WFTW Body: 

Ny zavatra voalohany indrindra nampianarin'i Jesosy rehefa nahazo hosotra tamin'ny Fanahy Masina Izy dia hoe tsy velona isika raha tsy mandray ny teny aloaky ny vavan'Andriamanitra. Tsy afaka manatanteraka ny fikasan'Andriamanitra ary tsy afaka manome fahafahampo an'Andriamanitra isika raha manompo fe manompo Azy fotsiny. Ny ankamaroan'ny kristiana dia afa-po amin'ny hoe "Ho an'ny Tompo no anaovako an'ity", "Ho an'ny Tompo no anaovako an'iry", "mitaiza zaza kamboty aho", "Mitantana sekoly biblika aho ary manampy olona", "manome vola an'ireny olona sahirana sy mahantra ireny aho" ary hoe "mankany an'anona aho dia manao an'izao sy izao". Ny hanao zavatra ho an'ny Tompo foana no eritreretin'izy ireo. Tsy manao tsinontsinona an'izany aho. Mila manompo ny Tompo isika mandra-piveriny araka ny voalaza ao amin'ny 1Korintiana 15:58 hoe "Miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo". Izany ny ahy no tiako hatao mandra-pahatapitry ny androko, mandra-piverin'ny Tompo, "mikely aina mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo". Tsy hatsahatro mihitsy ny fanompoana ny Tompo. Noho izany dia tsy manao tsinontsinona an'izany aho.

Heveriko fa tsy maintsy manompo isika, saingy milaza kosa aho fa zava-dehibe kokoa noho ny manompo ny mandray ny Tenin'Andriamanitra. "Tsy fanompoana an'Andriamanitra ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra". Izany no teny naloaky ny vavan'i Jesosy voalohany indrindra taorian'ny nanosoran'ny Fanahy Masina Azy, koa tsy maintsy misy dikany lehibe izany. Tamin'ny zavatra rehetra nampianarin'i Jesosy dia izao no zava-dehibe indrindra : mianara mandray tsy tapaka ny Tenin'Andriamanitra isan'andro. Tsy maintsy andinin-tSoratra Masina vao androany no raisinao androany.

Taloha dia tsy nanana Baiboly tahaka antsika amin'izao fotoana izao ny olona. Tombony lehibe ho antsika ny fananantsika Baiboly. Tsy maintsy mamaky Baiboly isan'andro isika raha natao handray Tenin'Andriamanitra isan'andro. Taloha, tamin'ny mbola tsy nisy Baiboly dia afaka nandray ny Fanahy Masina ny olona hampahatsiaro azy izay Teny nolazain'ny Apôstôly taminy. Ny kristiana tsy manana Baiboly satria nogadraina noho ny finoany, dia mbola afaka mandray ny Tenin'Andriamanitra isan'andro na tsy misy Baiboly misokatra aza eo anoloany satria efa namaky ny Tenin'Andriamanitra izy fony tsy mbola nigadra. Izany no maha zava-dehibe tokoa ny mamaky sy misaintsaina ny Tenin'Andriamanitra, satria amin'ny andro mahory anao dia homen'Andriamanitra andininy anankiray amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ianao hamahana ny olanao. Koa mamonjy antsika amin'ny andro mahory izany sady teny fampanantenana azontsika takiana.

Naseho tamin'ny alalan'ny tantara anankiray izany ao amin'ny Lioka 10:38-42 . Vakiantsika ao ny nankanesan'i Jesosy tao an-tranon'i Maria sy Marta. Nampandroso an'i Jesosy tao an-trano i Marta ary nandeha nikarakara sakafo avy eo. Fa Maria rahavaviny kosa nipetraka teo anilan'ny tongotr'i Jesosy ka nihaino ny teniny. Alaivo io dia ampifandraiso amin'ilay teny novakiantsika tetsy aloha hoe "Tsy sakafo ihany no iveloman'ny olona fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra". Anankiroa ny safidy eto : sakafo sy fipetrahana eo an-tongotr'i Jesosy. Moa zava-dehibe ve ny sakafo ? Eny tokoa. Kanefa zava-dehibe kokoa ny mandray ny teny aloaky ny vavan'Andriamanitra. Tena hitantsika mazava be izany avy tamin'izy mirahavavy.

Marta dia variana tamin'ny fikarakarana sakafo. Sakafo ho an'iza moa ? Tsy ho an'ny tenany. Tsy olona tia tena velively i Marta. Mba fantatrao ve ny habetsaky ny raharaha atao amin'ny fanamboarana sakafo ho an'olona noana miisa 13 (Jesosy sy ireo mpianany roambinifolo) ? Sempotra mafy tany an-dakozia izy, niasa mafy, tsy ho an'ny tenany akory fa ho an'ny Tompo. Nandany ny volany izy, nandeha niantsena, nividy zavatra hatao sakafo ho an'ny Tompo. Nandany ny fotoanany, ny volany, ny heriny ary nanana fahafoizan-tena niasa ho an'ny Tompo. Mety ho tahaka azy koa ianao. Mety mahafoy ny fotoananao, ny volanao ary ny herinao amin'ny fanaovana zavatra maro ho an'ny Tompo etsy sy eroa. Tsara izany. Mety hieritreritra ianao, tahaka ny mety nieritreretan'i Marta hoe "Eny e, rehefa vitako avokoa ny zavatra rehetra ka mankany amin'ny Tompo aho dia hilaza amiko Izy hoe 'tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky. Nahavita asa lehibe ianao!'". Kanefa tsy izany no henony. Rehefa nankany amin'i Jesosy izy dia tezitra am-po tamin'i Maria rahavaviny. Rehefa tsy misy fiadanana ao am-pon'ny olona anankiray dia midika izany fa misy zavatra tsy mety. Tsy nanam-piadanana i Marta. Nanontany tena izy hoe "Fa maninona i Maria no tsy tonga manampy ahy?". Dia nobedesin'i Jesosy izy. Hoy Jesosy "Marta, tsy ny sakafo no zava-dehibe indrindra. Ny mihaino ny Teniko dia zava-dehibe lavitra ary izany no efa nofidin'i Maria ka tsy halaina aminy" (Lioka 10:42). Hitanao ve ny tian'i Jesosy nolazaina tamin'ny hoe "Tsy sakafo ihany no iveloman'ny olona?" Inona moa no notadiavin'i Jesosy voalohany tamin'i Marta ? Izany asa aman-draharaha rehetra izany ve ? Inona no tadiavin'i Jesosy aminao ? Tsara ny fanompoana. Vakiantsika taorian'izany fa nanompo an'i Jesosy i Maria tamin'ny nandrarahany menaka manitra teo amin'ny tongotr'i Jesosy. Koa fantatsika fa zava-dehibe ny fanompoana. Kanefa ny zavatra voalohany, lehibe dia lehibe indrindra dia ny mandray ny Tenin'Andriamanitra. Izany no nampianarin'i Jesosy.

Ny lesona tsy maintsy ianarantsika voalohany indrindra dia hoe zavatra iray loha no ilaina. Tsy zavatra dimy amby roapolo. Voalaza ao amin'ny Lioka 10:42 fa tokony mipetraka eo an-tongotr'i Jesosy isan'andro isika, tokony manana izany fahazarana izany amin'ny fotoana rehetra, ary tokony handray lazain'i Jesosy amintsika manokana.

Mirary taona vaovao feno hasambarana ho anao.