WFTW Body: 

"Koa mihainoa ahy hianareo, anaka, fa sambatra izay manaraka ny diako. Minoa anatra ka hendre fa aza mandà. Sambatra (tahian'Andriamanitra) izay olona mihaino ahy (izay manongilan-tsofina mihaino izay lazaiko) miari-tory mandrakariva (miambina isan'andro) eo am-bavahadiko" (Ohabolana 8:32-34). Manana ny lalànany ny fahendrena ary raha arahinao izany lalàna izany dia ho sambatra tokoa ianao. Inona no antony ilazan'io andininy io hoe "miambina isan'andro" ? Satria tsy azoko atao be famatra indray mibata fotsiny ny fahendren'Andriamanitra. Isan'andro ihany no azo handraisana an'izany. Milaza i Jesosy ao amin'ny Matio 6:34 fa ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy (ao amin'io andro io). Isan'andro isika dia hiatrika fatram-paharatsiana avy amin'ny olona na avy amin'ny zava-mitranga na avy amin'ny devoly na avy amin'ny filàna ao anatin'ny nofontsika. Ary raha te hahazo fahendrena aho dia tsy maintsy mitondra ny hazofijaliako isan'andro. Hoy Jesosy "Aoka izy handà ny tenany dia hitondra ny hazo fijaliany isan'andro" mba hampiova ilay fatram-paharatsiana mihatra amiko isan'andro (izay tsy manimba na mandoto ahy tahaka ny ataony any amin'ny olona hafa) ho tonga fahendrena.

Moa fantatrao ve fa tamin'ny saribao no nanaovana ny diamondra ? Mitovy tsy misy valaka ny akoran'ny saribao sy ny diamondra. Dia karbônina izany izay niharan'ny tsindry mafy tao ambanin'ny tany tao nandritra ny taonjato maro. Ny akora izay mandrafitra ny saribao ihany no mandrafitra ny diamondra. Fiovana fotsiny no nisy : ilay saribao mainty be sy ratsy tarehy iny dia niova ho zavatra lafovidy sy sarobidy. Ny lesona azo raisina dia izao, ny fatram-paharatsiana mihatra amiko isan'andro dia afaka ovaina ho fahendren'Andriamanitra sy voninahitr'Andriamanitra raha mitondra ny hazo fijaliako isan'andro aho. Sambatra ny olona izay mihaino sy miambina isan'andro eo am-bavahadin'ny Fahendrena satria tsy azo omena mitobaka indray mandeha ny fahendrena. Ny Efesiana 5:15-16 dia miresaka momba ny fahendrena hoe "Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa fa ratsy izao fiainana izao (ratsy ny andro tsirairay)". Izay no zavatra lazaina eto, ratsy ny andro rehetra tsirairay. Noho izany dia araraoty tsara io fatram-paharatsiana mihatra aminao ao anatin'ny andro anankiray io. Aza avela hisy fotoana tokony namonoanao ny sitraponao nefa navelanao handalo fotsiny. Raha nataonao izany dia nisy ampahany tamin'ny voninahitr'Andriamanitra tsy voarainao. Raiso izay anjara fatra miseho eo aminao isan'andro satria Andriamanitra no nametraka an'izany. Tsy zavatra nipoitra tampotampoka izany. Ny anjara fahoriana izay mikapoka anao androany, na dia mety ho nanampoka anao aza, dia efa nampoizin'Andriamanitra. Izay ilay anjara voatendrin'Andriamanitra ho an'ny olona talohan'ny nahaterahany mba hahazoany fahendrena.

Vitsy dia vitsy ny olona no mahafantatra ny fomba fahazoana fahendrena satria tsy mahafantatra ny làlan'ny hazo fijaliana izy. "Sambatra ny olona izay mihaino ahy, izay miambina isan'andro ao am-bavahadiko sy miandry eo amin'ny tolàm-baravarako". Tahaka ny mpiasa mbola mpiofana mipetraka eo ivelan'ny biraon'ny Tale jeneraly, miandry izay toromarika. Aoka ianao ho tahaka izany koa, miandry ny fahendrena isan'andro. Izao no tokony ho toe-tsaintsika mandritra ny andro : "Tompo ô, omeo fahendrena aho androany. Izay ihany. Tsy mangataka anao hanafaka ahy amin'ny fahoriana aho. Tsy mangataka fiainana misosa mora aho. Tompo o, omeo fahendrena aho. Ampio aho mba hanatontosa ny planina efa nomaninao ho ahy androany".

Ahoana moa no hahafantaranao fa notahian'Andriamanitra ianao ? Araka ny voalazan'ny Ohabolana 8:35 dia rehefa mahazo ny fahendren'Andriamanitra ianao. Fa tsy hoe rehefa mahazo fisondrotana tao am-piasana na mahazo asa tsara kokoa na zavatry ny tany tahaka izany. Tsia. Fa rehefa mahazo fahendrena ianao. Amin'izay fotoana izay dia efa nahazo sitraka avy tamin'ny Tompo ianao. Rehefa azonao avy tamin'Andriamanitra ny faharetana, ny fahadiovana, ny toe-panahy tia fihavanana sy mora alahatra (toetran'ny fahendrena araka ny Jakoba 3:17).

Ao amin'ny Ohabolana 8:36 dia izao no voalaza eo amin'ny sisin'ny pejy "Fa izay diso ahy (tsy mahita ahy) kosa dia mandratra ny tenany". Ny dikan'izany dia izao, raha tsy mahita fahendrena isika eny an-dàlam-piainana eny dia mandanilany foana ny fiainantsika fotsiny na manana ny zavatra rehetra aza, na manana fahaizana Baiboly aza. Mety manana asa tsara tokoa isika na mety mpikambana manan-kaja ao am-piangonana, kanefa tsy azontsika ny tenazava-dehibe indrindra eo amin'ny fiainana raha tsy mahazo anjara tamin'ny fahendren'Andriamanitra isika mandritra ny diantsika tety an-tany. Raha very ny anjara fahendrena tokony ho noraisiko tamin'ny andro anankiray ohatra dia very mandrakizay iny. Tsy ho azoko intsony mihitsy. Ny anjara fahendrena tian'Andriamanitra ho azoko omaly dia tsy azoko alaina intsony androany. Efa lasa iny. Efa nofaritan'Andriamanitra ny fatram-pahendrena tokony ho ahy isan'andro ary raha tsy raisiko izany dia tsy ho azoko intsony. Very mandrakizay. Ny an'ny androany no mbola mety ho azoko sy ny an'ny rahampitso fa ny an'ny omaly efa tsy misy hevitra intsony. Na Andriamanitra aza tsy afaka mamerina izany amiko. Izany no tsy maintsy hanararaotantsika tsara ny fotoana satria ratsy ny andro. Enga anie aho hianatra hanova izany faharatsiana izany ho tonga fahendrena isan'andro.