written_by :   Zac Poonen
WFTW Body: 

"Sambatra ny miantra fa izy no hiantrana" (Matio 5:7).Jesosy dia nampianatra antsika hivavaka hoe "Rainay Izay any an-danitra, mamelà ny helokay, ataovy mitovy amin'ny namelanay izay olona meloka taminay". Inona no dikan'izany fangatahana izany ? Ny dikany dia izao, raha tsy mamela ny heloky ny olona anankiray aho dia tsy havelan'ny Tompo koa ny heloko. Ny angatahiko amin'Andriamanitra izany dia hoe : "Tompo ô, mamelà ny heloko, ataovy mitovy tanteraka tamin'ny namelako ny helok'iny olona iny". Koa raha tsy navelako ny helok'ilay olona dia tena mangataka amin'ny Tompo aho izany hoe aza avela ny heloko.

Mba fantatrao ve fa rehefa manao ny vavaka nampianarin'ny Tompo ianao dia mangataka amin'Andriamanitra ianao mba hamela ny helokao, mitovy tsy misy valaka amin'ny namelanao ny heloky ny hafa ? Rehefa tsy mety mamela ny heloky ny hafa ianao dia izao ny zavatra angatahinao "Ny fomba amelanao ny heloko dia ataovy mitovy amin'ny fomba namelako ny helok'iny olona iny, koa satria tsy navelako ny helok'iny olona iny dia aza avela izany ny heloko". Na koa hoe "Efa navelako ihany ny helony fa mbola manana lolompo aminy aho noho ny zavatra nataony. Koa rehefa mamela ny heloko ianao Tompo o dia aoka mbola hitazona lolompo amiko".

Isaky ny misy olona manisy ratsy antsika na mandratra ny fontsika dia misy eritreritra anankiroa mifanipaka mipoitra ao an-tsaintsika. Ny anankiray dia eritreritra hamindra fo ary ny anankiray dia eritreritra hitsara ilay olona. Asain'ny Fanahy Masina mamela heloka sy mamindra fo isika fa ny nofontsika kosa dia manosika antsika ho mafy fo sy hitsara ilay olona ary hivavaka amin'Andriamanitra mba hitsarain'Andriamanitra an'ilay olona. Kanefa izao no voalaza ao amin'ny Jakoba 2:13 "Fa fitsarana tsy misy famindrampo no ho anjaran'izay tsy mamindra fo". Raha tsy mamindra fo amin'ny hafa aho dia tsy hamindra fo amiko Andriamanitra. Ary amin'ny fitsarana farany dia ho gaga isika rehefa hampihatra didim-pitsarana mafy be amin'ireo olona mpino tsy namela heloka Andriamanitra : tsy hiditra ny fanjakan'Andriamanitra izy ireo.

Mbola mitohy Jakoba 2:13 : "ny famindrampo dia faly mandresy ny fitsarana". Midika izany fa rehefa misy fifanoherana ao am-poko na hitsara ilay olona aho na hamindra fo aminy dia ny famindrampo no avelako handresy fa tsy ny fitsarana. Izany no marika amantarana ny olon'Andriamanitra. Mandresy ny fitsarana ny famindrampo.

Hoy ny Romana 12:19 "Aza mamaly ratsy" satria anjaran'Andriamanitra izany. Izao no lazain'Andriamanitra "anjarako ny famaliana fa tsy anareo". "Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly" hoy ny Tompo. Noho izany, raha noana ny fahavalonao dia omeo hanina izy. Raha mangetaheta izy dia omeo hosotroiny. Tsy mahazo mamaly faty isika. Tsy maintsy mamindra fo ary manisy soa isika na aiza na aiza ahafahantsika manisy soa. Ary ho hitantsika amin'ny fitsarana farany fa raha tsy namela ny heloky ny hafa isika dia tsy havelan'Andriamanitra ny helotsika. Mbola averin'i Jesosy ao amin'ny vavaka nampianarin'ny Tompo izany toromarika izany.

"Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo izay any an-danitra" (Matio 6:15). Ny "Rainareo izay any an-danitra" dia midika fa efa Rainao Izy ary zanak'Andriamanitra ianao. Tsy niteny Izy hoe "tsy hamela ny fahadisoanareo Andriamanitra". Raha nampiasa ny teny hoe "Andriamanitra" Jesosy dia afaka nilaza isika hoe natao ho an'ny olona mbola tsy mpino io andininy io. Kanefa mariho tsara fa "ny Rainareo" no nolazainy ao amin'ny Matio 6:15 . Fa angaha Andriamanitra moa Rain'ny olona tsy mpino ? Tsia! Fa raha zanak'Andriamanitra efa nateraka indray ianao dia Rainao Andriamanitra. Ary voalaza koa hoe "tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo". Satria nahoana ? Satria tsy namela heloka ny hafa ianareo.

Raha tsy voavela ny helokao dia amin'ny fomba ahoana moa no hidiranao ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ? Heverinao ve fa mbola azo avela ny helokao aorian'ny fahafatesanao ? Mbola misy zavatra azo atao ve rehefa maty ny olona ? Raha maty ianao kanefa mbola misy olona tsy navelanao heloka dia inona no anjaranao any amin'ny mandrakizay ? Azoko antoka fa hankany amin'ny helo ianao satria tsy misy olona afaka miditra ny lanitra miaraka amin'ny helony tsy voavela tety an-tany. Tsy misy heloka azo avela intsony aorian'ny fahafatesana. Tsy maintsy avela dieny izao ny heloka ary izany no maha-zavadehibe ny mamindra fo amin'ny olona. Tsy fahatsaram-panahy ataonao amin'ny olona akory izany. Raha ny tena marina dia hatsaram-panahy ataonao ho an'ny tenanao satria tianao hamindra fo aminao Andriamanitra.