WFTW Body: 

Ny zavatra tsy maintsy ankafizintsika indrindra dia ny mahafantatra an'Andriamanitra bebe kokoa hatrany, satria izay ilay fiainana mandrakizay. Ny fotoana rehetra any amin'ny mandrakizay dia holaniantsika hahafantarantsika an'Andriamanitra bebe kokoa hatrany. Izany no mahatonga ny mandrakizay tsy mankaleo mihitsy ho an'ny olona te-hahafantatra loatra an'Andriamanitra. Ary amin'izany dia tsy hankaleo intsony koa ny fiainantsika eto an-tany. Andeha hianatra zavatra anankiray momba ny fiainan'Andriamanitra sy ny làlan'Andriamanitra isika avy ao amin'ny Genesisy toko faha 2, tamin'ny fomba nitondran'Andriamanitra an'i Adama. Hitantsika ao fa Andriamanitra no nahita hoe nila vady i Adama ary Andriamanitra no nanome azy izay nilainy sy nanao vady ho azy. Dia hitantsika amin'izany ny tena toetran'Andriamanitra. Andriamanitra dia mailo mandrakariva amin'izay mahory ny olona ary ataony izay rehetra azony atao hanomezany azy ireo izay ilainy. Rehefa miombon-toetra amin'Andriamanitra isika, dia hanahaka ny toetrany koa ny toetsika, izany hoe ho mailo isika amin' ny zava-mahory sy ny olana maro manjo an'ireo olona manodidina antsika ary ataontsika izay rehetra azontsika atao mba hanomezana azy ireo izay ilainy ! Matetika dia mitaky fahafoizan-tena be avy aty amintsika izany. Noho izany dia tsy maintsy manontany tena isika na tena vonona na tsia ny handoa ny saran'izany fiombonan-toetra amin'Andriamanitra izany.

Ny toetra nolovantsika tamin'i Adama dia mifanohitra tanteraka amin'izany toetran'Andriamanitra izany. Ny fiainan'i Adama dia fiainana tia tena sy fiainana mahatonga ny olona ho mailo amin'ny zava-mahory azy sy ny ankohonany irery fotsiny. Raha ny tena marina dia feno fitiavan-tena sy fialonana loatra izany fiainantsika izany ka tsy tiantsika ho azon'ny hafa akory izay maha-ory azy na dia olon-kafa aza no manome azy izany. Vao mainka aza mahafaly antsika ny mahita olona mijaly.

Rehefa nanota ny olombelona dia napetrak'Andriamanitra teo anoloan'ny hazon'aina ny kerobima sy ny sabatra izay miodina manondro any amin'ny lafiny rehetra mba hiambenana ny lalana mankany amin'izany hazo izany. Ny hazon'aina dia anoharana ny fiainana mandrakizay, dia ny fahafantarana an'Andriamanitra. Tamin'ny alalan'io sabatra napetraka teo anoloan'ny hazon'aina io no nanehoan'Andriamanitra an'i Adama an'ohatra fa na iza na iza te-hiombona amin'io hazon'aina io dia tsy maintsy iharan'ny fianjeran'izany sabatra izany aloha ny fiainany feno fitiavan-tena. Vakiantsika ao amin'ny Genesisy 3:21 fa raha vao nanota Adama sy Eva, dia namono biby tao Edena Andriamanitra ary nampiakanjoiny azy ireo ny hoditr'ilay biby. Mbola lesona mitovy amin'izany ihany no nampianarin'Andriamanitra azy teto, hoe ny fomba tokana hitafian'izy ireo ankehitriny dia amin'ny alalan'ny fahafoizan-tena sy ny fahafatesana. Tamin'ny voalohany Adama sy Eva dia nanandrana nanafy tena nefa tsy nisy "fahafatesana", fa tamin'ny ravin'aviavy fotsiny. Narian'Andriamanitra anefa ireny ravin'aviavy ireny fa nasehony azy ireo kosa ny fomba tokony hitafiany. Koa hitantsika amin'izany fa hatrany am-boalohany mihitsy no efa nanamafisan'Andriamanitra fa ho antsika olombelona dia ny fahafoizan-tena no lalana mankany amin'ny firaisana amin'Andriamanitra sy ny fitafiana ny toetran'Andriamanitra.

