WFTW Body: 

"Hianareo no fanasin'ny tany"(Matio 5:13). Tsy tamin'ny vahoaka no nilazan'i Jesosy an'izany teny izany. Tadidio fa ilay toriteny nataon'i Jesosy teo an-tendrombohitra dia natao indrindra ho an'ny mpianany ary ny vahoaka dia nipetraka nihaino. Tsy ny vahoaka mihitsy akory no fanasin'ny tany, tsy manana sira ny vahoaka. Fa ny mpianatra no fanasin'ny tany. Jesosy dia manana fahaizana manokana amin'ny fampiasana fanehoana an-tsary ary navelany hofantarintsika ny dikan'ireny amin'ny fitadiavantsika ny tsindrimandry sy ny fanambarana avy amin'ny Fanahy Masina. "Hianareo no fanasin'ny tany, fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy ? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona".

Nampiasa izany sary izany Jesosy mba hanehoany fa ny mpianany dia ho vitsy an'isa foana. Raha misy laoka iray vilia eo aminao dia sira ohatry ny ahoana no hanamamianao azy ? Tsy hanisy sira tapaky ny sotrokely akory ianao. Sira kely dia kely fotsiny dia hampatsiro an'io sakafo iray vilia io. Fa raha matsatso kosa ny sira dia tsy hampiova ny tsiron'ny sakafo na dia sira in-20 sotro aza. Koa tsy ny habetsahan'ny sira no zava-dehibe fa ny tsirony. Rehefa nilaza Jesosy hoe "Raha ny sira no tonga matsatso" (Matio 5:13), dia tsy ny habetsahan'ny sira velively no resahiny.

Ny fatran'ny sira raha oharina amin'ny habetsaky ny sakafo dia mitovy amin'ny isan'ny tena mpianatra eto an-tany raha oharina amin'ny mponin'izao tontolo izao (ary indraindray aza raha oharina amin'ny isan'ny olona ao am-piangonana!). Vitsy tokoa ny isan'ny tena mpianatra.

Kanefa ireo tena mpianatra ireo ihany no antsoina hoe fanasin'ny tany noho izy ireo miaro ny tany amin'ny fitsaran'Andriamanitra. Indray mandeha i Abrahama dia nivavaka tamin'Andriamanitra mikasika ilay tanàna ratsy fanahy hoe Sodoma izay nolazain'ny Tompo fa horavany. Nangataka tamin'ny Tompo i Abrahama (raha mbola haringan'Andriamanitra ihany ny mponina ao) hoe : "Tompo ô, andeha atao hoe olo-marina folo ihany no hitanao ao Sodoma ?" (Genesisy 18:32). Dia namaly ny Tompo hoe "Tsy handringana an'i Sodoma Aho raha misy olo-marina folo ao an-tanàna". Olona folo dia ampy mba niarovana ny tanàna tsy ho rava, kanefa tsy nisy na dia olo-marina folo aza tao, koa dia noravàna ny tanàna.

Tamin'ny andron'i Jeremia aza dia vao mainka nahenan'ny Tompo izany isa folo izany. Jeremia dia naminany tamin'ny fotoana izay efa hitondran'ny mpanjakan'i Babylona ho babo ny zanak'Isiraely (izay famaizana avy tamin'Andriamanitra). Talohan'izany fotoana izany anefa dia nandeha naminany i Jeremia. Nitory teny sy nampitandrina ny zanak'Isiraely nandritra ny 40 taona Jeremia fa tsy nety nihaino azy ny olona. Hoy ny Tompo tamin'i Jeremia "Miveziveze eny an-dàlamben'i Jerosalema hianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao an-kalalahana, fa raha mba misy olona (tsy olona folo fa olona iray fotsiny) hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny dia havelako ny helok'i Jerosalema" (Jeremia 5:1). Mahagaga izany, kanefa tsy nisy olona marina na dia anankiray aza noho izany dia lasan-ko babo ny tanàna iray manontolo.

Matetika Andriamanitra dia mijerijery olna eny ho eny tahaka izany. Ezekiela dia mpaminany tamin'izany andron'i Babylona izany koa ary niteny tamin'ny alalan'i Ezekiela Andriamanitra hoe "Nitady olona teo aminy Aho hanao mànda sy hijanona eo amin'ny banga eo anatrehako hifona ho an'ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita" (Ezekiela 22:30). Mitovy ihany ny teny nolazain'Andriamanitra : tsy ny habetsahana fa ny fahamendrehana. Tsy nitady olona 10 000 isa Izy. Na dia olona anankiray aza dia notadiaviny.

Mahavariana ny zavatra azon'Andriamanitra atao amin'ny alalan'ny olona anankiray raha tena tsy miroa fo sady azo antoka ilay olona. Eritrereto i Mosesy, lehilahy anankiray tao amin'ny Testamenta taloha izay nanafahan'Andriamanitra ny zanak'Isiraely roa tapitrisa. Tsy nisy olona ankoatra an'i Mosesy na dia iray aza teo amin'Isiraely azo natao mpitarika. Tamin'ny andron'i Elia na dia nisy lehilahy 7000 tsy nandohalika teo anatrehan'i Bala aza (sarin'ny mpino 7000 tsy manompo sampy), dia lehilahy anankiray ihany (Elia) no nahavita nampidina ny afo avy tany an-danitra. Dia izany koa ny salan'isa amin'izao andro izao. Ao anatin'ny mpino 7000 dia mety mpino anankiray monja no mampilatsaka ny afo avy any an-danitra amin'ny alalan'ny asa fanompoany na ny vavaka ataony.

Ireo olona 7000 ireo dia mety hiteny hoe "Izaho tsy manao an'izao na izaho tsy manao an'izany". Ny fijoroana vavolombelona ataony dia miiba ! "Izaho tsy mijery sinemà, izaho tsy misotro toaka, tsy miloka sady tsy mifoka sigara". Tsy mivavaka amin'i Bala izy kanefa olona iza no afaka handatsaka afo avy any an-danitra ? Izay olona mivelona eo anatrehan'Andriamanitra tahaka an'i Elia. Nanana sira i Elia.

Tahaka izany koa ny ao amin'ny Testamenta vaovao. Mba azonao eritreretina ve ny mety ho fatiantoka nahazo ny fiangonana sy ny fahavoazana mety nahazo antsika raha tsy nisy izany Apostoly Paoly izany ? Firy ny isan'ny boky tsy ho nisy tao amin'ny Baiboly ? Lehilahy anankiray fotsiny izy. Mazava ho azy fa tsy ho voasakantsakan'ny tsi-fahombiazan'ny olona anankiray akory ny asan'Andriamanitra (afaka mampiasa olona anankiray hafa Andriamanitra). Kanefa ny hitantsika ao amin'ny Soratra Masina dia mazàna mihitsy Andriamanitra no mahavita zavatra lehibe kokoa amin'ny alalan'ny olona anankiray mahafatrapo noho ny amin'ny alalan'ny olona 10 000 miroaroa fo. Izany no nohamafisin'i Jesosy rehefa nilaza tamin'ireo mpianany Izy hoe "Hianaro dia tahaka ny sira". Aza mitaraina mihitsy hoe : "vitsy dia vitsy ny isanay !"