written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana Mpianatra
WFTW Body: 

Nanarina mafy ny loholona tao Pergamosy noho izy namela olona hitory fampianarana izay mitarika ny mpiangona any amin'ny fanaon'izao tontolo izao sy manome vahana ny fahotana (Apokalkpsy 2:14;15). Mety lehilahy tsara fanahy io loholona io kanefa namela olona hitory ny fampianaran'i Balama izy. Noho izany dia meloka izy.

 

Nataon'ny Tompo tompon'andraikitra ny loholona mba hanamarina tsara fa tsy misy fampianarana manome vahana ny fahotana ao am-piangonana. Misy ny "fampianarana mahatonga ny toe-panahy araka an'Andriamanitra" (mahatonga fiainana matahotra an'Andriamanitra tahaka ny fiainan'i Kristy). Izany fampianarana tokana izany ihany no "fampianarana salama" (1Timoty 6:3). Ny fampianarana hafa rehetra ankoatr'izay dia na izy tsy salama be na tsy salama kely.

 

Nahoana moa navelan'io loholona io hisy fampianarana sadasada tao amin'ny fiangonany ? Azo antoka fa tsy mba nanitsy ny rahalahiny sy ny anabaviny mihitsy izy satria te hiseho ho lehilahy manetry tena sy malemy fanahy koa naleony nikatsaka ny voninahitra ho an'ny tenany toy izay ny soa ho an'ny fiangonana.

 

Ny "fanetren-tena" sy ny "fahalemem-panahy" dia toetra mendrika izay tsy maintsy ianarantsika avy amin'i Jesosy, arak'izay nandidiany antsika ao amin'ny Matio 11:29. Fa raha tsy izany dia ho diso ny fahatakarantsika azy.

 

Ny fanetren-tenan'i Jesosy sy ny fahalemem-panahin'i Jesosy dia tsy nahasakana Azy tsy handroaka ny mpanakalo vola teo an-kianjan'ny tempoly, tsy nahasakana Azy tsy hiteny mafy an'i Petera hoe "mankanesa ato ivohoko ry Satana" rehefa nitory fampianaran-diso i Petera hoe tokony ialan'i Jesosy ny hazo fijaliana (Matio 16:22-23).

 

Azon'i Satana atao ny mampiasa rahalahy anankiray tahaka an'i Petera mba hamitahana ny fiangonana. Satria io rahalahy io mety manampoka rano ny tenin'Andriamanitra rehefa mitory ny hazo fijaliana. Tsy maintsy lazaina hoe feon'i Satana ny toriteny tahaka izany satria mampiala ny fiangonana amin'ny lalana tian'Andriamanitra handehanany.

 

Anisan'ny andraikitra lehibe indrindra apetraka amin'ny loholon'ny fiangonana ny famaritana mazava ny lalana tokony izoran'ny fiangonana. Tsy tokony ho lalana mitondra ny mpiangona hiray amin'izao tontolo izao sy hanao marimaritra iraisana. Tsy tokony hahatonga ny olona hanahaka ny fariseo sy ny mpanora-dalàna. Tsy maintsy lalana mitondra ny olona any amin'ny hazo fijaliana, mitarika azy any amin'ny sitrapon'Andriamanitra.

 

Matetika ny mpitoriteny mitana ny fampianaran'i Balama dia olona be herimpo sy be herintsaina ary misy fiantraikany ratsy eo amin'ny mpiangona izy. Ny mpitory mahataona olona be dia tsy maintsy tia manjaka amin'ny hafa ka manakana ny olona tsy hanana fifandraisana amin'i Kristy amin'ny maha-Lohany Azy. Mahay mandresy lahatra ny olona koa izy ka mampiala ny olona amin'ny tena fivavahana ara-panahy hanarahan'izy ireo fivavahana fombafomba sy araka ny an'izao tontolo izao.

 

Rehefa tsy azon'ny mpitory tsara ny tena dikan'ny hoe mamono ny herin'ny fo sy saina dia tiany hanana fifandraisana aminy ny mpino fa tsy tiany hanana fifandraisana amin'i Kristy izay Loha. Ny mpitory tahaka izany dia dokafin'ny olona sy harahiny kanefa tsy haharesy ny fahotana ary tsy haharesy an'izao tontolo izao mihitsy izy eo amin'ny fiainany.

 

Samy hafa be ny atao hoe herin'ny fanahy sy ny atao hoe herin'ny fo sy saina ary tsy maintsy haintsika ny manavaka azy ireo. Mety misy olona mahay Baiboly be sady mahay mandaha-teny, mety tia mampiantrano rahalahy sy anabavy mihitsy aza ary manampy azy ireo amin'ny lafiny maro samy hafa. Kanefa raha tiany hanana fifandraisana aminy ny olona fa tsy hanana fifandraisana amin'i Kristy dia ho sakana amin'ny fanorenana ny Tenan'i Kristy izy.

 

Ny mpitory fivavahana mitovy amin'i Balama dia faly ery mandray fanomezana avy amin'olona (Nomery 22:15-17). Mety manampina ny masontsika ireny fanomezana ireny (Ohabolana 17:8) ka mahatonga antsika ho fatin-kenamaso ary lasa andevon'ny olona. Mety hanakana antsika tsy hilaza ny fahamarinan'Andriamanitra, tsy ahasahiantsika manitsy ireo olona nanome. Ny mpanompon'Andriamanitra dia tsy maintsy manao izay haha-olona afaka azy foana.  "Fa olom-boavidy hianareo ka aza mety ho andevon'olona" (1Korintiana 7:23).