written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana
WFTW Body: 

Ny zavatra tena mampalahelo ao amin'ny fivavahana kristiana dia marobe ny kristiana no manatanteraka ny tapany voalohany amin'ilay Hafatra lehibe (iraka lehibe nampanaovin'ny Tompo) no tsy mahatsapa fa tena zavadehibe anie ny manatanteraka ny tapany faharoa amin'io hafatra io. Ny tena ratsy aza dia ireo olona maro manatanteraka ny tapany voalohany no manamavo ireo olona miezaka hanatanteraka ny tapany faharoa. Raha manana fanetren-tena isika dia hahita fa samy mpiara-miasa ao amin'ny Tenan'i Kristy avokoa ary samy mitovy lanja daholo ny anjara asa rehetran'ny tsirairay. Ny fandehanan'ny olona anankiray mitory any amin'izay mbola tsy nandre ny filazantsara hoe Kristy maty noho ny fahotany, dia mitovy lanja amin'ny famitan'ny olona anankiray ilay asa. Izany hoe manao izay hahatonga an'ireo olona vao avy nitoriana ireo ho mpianatra, mampianatra azy ireo hanao izay rehetra nandidian'i Jesosy.

Tena mampientam-po ny manatanteraka ny tapany voalohany amin'ny Hafatra lehibe satria matetika izany asa fitoriana izany dia misy vokatra maro mahafinaritra azo tantaraina. Ny tantara marina momba ny asan'ny misionera sy ny fampielezana ny filazantsara dia mampientam-po foana. Misy tantara azo resahina foana mikasika ny olona afaka tamin'ny asan'ny demonia sy afaka tamin'ny fanompoan-tsampy ary zavatra maro tahaka izany, indrindra moa ireo antontanisa azo ampahafantarina ny olona. Ny evanjelistra dia afaka mirehareha amin'ny isan'ny olona izay voataonany ho an'i Kristy. Fa ahoana kosa ny amin'ny mpiasan'Andriamanitra anankiray izay mandray an-tanana an'ireo olona niova fo ireo ary manao izay hahatongavan'izy ireny ho mpianatry ny Tompo mba hitandrina izay rehetra nampianarin'i Jesosy ? Tsy hanana antontanisa hireharehana izy, kanefa ho hitantsika amin'ny fiverenan'i Kristy fa io olona io dia efa nanao asa mahatoky kokoa na dia tsy nahazoany voninahitra teto an-tany aza izany fanaovany ny olona ho mpianatra izany. Amin'ny ankapobeny dia aleon'ny kristiana manao asa fanompoana misy vokatra azo refesina sy isa azo tononina. Izany no mahatonga ny hoe, ny endriky ny Hafatra lehibe ao amin'ny Marka 16:15 no malaza kokoa noho ilay endriny ao amin'ny Matio 28:19-20. Kanefa izany koa ny antony ifantohanay betsaka amin'io endriny faharoa io, sy ampianaranay ny olona hanao izay rehetra nandidian'i Jesosy.

Eritrereto ohatra hoe nandany 25 taona ianao namonjy ireo faritra maro manerana izao tontolo izao, nitory ny filazantsara sy nanao ny asan'ny evanjelistra. Raha evanjelistra ianao dia mety ho afaka nanao tatitra mikasika ireo olona an-jatony na an'arivony izay voataonanao ho an'i Kristy. Kanefa raha ohatra kosa ireo 25 taona ireo ka nolanianao tamin'ny fampianarana andian'olona tsy mbola niova fo mba hanao izay rehetra nandidian'i Jesosy dia mety tsy hisy antontanisa azonao aseho. Ianao kosa anefa amin'izay efa nahavokatra olona manahaka an'i Kristy. Vavolombelony tsara lavitra eto an-tany. Ary olona azon'Andriamanitra aseho amin'ny devoly ho santionan'ny olona efa voavotra. Olona efa afaka tamin'ny toetran'i Adama ka maneho ny toetran'i Kristy. Izany ezaka izany dia mitondra voninahitra any an-danitra fa tsy eto an-tany.

Raha kristiana mitady voninahitra aman'olona ianao (na amin'ny mpiara-mivavaka aza), dia tsy hifantoka loatra amin'ny tapany faharoa amin'ny Hafatra lehibe, satria tsy hisy antontanisa azonao ampahafantarina amin'izany. Raha antontanisa sy habetsahana ary voninahitr'olombelona no mahaliana anao dia tsy hifantoka afa-tsy amin'ilay tapany voalohany fotsiny ianao. Tsy tian'ny olona ireo mpaminany tao amin'ny Testamenta taloha fa ireo mpaminany sandoka no mamin'ny olona tany Isiraely. Inona no mahasamy hafa azy roa ireo ? Ny zavatra anankiray tsy nampitovy azy ireo dia izao, ny mpaminany sandoka dia milaza izay zavatra tian'ny olona ho re, fa ny mpaminany tena izy kosa dia milaza izay zavatra tokony ho ren'ny olona avy amin'Andriamanitra. Ary matetika izany dia fananarana noho ny fahotana nataony, ny fitiavany an'izao tontolo izao, ny fanompoan-tsampy, ny fijangajangana, ny fiodinany hiala tamin'Andriamanitra, ary koa ny fiantsoana azy hibebaka (hitodika indray any amin'Andriamanitra).

