Ny voninahitra sy tombontsoa lehibe indrindra ho an'ny olombelona dia ny manao ny sitrapon'Andriamanitra. Izany no nampianarin'i Jesosy Tompo ny mpianany. Indray mandeha Jesosy dia nilaza fa izay manao ny sitrapon'ny Rainy ihany no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra (Matio 7:21). Nilaza koa Izy fa ny tena rahalahiny sy anabaviny dia izay manao ny sitrapon'Andriamanitra (Matio 12:50). Izany fanantitranterana nataony izany dia nampitain'ireo apostoly tamin'ny taranaka. Nambaran'i Petera fa nafahan'Andriamanitra tamin'ny ota ny olona mba hanaovany araka ny sitrapon'Andriamanitra (1Petera 4:1,2). Nohamafisin'i Paoly fa ny mpino dia efa nohavaozina tao amin'i Jesosy Kristy mba handehanany eo amin'ny lalana namboarin'Andriamanitra ho azy. Koa nampahery ny kristiana tao Efesosy izy mba tsy hanao adaladala fa hahafantatra ny sitrapon'ny Tompo ho an'ny fiainany (Efesiana 2:10 ; 5:17). Nivavaka ho an'ireo kristiana kolosiana izy mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapon'Andriamanitra. Nolazainy fa Epafra mpiara-miasa taminy koa dia nivavaka ho azy ireo mba hananterahany izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra (Kolosiana 1:9 ;4:12). Ny apostoly Jaona dia nampianatra fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra ihany no maharitra mandrakizay (1Jaona 2:17).
Ny ao amin'ny Asan'ny Apostoly 13:22 dia toa milaza fa ny niantsoana an'i Davida hoe "lehilahy araka ny fon'Andriamanitra" dia noho izy tsy naniry afa tsy hanao ny sitrapon'Andriamanitra. Davida mihitsy no nilaza fa sitrany ny hanao ny sitrapon'Andriamanitra (Salamo 40:8). Tsy olona tonga lafatra i Davida. Nanao fahotana marobe izy, ny sasany fahotana mahatsiravina ka tena nanafaizan'Andriamanitra azy mafy. Eny kanefa navelan'Andriamanitra ny helony ary nankasitrahan'Andriamanitra izy satria te hanao ny sitrapon'Andriamanitra rehetra. Mamporisika antsika izany mba hino fa na dia ao aza ny tsi-fahatanterahantsika dia azontsika atao ny tonga lehilahy na vehivavy araka ny fon'Andriamanitra, raha mifikitra amin'ny fanaovana ny sitrapony ny fontsika.
Ny Testamenta Vaovao dia mamporisika ny mpino handeha araka ny nandehanan'i Jesosy, hanao an'i Jesosy ho modely. Ny fitsipika nifehy ny fiainan'i Jesosy manontolo sy ny asa fanompoany dia ny fanaovana ny sitrapon'ny Rainy. Tsy nihetsika mihitsy i Jesosy raha tsy nasain'ny Rainy nanao izany. Ary rehefa nihetsika Izy dia tsy nisy nahasakana Azy tsy hanao izay notakian'ny Rainy taminy, na ny fandrahonan'ny fahavalony izany na ny fitalahoan'ny sakaizany. Ny hanin'i Jesosy isan'andro dia ny nanao ny sitrapon'ny Rainy (Jaona 4:34). Tahaka ny anirian'ny olona sakafo hamelomany ny vatany dia tahaka izany koa no anirian'i Jesosy fatratra ny hanao ny sitrapon'Izay naniraka Azy. Tokony hanana izany hanoanana hanao ny sitrapon'Andriamanitra rehetra izany koa ny mpino tsirairay avy. Tena mora ny mivavaka hoe "hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra" kanefa avy eo dia manao izay tiantsika atao fa tsy mitady ny fitarihan'Andriamanitra akory eo amin'ny fiainantsika isan'andro.
Ampianarin'ny Baiboly fa nanamboatra planina manokana ho an'ny fiainantsika tsirairay Andriamanitra (Efesiana 2:10). Nanomana asa fivelomana ho antsika Izy, nifidy vady ho andefimandrintsika ary efa nomaniny koa ny toerana honenantsika sy izay zavatra tokony ataontsika isan'andro. Amin'ny toe-javatra rehetra dia ny safidin'Andriamanitra no tsara indrindra satria mahafantatra antsika tsara Izy ary heveriny avokoa ny lafin-javatra hafa rehetra. Koa fahendrena indrindra ny mitady ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny raharaha rehetra na lehibe na kely.
