WFTW Body: 

Jesosy dia nanana ny anjarany tamin'ny olona sarotra ihavanana nifanerasera taminy teo amin'ny fiainany. Ny olona sasany namingavinga Azy, ny sasany nanenjika, ny sasany naneso, ary ny sasany kosa nanao tsinontsinona na nody tsy nahalala Azy fotsiny. Nisy ireo nivazavaza taminy, nisy nandrora, nifamaly taminy, nisy nitady hamandrika sy hamono Azy.

Samy manana olona sarotra ihavanana mifanerasera amintsika avy isika rehetra mandritra ny androm-piainantsika. Toa tsy matahotra an'Andriamanitra izy ireny, toa masiaka, lozabe, manorisory ary ratsy fanahy. Ireto misy torolalana vitsivitsy omen'ny Baiboly izay nanampy ahy tamin'ny olona sarotra ihavanana :

Jaona 8:7 "Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany"

Ny zava-dehibe indrindra nianarako mikasika ny olona sarotra ihavanana dia izao, izaho koa dia mba anisany !

Mety mpanota sy tsy mifaditrovana ary tia tena ny olona sasany … kanefa ny nofoko dia mitovy tanteraka amin'ny nofon'izy ireny ary meloka tahaka azy koa aho. Efa niainako fa arakaraky ny ahitako ny tenako ho olona lozabe tsy mifaditrovana sy olona tia tena ary mpanota eo anatrehan'ilay Raiko tonga lafatra Izay any an-danitra no manamora ny famindrako fo aman'olona sy ananako faharetana amin'ireo olona manota amiko. Ny Fariseo dia izay manao tsinontsinona ny hafa sy sosotra amin'izy ireny fa ny kristiana dia izay sosotra amin'ny tenany sy leo ny tenany ary leo ny fahotany (Lioka 18:9-13). Ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy ho an'ny olona izay tofoka sy leo amin'ny mpiara-miasa masiaka, amin'ny fitondram-panjakana tsy mahomby, amin'ny fianakaviana tia tena, amin'ireo fiangonana tsy mendrika sy kristiana matimaty. Ny fanjakan'Andriamanitra dia ho an'ny olona leo ny tenany ! Ireny no olona "ory" ara-panahy izay manatona ny Tompo tahaka ny mpangataka mahantra ka manao hoe "Tompo ô, izaho no tena mila vonjy, mpangataka sy mpanota mahantra aho, mamelà ahy ary vonjeo aho!"

"Sambatra ny malahelo am-panahy, fa azy ny fanjakan'ny lanitra". (Matio 5:3)

Ny torolalana lehibe anankiray hitako fa nampianarin'ny Baiboly ahy koa dia izao, tiaviko ny olona sarotra ihavanana, na inona na inona havaliny ahy :

Matio 5:44 "Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo".

Romana 2:4 "Ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka".

Nandre tantara anankiray aho indray mandeha : Indray maraina dia nihaika ny masoandro ny rivotra. Nisy olona anankiray nitafy akanjo mafana nandeha teny an-dalana. Dia hoy ny rivotra tamin'ny masoandro 'Vitako ny manala ny akanjon'io olona io alohanao'. Dia nanaiky hifaninana taminy ny masoandro. Izaho no hanomboka hoy ny rivotra. Nitsoka mafy dia mafy araka izay tratrany ny rivotra ary arakaraky ny fifofofofony mafy no vao mainka namikiran'ilay olona ny akanjony. Dia namaly ny masoandro hoe 'anjarako indray izao'. Dia niakatra teny amin'ny lanitra ambony ny masoandro ary nandefa hazavana kely fotsiny. Fotoana fohy dia nesorin'ilay olona moramora ny akanjony. Ny lesona avy amin'izany tantara izany dia hoe tsaratsara kokoa ny manafana ny olona amin'ny fitiavana noho ny mifofofofo aminy sy mifehy azy amin'ny fahatezerana sy ny hery.

Ny Rainao izay any an-danitra ve tahaka ny rivotra sa tahaka ny masoandro ? Lazain'ny Baiboly fa ny fitiavan'Andriamanitra no mahatonga antsika ho tia Azy (1 Jaona 4:19), ary ny fahamoram-panahiny no mitaona antsika hibebaka (Romana 3:4). Mino aho fa ho hitantsika izany fitsipika izany eo amin'ny fiainantsika amin'ny fifampitondrantsika amin'ny hafa. Ny mitia ny hafa amin'ny zotom-po tsy misy fitiavan-tena no mitondra firaisan-kina sy fifankazahoana eo amin'ny fifandraisana fa tsy ny miady amin'ny olona sy manery azy ireny hiombon-kevitra amintsika sy ho tsara fitondra antsika.

Matetika ny fitiavana dia tsy manova ny fon'ny fahavalontsika amintsika eo no ho eo (na mety tsy hanova mihitsy), kanefa tsy mampaninona izany. Raha mbola tiavintsika ny fahavalontsika sy ny olona tsy nanenina tamin'ny ratsy nataony tamintsika dia manana tombontsoa hitovy amin'ilay Raintsika Izay any an-danitra isika, satria tahaka izany Izy. Manana faharetana lehibe Izy ary be fitiavana na dia ireo olona ratsy fanahy izay mihevitra an'Andriamanitra ho fahavalony aza.

Matio 5:44-45 "Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo, fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina" .

Ny zanaka dia olona mitovy amin'ny dadany. Asain'i Jesosy tiavintsika ny fahavalontsika, ary izany no fomba hahatongavantsika ho zanaky ny Raintsika Izay any an-danitra.

Ohabolana 15:1 "Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy".

Tena manan-kery be ny lela. "Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon'ny antontan-kazo arehitry ny afo kely". (Jakoba 3:5)

Ny lela no manomboka ny ady ary ny lela no mamarana ny ady. Tsara noho izany aza, ny lela dia mahasakana ady maro! Lazain'ny Baiboly fa aleo miteny malefaka sy mamaly mora ny olona mora tezitra toy izay mamaly fahavinirana ny fahavinirana sy fahatezerana ny fahatezerana. Izany no fomba tsara indrindra mampisy ny fihavanana. Tsy olona mpiady (miteny ratsy ny mpiteny ratsy) no tadiavin'Andriamanitra fa olona mpampihavana (Matio 5:9). Azontsika atao ny tonga mpampihavana amin'ny famaliantsika mora ny fahatezeran'ny hafa.

Ohavolana 17:13-14 "Izay mamaly ratsy ny soa, ny ratsy tsy hiala ao an-tranony. Ny fiandohan'ny ady dia toy ny manata-drano, koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra" .