WFTW Body: 

Fahazavana sy Fitiavana Andriamanitra (1 Jaona 1:5 ; 4:8). "Mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo atonina" Izy (1 Timoty 6:16). Ary satria masina Andriamanitra dia miantso antsika ho masina koa Izy.

Ho antsika olombelona, ny fahamasinana dia tsy azo raha tsy amin'ny alalan'ny fakam-panahy. Nohariana tsy nanan-tsiny i Adama, tsy nahalala ny tsara sy ny ratsy akory aza izy. Tian'Andriamanitra ho masina anefa i Adama, ary noho izany dia navelan'Andriamanitra halaim-panahy izy.

Ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia Andriamanitra mihitsy no namorona azy ary tsy nisy ratsy tao amin'ilay hazo. Nisy an'io hazo io tao amin'ilay tontolo izay nilazan'Andriamanitra hoe "tsara indrindra izany" (Genesisy 1:31). Tsara indrindra izany satria nanome fahafahana hahatonga an'i Adama ho masina amin'ny fanoherany ny fakam-panahy.

Hoy ny Baiboly "ataovy ho fifaliana avokoa raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa hianareo" (Jakoba 1:2) satria ny fakam-panahy dia manome fahafahana handraisantsika ny fahamasinan'Andriamanitra (Hebreo 12:10) mba "ho tanteraka sy tonga ohatra" isika (Jakoba 1:4).

Rehefa mijery ny fahamasinan'i Jesosy isika dia tsy mijery ilay fahamasinana voajanahary nananany tamin'ny naha-Andriamanitra Azy satria raha izany dia tsy fianarana ho antsika Izy. Fa tsy maintsy hitantsika hoe olona "natao tahaka ny rahalahiny" Izy ary "nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika kanefa tsy nanota" (Hebreo 2:17 ; 4:15).

Jesosy no "Mpialoha antsika" (Hebreo 6:20), izay efa nanao ny fihazakazahana tokony hataontsika, ka efa nanokatra ny lalana halehantsika. Ary noho izany dia hoy Izy amintsika "Manaraha Ahy" (Jaona 12:26). Ary rehefa mijery an'i Jesosy efa nihazakazaka talohantsika isika dia afaka mihazakazaka amin'ny faharetana, ka tsy mba ho ketraka na ho reraka ny fanahy (Hebreo 12:1-4).

Efa nihatra tamin'i Jesosy ny fakam-panahy rehetra mety ho azon'ny olona na iza izy na iza. Nalaim-panahy "tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika" Izy. Ampianarina mazava tsara izany ao amin'ny Hebreo 4:15. Ary fampaherezana ho antsika izany. Tsy nisy hery nampiasain'i Jesosy ka tsy omen'Andriamanitra antsika amin'izao andro izao. Azon'ny fakam-panahy Izy ary nandresy ny fakam-panahy, tamin'ny naha-olona Azy, tamin'ny hery nomen'ny Ray Azy tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina.

Lazain'i Satana mandrakariva amin'ny olona fa mavesatra ny didin'Andriamanitra ary tsy vitan'ny olona ny mankato an'izany. Tonga tamin'ny naha-olona Azy Jesosy ary nampiharihary ny laingan'i Satana tamin'ny fiainany feno fankatoavana tanteraka. Raha sendra misy fakam-panahy tsy maintsy resentsika na didin'Andriamanitra tsy maintsy hankatoavintsika kanefa tsy mba natrehin'i Jesosy, dia afa-tsiny isika raha manota amin'izay fotoana izay. Ary raha nanana fiainana tonga lafatra Jesosy kanefa tsy tao aminy ny fahalemen'ny nofontsika, na koa nisy hery nananany kanefa tsy ananantsika, raha izany dia tsy azontsika atao modely ny fiainany, ary tsy hahazoana fampaherezana avy amin'izany isika amin'ny fotoanan'ny fakam-panahy. Kanefa efa nasehon'i Jesosy tamin'ny alalan'ny fiainany tamin'ny naha-olombelona Azy tety an-tany, fa ny hery atolotr'Andriamanitra antsika dia ampy hanatanterahana ny lalàny izay hitantsika ao amin'ny Teniny.

"Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota " (Hebreo 4:15).

Ny fiainan'i Jesosy tsy nisy ota dia fanehoan'Andriamanitra amin'izao tontolo izao fa amin'ny herin'ny Fanahy masina dia azon'ny olombelona atao ny mandresy tanteraka ny ota sy mankato an'Andriamanitra amin'ny fifaliana. Raha mitoetra ao aminy isika dia MAHAY "mandeha toy izay nandehanany koa" (1Jaona 2:6).