Tsy ananan'ny ankamaroan'ny mpino amin'izao andro izao na ny halalim-paka na ny fahafoizan-tena na ny hery vaika izay nananan'ireo Kristiana tany am-boalohany.
Araka ny hevitrao, inona no mety ho anton'izany ?
Ny antony voalohany dia noho izy ireo tsy nahavita ny fibebahany araka ny tokony ho izy.
Jesosy mihitsy no efa nitory hoe : "Mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara" (Marka 1:15). Nandidy ireo apôstôliny koa Izy hitory an'izany (Lioka 24:47). Ary dia izany tokoa no notorin'izy ireo (Asa 20:21).
Mazava be ny lazain'ny Tenin'Andriamanitra mikasika izany. Ny fibebahana sy ny finoana dia tsy azonao sarahina raha tianao ho lavorary sy tomombana ny fiovam-ponao. Efa nampiraisin'Andriamanitra izy roa ireo. Ary izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hosarahin'olona.
Raha ny tena marina dia ny fibebahana sy ny finoana no biriky roa voalohany anorenana ny fiainana ao amin'i Kristy (Hebreo 6:1). Raha tsy tomombana tsara ny fibebahanao dia tsy maintsy hisy fahavoazana ny fototra aorinao. Ary mazava ho azy fa ny vokatr'izany dia ny fiainana maha-kristiana anao manontolo no hihozongozona.
Misy ohatra vitsivitsy hitantsika ao amin'ny Baiboly mikasika an'ireo olona nanao fibebahana tsy izy.
Rehefa nandika ny didin'Andriamanitra i Saoly mpanjaka, dia niaiky tamin'i Samoela izy fa nanota. Kanefa tsy tiany ho fantatry ny vahoaka izany. Mbola nitady voninahitra teo anatrehan'ny olona foana izy. Tsy tena nibebaka marina izy. Nanenina fotsiny izy satria tra-tehaka (1 Samoela 15:24-30). Izay no naha-samy hafa an'i Saoly tamin'i Davida mpanjaka izay niaiky ampahabemaso ny fahotany rehefa lavo (Salamo 51).
Ahaba mpanjaka koa dia tahaka an'i Saoly. Tena nanenina mafy tokoa izy rehefa nampitandreman'i Elia fa hihatra aminy ny fitsaran'Andriamanitra. Nandriatra ny fitafiany mihitsy aza izy ka nitafy lamba fisaonana noho ny fahotany (1 Mpanjaka 21:27-29). Kanefa tsy tena nibebaka marina izy. Natahotra hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra fotsiny izy.
Jodasy Iskariota koa dia ohatra anankiray ahitana mazava ny fibebahana tsy izy. Rehefa hitany fa nohelohina ho faty i Jesosy dia nanenina izy ary nanao hoe "Nanota aho" (Matio 27:3-5). Kanefa tany amin'ny mpisorona izy no niaiky ny helony, tahaka ny mbola ataon'ny olona sasany hatramin'izao! Tsy nibebaka izy na dia nanenina ihany aza noho ny zavatra nataony. Raha tena nibebaka marina izy dia ho nanatona ny Tompo tamin'ny fo torotoro sy nangata-pamelana taminy. Kanefa tsy izany no nataony.
Be dia be ny lesona azontsika tsoahina avy amin'ireo ohatra ireo momba ny fibebahana tsy izy!
Ny fibebahana tena izy dia "miala amin'ny sampy hiverenana amin'Andriamanitra" (1 Tesaloniana 1:9).
Ny sampy dia tsy ireo vita amin'ny vato aman-kazo eny amin'ny tempolin'ny andriamani-tsy izy ihany. Misy sampy tena mandoza tokoa, tsy ratsy tarehy be tahaka ireny kanefa ivavahan'ny olona. Dia ny sampin'ny fahafinaretana, fampiadanam-batana, ny sampin'ny vola, ny laza amam-boninahitra, fanaovana izay tian-katao sy ny sisa.
Isika rehetra dia samy efa nivavaka tamin'ireny sampy ireny avokoa nandritra ny taona maro. Ny atao hoe mibebaka dia tsy mivavaka amin'ireny sampy ireny intsony ary miverina any amin'Andriamanitra.
Ny fibebahana tena izy dia mihatra any amin'ny maha-izy antsika manontolo, izany hoe ny saintsika, ny fihetsempo ary ny sitrapontsika.
Voalohany indrindra, ny fibebahana dia midika hoe ovaintsika ny fiheverantsika ny fahotana sy ny fiheverantsika an'izao tontolo izao. Fantatsika amin'izay fa ny fahotantsika no efa nampisaraka antsika tamin'Andriamanitra. Hitantsika amin'izay koa fa ny fomba fanao rehetra eto amin'izao tontolo izao dia manohitra an'Andriamanitra. Ary te hiala amini'zany fomba fiaina manala baraka an'Andriamanitra izany isika.
Faharoa, ny fibebahana dia hatrany amin'ny fihetsempontsika. Malahelo isika noho ny fomba fiainantsika taloha (2 korintiana 7:10). Halantsika ny tenantsika noho ireo ratsy fanaontsika taloha, ary mihoatra noho izany, maharikoriko antsika ny faharatsiana lehibe hitantsika ao anatintsika kanefa tsy hitan'ny olona (Ezekiela 36:31).
Mitomany sy manenina isika fa efa nandratra loatra ny fon'Andriamanitra noho ny fomba nentintsika niaina. Izany no nataon'ireo olon'Andriamanitra malaza tao amin'ny Baiboly rehefa tsapan'izy ireo ny fahotana vitany. Davida (Salamo 51), Joba (Joba 42:6), ary Petera (Matio 26:75). Izy rehetra dia samy nitomany fatratra avokoa rehefa nibebaka tamin'ny fahotany.
Na Jesosy, na ny apôstôly dia samy mamporisika antsika hitomany sy hanenina noho ny fahotantsika (Matio 5:4, Jakoba 4:9). Izany no lalana iverenana any amin'Andriamanitra.
Farany ny fibebahana dia hatrany amin'ny sitrapo. Tsy maintsy ampandeferintsika ilay sitrapon'ny nofo mafy hatoka ka "te hanao izay tiany hatao", ary tsy maintsy ataontsika Tompon'ny fiainantsika i Jesosy; Ny dikan'izany dia tsy maintsy vonona isika hanao izay ampanaovin'Andriamanitra antsika manomboka izao, na inona na inona tambin'izany ary na inona na inona fahafaham-baraka mety hianjady amintsika.
Ilay zanaka adala niverina tany an-tranon'ny rainy dia tovolahy efa folaka sy torotoro vonona ny hanao na inona na inona asain'ny rainy ataony. Izany no fibebahana tena izy (Lioka 15:11-24).
Tsy voatery miaiky amin'Andriamanitra ny fahotana rehetra tsirairay nataontsika teo amin'ny fiainana isika. Tsy ho vitantsika mihitsy koa ny hitadidy azy rehetra. Ilay zanaka adala dia tsy nanao an'izany. Izao fotsiny ihany no nolazainy "Raiko ô, efa nanota aho". Ary izay fotsiny ihany koa no mila lazaintsika.
Kanefa tadidio fa Jodasy Iskariota koa dia mba nilaza hoe "
Nanota aho". Kanefa tsy misy itovizany mihitsy ny fifonana nataon'i Jodasy sy ny fifonana nataon'ilay zanaka adala. Tsy ny teny lazain'ny vavantsika ihany no henoin'Andriamanitra. Fantatr'Andriamanitra ny toe-panahy ao ambadiky ny teny tenenintsika, ary arakarak'izany no amaliany antsika.