Nolazain'Andriamanitra tamin'i Kaina fa ny fototry ny olany dia noho izy " tsy tsara toetra" tamin'i Abela rahalahiny (Genesisy 4:7 ). Joda dia niresaka momba ireo olona izay mandeha ao amin'ny " lalan'i Kaina" (Joda 11). Iza avy moa izany ? Ireo olona izay tsy tsara toetra amin'ny rahalahiny. Tsara raha manao fandinihan-tena am-panahy momba izany isika rehetra. Afaka milaza amin'ny fo tsy miangatra ve ianao fa mirary ny soa indrindra ho an'ny rahalahy sy anabavy rehetra ao amin'ny fiangonanao ary koa ho an'ny fianakavian'izy ireo ? Azonao lazaina koa ve fa mirary ny soa indrindra ianao ho an'ireo mpino fantatrao any amin'ny antokom-pinoana hafa ? Raha izany dia itaro ho lehibebe kokoa hatrany ny faribolana ary aoka hanontany tena indray ianao raha mirary ny soa indrindra ho an'ny olona rehetra fantatrao, ao anatin'izany ny havanao sy ny fahavalonao ary ireo olona nanisy ratsy anao. Raha tsapanao fa misy korontana ao am-ponao (fa tsy fifaliana) rehefa misy soa azon'ny olona anankiray na azon'ny zanany, na koa rehefa tsapanao fa fifaliana no tonga ao am-ponao (fa tsy alahelo) rehefa misy ratsy mihatra amin'iny olona iny na amin'ny fianakaviany, dia inona no asehon'izany toetranao izany ? Izao fotsiny ihany, ilay fiainan'i Adama dia mbola velona be sy mikofokofoka ao anatinao.

Raha valianao amin'ny fo tsotra ireo fanontaniana ireo, vetivety ihany dia ho hitanao na mandeha eo amin'ny lalan'i Kaina ianao na tsia. Tsy maintsy ataonao haingana izay hamonoana an'ilay fiainana ratsin'i Adama ao anatinao, raha tianao hitoetra mandrakariva ao aminao ny afo sy ny hosotr'Andriamanitra.

Rehefa latsaka amin'ny tany ihany ny voam-bary ka maty TANTERAKA vao hahavokatra be. Ny olona efa maty tanteraka ny maha-izy azy dia tsy mety tafintohina intsony, na inona atao aminy na inona tsy atao. Ho tsara toetra amin'ny olon-drehetra foana izy. Tsy hety tezitra mihitsy izy na inona na inona zavatra mikasika ny tenany ary tsy hifanditra na amin'iza na amin'izay mihitsy izy. Tsy handrotsa-dranomaso na indray mitete aza izy noho ny alahelony ny tenany, satria azo antoka fa ny olona efa maty tsy mitomany any am-pasana !!

Nanjombona ny tarehin'i Kaina rehefa tsy tsara toetra tamin'ny rahalahiny izy (Gen. 4:6). Mety tsy tsapantsika, fa ny toetra ao anatin'ny fontsika ao matetika dia hita taratra eny amin'ny tarehintsika. Raha tsara toetra amin'ny olona rehetra ianao dia hibaliakan'ny fifalian'ny Tompo foana ny tarehinao. Marobe ny mpino no mandeha ao amin'ny lalan'i Kaina. Ao ambadiky ny tsiky malefak'izy ireny sy ny "Deraina ny Tompo" apololotry ny molony, dia misy toetra ratsy ataony amin'ireo mpiara-mivavaka aminy. Rehefa misy olona manandrina anao sy manisy ratsy anao, dia ampiasain'Andriamanitra ireny olona ireny ho tonga fitiliana hijerena izay tena toetry ny fonao marina. Raha tsy vitanao ny mitia ireny olona ireny, dia hasehon'ny valin'ny fitiliana fa TSY mbola mpiombon-toetra amin'Andriamanitra ianao, satria ny toetran'Andriamanitra dia toetra tia olona, tia na dia ireo fahavalony aza. Jesosy dia tsara toetra na dia tamin'i Jodasy Iskariota aza.

Andriamanitra dia mirary ny soa indrindra ho an'ny olona rehetra. Ny hafatra omen'ny filazantsara dia izao, afaka miombona amin'izany toetran'Andriamanitra izany koa isika. Ireo olona izay mbola tsy nahatakatra ny filazantsara tahaka izany dia mbola tsy nahatakatra ny filazantsara velively.