Jesosy dia Mpanompon'i Jehovah Tompo. Ary ny zava-dehibe indrindra andrasana amin'ny mpanompo dia izao : tsy manao afa-tsy izay asain'ny tompony atao (1 Korintiana 4:2 - Baiboly Living). Nandany ny androm-piainany nihaino ny Rainy i Jesosy ary noho izany dia nahatanteraka ny sitrapon'ny Rainy rehetra Izy, tsy nisy havizanana, tsy nisy fiferotan'aina. Namono ny tombontsoan'ny tenany Izy. Tsy ara-nofo Izy fa ara-panahy.
Teo amin'ny fiainany dia nataon'i Jesosy laharam-pahamehana ny vavaka. Matetika Izy no nisintaka tany an'efitra mba hivavaka (Lioka 5:16). Indray mandeha dia nivavaka nandritra ny alina Izy hahafantarany ny sitrapon'ny Ray mba hifidianany ireo mpianatra roambinifolo (Lioka 6:12,13). Ny kristiana ara-nofo dia mieritreritra fa very maina ny fotoana laniana amin'ny fiandrasana an'Andriamanitra koa mivavaka mba hanamaivana ny fieritreretany fotsiny izy. Tsy tena fototry ny ain'izy ireo ny vavaka satria manana fahatokisan-tena izy. Ny olona ara-panahy kosa dia miantehitra an'Andriamanitra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, noho izany dia terem-panahy hivavaka izy satria antoky ny ainy izany.
Nolazain'i Jesosy fa zavatra iray loha no ilaina dia ny mihaino ny Teniny (Lioka 10:42). Ohatra anankiray amin'izany i Maria avy any Betania. Marta kosa, na dia sahirana tamin'ny fanompoana ny hafa aza dia tsy nanana fitsaharana sady nanome tsiny an'i Maria. Hitantsika teo amin'ireo mpirahavavy ireo ny fifanoheran'ny asa ara-panahy sy ny asa ara-nofo. Tsy nanota akory i Marta nanompo ny Tompo sy ny mpianatry ny Tompo. Kanefa tsy nahita fitsaharana izy sady nanakiana an'i Maria. Sary mazava tsara maneho ny asa fanompoana ataon'ny nofo izany. Ny kristiana ara-nofo dia tsy mahita fitsaharana sady mora tezitra. Tsy mbola nitsahatra tamin'ny "asany" izy ary tsy mbola niditra tao amin'ny fitsaharan'Andriamanitra (Hebreo 4:10). Manana fikasana tsara izy kanefa tsy fantany fa na dia tsara toa inona aza ny asany dia mbola "lamba mihosindrà" foana ireny eo imason'Andriamanitra, na dia aorian'ny fiovam-pony aza (Isaia 64:6).
Ny ondry tsaran'ny Amalekita (ny nofo) dia tsy neken'Andriamanitra tahaka ny tsy nanekeny ny ondry ratsy (1 Samoela 15:3,9-19). Kanefa tsy takatry ny fisainan'ny olombelona izany. Toa hadalana izany hoe ariana ny ondry tsara izay afaka natolotra an'Andriamanitra. Ny fankatoavana anefa no takian'Andriamanitra fa TSY ny fanatitra. "Ny manaraka (mankato) no tsara noho ny fanatitra" (1 Samoela 15:22). Kanefa ahoana moa no ahafahantsika mankato raha tsy mihaino izay lazain'Andriamanitra isika ? Ny fihainoana no tsy maintsy mialoha ny fankatoavana. Izany no nanambaran'i Jesosy hoe zavatra tokana no ilaina dia ny mihaino ny feony. Ny zavatra hafa rehetra dia miankina amin'izany.
Ny olona "manompo" tahaka an'i Marta, na dia tena amin'ny fahatsoram-pony aza dia ny tenany ihany no tompoiny raha ny tena marina. Tsy azo antsoina hoe mpanompon'ny Tompo ireny satria ny mpanompo dia miandry mba hahafantarany izay asain'ny tompony ataony vao manompo.
Raha mieritreritra isika fa tsy mahavita tena dia tokony hivavaka tahaka an'i Solomona hoe "Jehovah Andriamanitro ô, omeo ahy mpanomponao saina malady (fo mihaino) ho entiko mitsara ny olonao, hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy" (1 Mpitsara 3:7,9). Fantatr'i Jesosy fa tsy maintsy mihaino ny Rainy Izy raha te hanavaka ny tsara (indrindra) sy ny tsy tsara, izany hoe raha te hanavaka ny sitrapon'ny Rainy sy ny tsy sitrapon'ny Rainy.
Teo ivelan'ny vavahady Itsaraendrika tao amin'ny tempolin'i Jerosalema dia matetika Jesosy no nahita lehilahy nalemy tongotra nangataka fiantrana. Kanefa tsy nositraniny ralehilahy satria tsy nasain'ny Rainy nanao izany izy. Taty aoriana rehefa niakatra tany an-danitra Jesosy dia nositranin'i Petera sy Jaona io lehilahy io, izany hoe tamin'ny fotoana tsy diso voatendrin'ny Ray, ary ny vokatr'izany dia vahoaka marobe no nanaraka ny Tompo (Asan'ny apostoly 3:1-4;4). Izay ilay fotoana tian'ny Ray hanasitranana io lehilahy io fa tsy talohan'izay. Raha nanasitrana an'io lehilahy io Jesosy talohan'izay dia ho nanakana ny sitrapon'ny Ray izy. Fantany fa tsy mba diso ny fotoanan'ny Ray koa tsy mba maimay hanao zavatra mihitsy Izy.