Ny asa faminaniana dia tsy tian'ny olona mihitsy, na tao amin'ny Testamenta taloha izany na ao amin'ny Testamenta vaovao. Ny faminaniana ao amin'ny Testamenta vaovao moa dia mitovy ihany satria fiantsoana ny vahoakan'Andriamanitra hiverina amin'Andriamanitra indray, hiverina amin'ny Tenin'Andriamanitra, amin'ny fankatoavana ny Soratra Masina, amin'ny fankatoavana izay rehetra nampianarin'i Jesosy. Tena samy hafa be amin'ny asan'ny evanjelistra izany, ary ny Tenan'i Kristy dia tsy afaka aorin'ny mpaminany fotsiny na aorin'ny evanjelistra fotsiny.

Hampiasa fanoharana isika, ny fanatanterahana ny tapany voalohany amin'ny Hafatra lehibe (Marka 16:15) amin'ny alalan'ny asa fitoriana dia mitovy amin'ny hoe maka sakafo avy eo am-bilia ary mampiditra izany ao am-bava. Inona moa no tanjon'ny asa fitoriana rehetra ? Mba hitondra olona mbola tsy ao amin'ny Tenan'i Kristy ho tonga mpikambana ao amin'ny Tenan'i Kristy. Izany no atao hoe fitoriana filazantsara raha bangoina. Ny fitoriana ny filazantsara dia natao mba hahatonga ny olona tsy mpino, ny olona mpanompo sampy na ny olona tsy manana andriamanitra ho anisan'ny Tenan'i Kristy. Ny tanako dia mandray ny sakafo, izay mbola tsy anisan'ny tenako amin'izay fotoana izay, maka an'iny eo am-bilia ary mitondra an'iny hankao amin'ny tenako. Izany dia sary anehoana ny fitondran'ny mpitory filazantsara ny olona tsy kristiana hankao amin'ny tenan'i Kristy.

Ahoana moa no ataoko mba ahatongavan'ny sakafoko ho anisan'ny tenako ? Voalohany indrindra, dia jereko ilay sakafo ary raisiko amin'ny tanako, dia ampidiriko ao am-bavako. Izany no fitoriana filazantsara, izany hoe maka olona tsy mpino dia mitondra azy hankao amin'i Kristy. Kanefa io sakafo io raha mijanona ao am-bavako fotsiny dia tsy ho tonga ampahany amin'ny tenako raha avelako ao. Ho lo fotsiny ao izany ka haloan'ny vavako. Betsaka ny olona no manangan-tanana sy manisy sonia karatra maha kristiana ary milaza fa efa nanatona an'i Kristy. Izany dia mitovy amin'ny sakafo tehirizina ao am-bava. Mandeha mitsidika an'ireny olona dimanjato izay nanao sonia karatra ireny ianao avy eo, dia mety mahita olona anankiray tonga mpianatry ny Tompo tokoa. Efa nivily lalana ny 499. Izany foana no mitranga. Tsy ampy ny mitondra sakafo ao am-bava fotsiny. Tsy maintsy mitsako ilay sakafo ny nify, ary avy eo dia midina amin'ny tenda iny ka mankany amin'ny vavony izay mamoaka karazana asidra maro mamotipotika azy. Manomboka eo dia tsy ovy intsony ny ovy, tsy mofo intsony ny mofo, tsy vary intsony ny vary. Mbola hovana endrika ihany izany aorian'ny diangana fandevonan-kanina sy zavatra maro hafa ao anatin'ny vatana ary amin'ny farany ilay sakafo dia tonga ampahany tanteraka amin'ny vatanao. Asa milamina be izany, voalohany dia mandray ny sakafo sy mitondra izany ao am-bava, asa fitoriana filazantsara izany. Fa aorian'izany kosa, ireo taova rehetra ao anatin'ny vatana dia manohy ny asa izay tsy ho vitan'ny tanana mihitsy. Dia tahaka izany koa, ny asa ataon'ny mpiasa sasany dia tsy ho vitan'ny evanjelistra na oviana na oviana, tahaka ny asa faminaniana, ny asa fampianarana ny tenin'Andriamanitra, ny asan'ny mpiandry, ny asan'ny apôstôly, ireo rehetra ireo dia manamboatra ny olona ho tonga mpikambana velona sy mahavita asa sy mahomby ary mahery ao amin'ny tenan'i Kristy. Rehefa afaka herinandro vitsivitsy ilay sakafo dia tsy ovy na mofo intsony, fa efa tonga nofo sy rà ary taolana. Dia tahaka izany koa ny tokony hitranga amin'ny olona rehetra tsirairay izay entin'ny evanjelistra ao amin'i Kristy.

Koa inona ary ny anjara asa lehibe kokoa ? Ny an'ny evanjelistra ve sa ny an'ny mpaminany sa ny an'ny mpiandry sa ny an'ny mpampianatra ? Izany dia mitovy amin'ny mametraka fanontaniana hoe "Ny tanana ve no lehibe kokoa sa ny nify sa ny vavony ?". Tsy azo ampitahaina ny taova ao anatin'ny vatana satria raha tsy maka ny sakafo ny tanana ka mampiditra an'izany dia tsy afaka manao na inona na inona ny nify sy ny vavony. Ary raha manao ny asany ny tanana ka mitondra ny sakafo ao am-bava kanefa tsy manao na inona na inona ny nify sy ny vavony dia ho very maina ny sakafo. Noho izany dia tsy misy antony hieritreretantsika hoe ny evanjelistra no lehibe kokoa noho ny mpaminany, na ny mpaminany no lehibe kokoa noho ny evanjelistra. Ny anjara asan'ny anankiray dia mety ho lehibe kokoa ny fijerintsika azy, kanefa samy ilain'ny vatana ireo anjara asa anankiroa ireo. Andriamanitra dia efa nanapaka fa ny mpikambana rehetra tsirairay ao amin'ny tenan'i Kristy dia tsy maintsy salama sy matanjaka avokoa ka mila mahavita ny anjara asany.