Maro ny sambom-piainan'ny olona no rendrika noho izy tsy nitady ny sitrapon'Andriamanitra hatramin'ny fahatanorany. Marina tokoa fa "tsara amin'ny olona ny mitondra zioga raha mbola tanora izy" (Fitomaniana 3:27). Ao amin'ny Matio 11:28-30 dia manasa antsika Jesosy hitondra ny ziogany. Inona moa no dikan'ny hoe mitondra zioga ? Ny omby zatra miasa tanimboly dia akambana amin'ny zioga eo amin'ny vozony. Ny omby vao ampianarina miasa dia zogaina miaraka amin'ny omby efa za-draharaha. Voatery mampitovy ny lalany sy ny hafainganam-pandehany amin'ilay omby antitra izy. Izany no dikan'ny hoe mitondra ny ziogan'i Jesosy. Tsy maintsy miara-mandeha amin'i Jesosy eny amin'ny lalana izay tiany izorantsika isika, tsy mirotoroto hanao izay zavatra tsy nitarihany antsika ary tsy miraikiraiky any aoriana rehefa antsoiny hanao dingana vaovaon'ny fankatoavana. Vitsy ny olona no mahafantatra ny dikan'ny hoe zioga. Vao mainka vitsy kokoa ny olona vonona hanaiky hitondra izany. Ny omby dia teren'ny tompony hitondra zioga eo amin'ny vozony. Fa Jesosy kosa manasa antsika. Tsy misy fanerena na kely aza. Jereo ny adalantsika mandà izany fanasana izany ! Aleontsika mitondra ny zioga mavesatry ny sitrapontsika miaraka amin'ny fahasorenana sy ny fahavoazana ary ny fanenenana toy izay ny mitondra ny zioga maivan'i Jesosy mitondra fahafahana sy fitsaharana lalimpaka marina tokoa !
Vakiantsika fa Enoka dia "niara-nandeha tamin'Andriamanitra" (Genesisy 5:22). Izany hoe tsy nisosososo tany aloha izy ary tsy nitaredretra tany aoriana fa nandeha tamin'ny lalana namboarin'Andriamanitra ho azy, tahaka ny olona voazioga nandritra ny telon-jato taona. Vokatr'izany dia nanambara Andriamanitra fa nankasitrahany ny fiainan'i Enoka (Hebreo 11:5). Izay ihany no fomba tokana hankasitrahan'Andriamanitra antsika. Mivelona sy mandeha eo ambanin'ny ziogany ao anatin'ny sitrapon'Andriamanitra tonga lafatra. Izay ihany no ahafahantsika mijoro tsy misy nenina eo anatrehany rehefa miverina Izy.
Misy mpino tsy mahita ny sitrapo tonga lafatr'Andriamanitra ho an'ny fiainany. Saoly dia nofidin'Andriamanitra ho mpanjakan'Isiraely, kanefa noho ny fahamaimaizany sy ny tsi-fankatoavany dia nolavin'Andriamanitra izy. Eny marina fa mbola nanjaka nandritra ny taona vitsivitsy izy kanefa tsy nahita ny sitrapon'Andriamanitra ho an'ny fiainany izy. Solomona dia ohatra anankiray koa. Tamin'ny voalohany dia nankasitrahan'Andriamanitra izy. Taty aoriana anefa dia nivily lalana izy tamin'ny nanambadiany vehivavy jentilisa. Ao amin'ny Testamenta vaovao dia indroa isika no amporisihina mba hanao ho anatra ny nahazo ny zanak'Isiraely izay maty tany an-efitra. Ny sitrapon'Andriamanitra tonga lafatra ho an'ny zanak'Isiraely dia mba hiditra ny tany Kanana. Kanefa izy rehetra, afa tsy ny roa tamin'izy ireo, dia tsy nisy nahazo ny tsara indrindra avy tamin'Andriamanitra noho ny tsi-finoany sy ny tsi-fankatoavany (1Korintiana 10:1-12, Hebreo 3:7-14). Ny ankamaroan'ny mpino koa dia tsy mahita ny planin'Andriamanitra tonga lafatra eo amin'ny fiainany na ao amin'ny fanambadiana izany na ao amin'ny asa atao noho ny tsi-fankatoavana sy ny firoaroavana,
Tsy manana afa tsy fiainana tokana isika. Sambatra izay olona afaka milaza tahaka an'i Paoly amin'ny fiafaran'ny fiainany fa nahavita ny asa nomen'Andriamanitra azy (2Timoty 4:7).
"Izao tontolo izao sy ny filàny miredareda dia ho levona indray andro any. Fa izay manaraka ny sitrapon'Andriamanitra dia anisan'ilay Maharitra ka tsy mety maty" ( 1 Jaona 2:17 - Baiboly JB Phillips ).
"Aoka ianao ho tompon'andraikitry ny fiainanao, ka aza manao tahaka ny olona tsy mahafantatra ny dikan'ny fiainana sy ny tanjon'ny fiainana, fa mba ho tahaka ny olona mahafantatra. Ampiasao tsara araka izay mety ny fotoananao na ao anatin'ny zava-tsarotra rehetra amin'izao andro izao aza. Ary aza sanganehana tsy mahita izay hatao fa hazony mafy tsara izay fantatrao fa sitrapon'Andriamanitra" (Efesiana 5:15-17- Baiboly JB Phillips )