Ny fiainan'i Jesosy dia fiainam-pitsaharana tonga lafatra. Ampy Azy ny 24 ora isan'andro nanatontosany ny sitrapon'ny Rainy rehetra. Fa raha nisafidy ny hanao izay rehetra hitany fa tsara Izy dia tsy ho ampy ny 24 ora tao anatin'ny iray andro ka mety ho niafara tamin'ny korontana ny androatokom-piainany. Hain'i Jesosy ny nifaly tamin'ny fanakantsakanana rehetra nihatra taminy satria nanaiky Izy fa ny Rainy dia masimandidy any an-danitra ary ny Rainy no nandamina ny fandaharam-potoanany isan'andro. Noho izany dia tsy mba sosotra mihitsy Jesosy rehefa nisy nanelingelina Azy. Ny fiainan'i Jesosy koa dia hitondra fitsaharana tonga lafatra ao anatintsika. Tsy midika akory izany fa tsy hanao na inona na inona isika. Izay planin'Andriamanitra ho an'ny fiianantsika ihany no hataontsika. Koa hazoto kokoa isika amin'ny fanaovana ny sitrapon'ny Ray noho ny fanarahana ny programa efa nofaritantsika.
Ny kristiana ara-nofo dia maniry mafy loatra ny hanao "ny zavatra tiany" koa matetika izy no mora sosotra sy mikorotan-tsaina. Ny fiafaran'ny sasany aza dia tratry ny rarintsaina na fahaketrahana ara-tsaina "dépression nerveuse" na tratry ny havizanana mafy.
Tsy azon'izany fahaketrahana ara-tsaina izany mihitsy Jesosy satria nisy fitsarahana tonga lafatra tao anatiny. Izao no lazain'i Jesosy amintsika :
"Ento ny ziogako ka mianara amiko, dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo hianareo" (Matio 11:29).
Izany ny voninahitr'i Jesosy izay asehon'ny Fanahy Masina amintsika ao anatin'ny Tenin'Andriamanitra sady tian'ny Fanahy Masina zaraina amintsika sy hasehony amin'ny alalantsika.
Ny Tompo no Mpiandry antsika ary mitondra ny ondriny any amin'ny ahi-maitso fialan-tsasatra (fitsaharana) Izy. Tsy ny ondry no mandamina ny fandaharam-potoanan'ny tenany na misafidy ny ahimaitso handehanany manaraka. Faly manaraka ny mpiandry azy fotsiny izy. Kanefa tsy maintsy foanana tanteraka ny fahatokisan-tena sy ny fiheverana ho mahavita tena vao vita ny manaraka ny Mpiandry tahaka izany. Jesosy dia nanaraka ny Rainy tamin'ny fahamoram-panahy. Fa ny kristiana ara-nofo kosa dia tsy te ho ondry, ary noho izany dia diso làlana izy noho ny fahiratsantsainy. Ny fahiratantsaina dia fanomezana mahagaga sy mahasoa indrindra avy amin'Andriamanitra. Nefa mety lasa mampidi-doza indrindra amin'ny fanomezana rehetra izany raha asandratsika sy omentsika ny toeran'ny tompo.
Nampianatra ny mpianany hivavaka ny Tompo hoe "Ray ô, hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny anaovana ny sitraponao any an-danitra". Ahoana ny fomba fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra any an-danitra ? Ny anjely any an-danitra dia tsy mifofofofo manao "zavatra ho an'Andriamanitra". Hisy korontana be any an-danitra raha izany no ataon'ny anjely. Fa inona no ataony ? Miandry eo anatrehan'Andriamanitra izy handrenesany izay andidian'Andriamanitra azy ary avy eo ny anjely tsirairay dia manatanteraka antsakany sy andavany izay asaina ataony. Henoy ny tenin'ny anjely Gabriela tamin'i Zakaria hoe : "Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra, ary nirahina hiteny aminao aho …" (Lioka 1:19). Ary izany koa no toerana noraisin'ny Tompo Jesosy, izany hoe miandry eo anatrehan'Andriamanitra, mihaino ny feony ary manatanteraka ny sitrapony.
Mety miasa mafy sy mahafoy zavatra betsaka ny kristiana ara-nofo kanefa ny fahazavana any amin'ny mandrakizay dia hampiharihary fa "nanarato nandritra ny alina izy ary tsy nahazo na inona na inona akory". Fa ireo nitondra ny hazo fijaliany isan'andro kosa (nandà ny sitrapon'ny nofony sy namono an'izany ho faty) sady nankato ny Tompo dia hisarika harato feno hazan-drano amin'izay andro izay (Jaona 21:1-6).
"Tsy misy olona varimbariana, izany hoe tsy manao ny asa nokasaiko hataony " hoy Jesosy "ka mendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra" (Lioka 9:62 - Baiboly Living). "Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin'ny Tompo mba hahatanterahanao izany" (Kolosiana 4:17).
"Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen'ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana" (Matio 15:13).
Ny zava-dehibe dia tsy hoe tsara ve ilay zavatra nambolena fa hoe iza no namboly azy. Andriamanitra irery ihany no azo ekena ho Mpamorona ka nihavian'ny zavatra rehetra. Ny Baiboly dia manomboka amin'izao teny izao : "Tamin'ny voalohany Andriamanitra …". Koa tsy maintsy izany koa no marina amin'ny asa rehetra ataontsika : tsy maintsy Andriamanitra no nihaviany fa tsy ny saintsika raha tiantsika haharitra mandrakizay ireny.
"Fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay" (1Jaona 2:17).
Ny ambiny rehetra dia ho faty avokoa.
Koa aoka isika hanontany tena hoe :
MIVELONA SY MIASA AO ANATIN'NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA VE AHO ?