WFTW Body: 

Azo oharina amin'ny hopitaly ny Tenan'i Kristy. Rehefa mandeha mamonjy hopitaly ny marary anankiray, dia misy sampan-draharaha maro ao amin'ilay hopitaly hitsaboana azy. Mety mila tsindrona ilay marary, na mila orina ny hozatra, na mila fandidiana. Mety mila mijery dokotera maso izy na dokotera sofina. Noho izany dia misy sampan-draharaha maro samy hafa ao amin'ny hopitaly. Ny dokotera maso dia tsy manao afa-tsy mijery ny mason'ny olona dia izay ihany. Tsy midika akory izany hoe manao tsinontsinona ireo faritra hafa eo amin'ny tenan'ny olombelona izy, fa noho izy manam-pahaizana manokana momba ny maso.

Ao amin'ny Tenan'i Kristy koa dia samy manana ny talentany sy ny niantsoana azy ny mpino tsirairay. Ary ny olona tsirairay mandeha irery dia tsy mitovy lanja fa mirona. Jesosy Kristy Tompo irery ihany no olona mitovy lanja tsara tety ambonin'ny tany. Fa isika rehetra izao, na izay mendrika indrindra amintsika aza dia tsy misy ampy lanja fa mitongilana. Ny ahafahantsika mitovy lanja sy mitombina tsara dia ny fiarahantsika miasa amin'ireo rahalahy sy anabavy ao amin'ny sampan-draharaha hafa ao amin'ny hopitalin'ny Tompo. Koa tsy misy mahazo miolonolona irery ao amin'izany hopitaly izany !

Ny hopitaly mendrika tsara dia manana sampan-draharaha maro misahana izay rehetra mety hilain'ny olona. Dia torak'izany koa, ny Tenan'i Kristy dia manana asa fanompoana samy hafa sy fanomezam-panahy maro mba hamonjena ny olona. Tsy misy fiangonana anankiray na vondrona anankiray manana ny fanomezam-pahasoavana rehetra. Fa ao amin'ny Tenan'i Kristy iray manontolo kosa dia misy azy rehetra.

Tsy maintsy fantarintsika hoe inona ny antso manokana niantsoana antsika ao amin'ny Tenan'i Kristy.

Izao tontolo izao dia feno olona marary ara-panahy. Ary tsy misy aretim-panahy tsy misy fanafana. Ny olona rehetra dia azon'ny Tompo sitranina tanteraka avokoa. Izany no vaovao mahafaly torian'ny filazantsarantsika. Ny mpanota indrindra sy ny ratsy fanahy indrindra dia azo sitranina avokoa ao amin'ny hopitalin'ny Tompo. Ny hopitaly tena mendrika dia tsy mba handà olona marary mafy mihitsy. Ireo hopitaly tsotsotra no manao an'izany satria tsy ampy ny fitaovana ao aminy hitsaboana ireo marary mafy. Dia torak'izany koa, ny fiangonana mendrika dia tsy mba hilaza amin'ny mpanota faran'izay ratsy eto an-tany mihitsy hoe tsy misy fanantenana intsony ny aminao! Ny fiangonana mendrika dia mahay manova ny mpanota ratsy indrindra ho tonga olo-masina tsara indrindra, raha toa ka vonona ny hanaraka ny fitsaboana ilay mpanota.

Azontsika oharina amin'ny vatan'ny olombelona koa ny fiangonana. Ao anatin'ny vatan'ny olombelona dia samy manana ny anjara asany avokoa ny rantsana sy ny taova rehetra. Ary ny rantsana anankiray na ny taova anankiray dia tsy mifantoka afa-tsy amin'ny anjara asany ihany. Kanefa mankasitraka sy manome lanjany ary miara-miasa amin'ireo taova sy rantsana manana anjara asa hafa izy. Izany no tokony ho izy rehefa miara-miasa amin'ireo olona manana anjara fanompoana hafa ao amin'ny Tenan'i Kristy isika.

Ao amin'ny Korintiana voalohany toko faha-12 dia ny maso, ny sofina, ny tanana ary ny tongotra no anehoan'ny Fanahy Masina an-tsary ny fomba fampiasana ny fanomezam-pahasoavana ao amin'ny Tenan'i Kristy.

Tena mankasitraka ny ataon'ny tànana ny vavony, kanefa tsy miezaka hanao ny anjara asan'ny tànana izy. Ohatra, tsy handeha handray ny sakafo ao anaty lovia izy. Avelany aloha ny tànana hanao an'izany ary rehefa avy eo dia ataony ny anjara asany amin'ny fandevonana ny hanina noraisin'ny tanana sy nalefany tany aminy! Izany dia sary anehoana ny fifamenoan'ny samy kristiana ao amin'ny Tenan'i Kristy.

Ny ankamaroan'ny mpino dia tsy mbola nahita ny fahamarinana mikasika ireo anjara fanompoana samy hafa ao amin'ny Tena ireo. Kanefa raha tsy mahita izany fahamarinana izany ianao dia tsy ho vitanao mihitsy izay zavatra rehetra tian'Andriamanitra ataonao.

Tsy nisy mpaminany na iray aza tao amin'ny Testamenta taloha ka ampy lanja tao amin'ny asa fanompoany. Ireo mpitory fivavahana fetsifetsy ihany no miezaka ho "ampy lanja". Ny mpaminany rehetra dia tsy nisy nitovy lanja fa nirona. Iny zavatra anankiray iny foana no nohamafisiny sy naverimberiny tsy nisy farany, satria izay no zavatra nilain'ny Isiraely na nilain'ny Joda tamin'ny androny. Izay ilay vesatra napetrak'Andriamanitra tao am-pony.

Tokony hazava tsara ao anatin'ny saintsika ny asa niantsoan'Andriamanitra antsika.

Ny vesatra apetraky ny Tompo ao am-pontsika matetika dia famantarana ny asa fanompoana notendreny hataontsika ao amin'ny Tenany.

Izaho akory tsy miteny hoe vao mirotsaka amin'ny asa fanompoana isika dia fantatsika avy hatrany ny fanomezam-pahasoavana sy ny antso nomena antsika. Ny ahy dia 15 taona taorian'ny niovako fo voa tena nazava tamiko ny anjara asa fanompoako. Mety tsy hiandry elabe tahaka izany ny anao. Mety latsaka noho izany. An'Andriamanitra ny fotoana. Kanefa tsy maintsy mazava tsara aminao fa manana asa fanompoana tokana sy miavaka ianao ao amin'ny Tenan'i Kristy, izay tsy azon'olon-kafa tanterahina. Ary izany asa fanompoana izany dia tsy ampy lanja velively mihitsy. Tsy maintsy mitongilana foana. Tsy maintsy tadiavinao izay hampijoro sy hampitombina izany amin'ny fiarahanao miasa sy fiarahanao miombom-po amin'ny olona manana anjara fanompoana hafa ao amin'ny Tena. Tahaka izany no fomba itehirizan'ny Tompo antsika ao anatin'ny fanetren-tena, amin'ny fanereny antsika hiankina amin'ny hafa. Deraina ny Tompo!