kintana fitarik'andro (Isaia 14:12) izay nadika tamin'ny teny latina hoe "Losifera". Koa raiki-tapisaka taminy izany anarana izany, kanefa tsy izany ny tena anarany. Tsy fantatsika ny anarany. Kanefa ny notadiavin'io lohan'ny anjely io dia izy no hiankohofan'ny anjely hafa fa tsy Andriamanitra. Izany no teneniny ao amin'ny Isaia 14 "Hataoko mitovy amin'Andriamanitra aho". Tadidio fa tahaka izany no nipoiran'ny ota, rehefa nisy anjely anankiray te hiankohofana, te hiodina tamin'Andriamanitra ary feno avonavom-po ka naniry hoderain'ny anjely.

Izany no nihavian'ny ota. Ny ota voalohany teto amin'izao tontolo izao dia tsy famonoana olona na fijangajangana fa faniriana te hoderain'ny hafa. Raha manana izany faniriana izany ianao, na iza ianao na iza, na dia milaza tenanao ho kristiana na ho mpitory teny aza ianao, ka ianao no tianao hoderain'ny olona fa tsy Kristy, dia mizotza amin'ny làlana nandehanan'i Satana ianao. Lalana mampidi-doza izany satria nitondra an'i Satana tany amin'ny helo. Tsy azon'i Satana ilay zavatra notadiaviny tamin'izany fotoana izany, nazera avy tany an-danitra izy, koa izao dia nataony indray izay hahazoana an'izany. "Midaboha amin'ny tany" hoy Satana "dia miankohofa amiko". Kanefa hoy Jesosy "Mandehana hianao ry Satana",Matio 4:10, "fa voasoratra hoe Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao". Tokana ihany no tsy maintsy iankohofantsika. Mety manao fahadisoana isika miankohoka amin'ny zavaboary mahagaga na amin'ny mpanompon'Andriamanitra lehibe. Ao amin'nyApokalipsy 22:8, na dia ny Apostoly lehibe, ny Apostoly Jaona aza dia nanao fahadisoana. Nahita anjely izy dia niankohoka taminy rehefa avy nahita ireo zavamahagaga naseho taminy ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy. Eritrereto ange, na dia ny Apostoly Jaona aza, efa 95 taona, efa nahafantatra ny Tompo nandritra ny fotoana elabe, no mbola nanao izany fahadisoana izany ka nidera ilay anjely lehibe mpanompon'Andriamanitra. Mety ho tratrani'zany koa isika rehetra. Tsy mahazo midera mpanompon'Andriamanitra lehibe isika ka hoe amin'ny alalan'io olona io no hifandraisantsika amin'Andriamanitra.

Na aiza na aiza ianao ka mahita pastera te ho tonga mpanelanelana faharoa eo amin'Andriamanitra sy ny olona dia aoka ianao hitandrina tsara. Ireo mpaminany tao amin'ny Testamenta taloha no nampifandray an'Andriamanitra tamin'ny vahoakany, fa ao amin'ny Fanekena vaovao dia tokana ny Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, tsy iza izany fa Jesosy Kristy Tompo. Tsy mila pastera na mpitondra fivavahana na olon'Andriamanitra ianao ho mpanelanelana faharoa eo aminao sy Kristy. Tsy mila an'i Maria ianao. Tsy mila olon-kafa ianao. Afaka mandeha mivantana mankany amin'i Jesosy ianao ary amin'ny alalan'i Jesosy dia afaka mankany amin'ny Ray. Kanefa mety manao fahadisoana tahaka an'i Jaona isika. Ao amin'ny Apokalipsy toko faha-22 koa no ahitantsika ny fahamarinan'ilay anjely mahery. Hoy izy "Aza manao izao, aza miankohoka amiko".

Aiza ireo mpitory fivavahana, ireo pastera sy mpitarika kristiana izay tsy mamela ny kristiana hiraiki-po aminy fa hanohitra azy ireo ka hiteny hoe "Aza miraiki-po amiko, ataovy mihitsy izay hifandraisanao mivantana amin'i Kristy" ? Izany no tena olon'Andriamanitra marina izay azonareo arahina tsy aman'ahiahy, dia olona izay tsy mamela anao hiraiki-po aminy ary mandà tsy hamantatra ny sitrapon'Andriamanitra ho anao fa hiteny kosa hoe "Andriamanitra ange Rainao e. Mankanesa mivantana any Aminy dia hasehony anao ny sitrapony". Satria izao ny teny fampanantenan'Andriamanitra ao amin'ny Fanekena vaovao, Hebreo 8:11, "Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy ka hanao hoe : Mahalalà an'i Jehovah, fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra". Ny dikan'izany dia hoe na izay vao nateraka indray aza, mbola zaza ao amin'i Kristy, ka hatrany amin'ny mpanompon'Andriamanitra lehibe indrindra sy mahery indrindra, dia afaka mahalala an'Andriamanitra manokana avokoa. Dia hoy ilay anjely "Aza miankohoka amiko, fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao izay mitandrina ny tenin'ity boky ity, Andriamanitra ihany no ivavaho".