WFTW Body: 

Rehefa misy ny fahamarinana vaovao mahakasika ny fon'ny mpino iray dia lasa mirona tafahoatra ao anatin'izany izy ka tsy ampifandanjainy amin'ireo fahamarinana hafa intsony ilay izy. Marina izany, indrindra indrindra rehefa mikasika ny finoana kristiana.

Tao ambanin'ny Fanekena taloha dia tsy zava-dehibe loatra ny finoana . Ny asaihany no tena nomen-danja. Tsy niresaka na inona na inona mikasika ny finoana an'Andriamanitra ny Lalàn'i Mosesy. Fa didy 613 isa kosa no nomeny, izany hoe lisitra lavabe misy ny asa tsy maintsy hataon'izay olona te hahazo sitraka amin'Andriamanitra.

Fa ao amin'ny Fanekena vaovao kosa dia izao no vakiantsika "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ; tsy avy amin'ny asa , fandrao hisy hirehareha"(Efesiana 2:8,9). Raha io andininy io fotsiny no vakiana dia maro ny mpino no manitatra lavitra loatra ka milaza fa tsy misy ilàna ny asa. Satria (araka ny voalazan'io andininy io) ny asa dia mahatonga ny olona hirehareha amin'ny zavabitany.

Inona marina anefa no tena ampianarin'ny Fanekena vaovao ? Ny fahamarinana feno dia tsy hita ao anatin'ny andinin-tSoratra Masina anankiray monja. Tao an'efitra rehefa nitatitra Soratra Masina tamin'i Jesosy ny devoly hoe "Voasoratra hoe …" (Matio 4:6). Dia izao no navalin'i Jesosy "Voasoratra hoe KOA …". Hitantsika amin'izany fa ny andininy anankiray ao amin'ny Soratra Masina matetika dia tsy maintsy ampifandanjàna amin'ny andininy anankiray (na vitsivitsy) hafa mba hahafantarantsika ny fahamarinana manontolo tsy misy diso. Raha ny Tompo Jesosy aza nezahin'i Satana nofitahina tamin'ny andinin-tSoratra Masina anankiray, tsy mainka va ny mpino ankehitriny no fitahiny amin'ny andininy anankiray manokana tsongainy. Mila mitandrina fatratra isika rehefa mianatra ny Soratra Masina mba tsy ho voafitaka. Manana elatra anankiroa tahaka ny voromanidina ny fahamarinana, ary izy roa no ampiasaina mba hampahitsy ny sidina. Raha tsy manana afa tsy elatra anankiray ianao dia ho diso lalana tanteraka na hiodinkodina am-pitoerana ka tsy afaka handroso mihitsy!

Hitantsika io fifandanjana io ao amin'ny Efesiana toko faha-2. Milaza izy aloha hoe "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha". Kanefa mba tsy hisy olona ho diso fihevitra (hanidina miaraka amin'ny "elatra tokana") dia tohizany avy hatrany eo amin'ny andininy manaraka hoe : "Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara , izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy " (Efesiana 2:8-10). Noho izany dia izao : novonjena isika TSY NOHO ireo asa tsara, FA HO AMIN' ireo asa tsara izay efa nomanin'Andriamanitra mialoha mba hataontsika.

Fifandanjana mitovy amin'izany koa no hitantsika ao amin'nyFilipiana 2:12,13. Ao dia amporisihana isika hoe "miasàamin'ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo". Dia tohizany ihany ny teniny hoe "Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony". Miasa ao anatintsika aloha Andriamanitra ary avy eo dia tsy maintsyefaintsikany asany.

Izao no voalaza ao amin'ny Jakoba 2:17,18 "ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy". Dia tohizan'i Jakoba ihany ny teniny hoe "Fa angamba hisy hanao hoe : Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa". Kanefa izao no navalin'i Jakoba (tamin'ny fanindrian'ny Fanahy Masina) : "Asehoy amiko tsy amin'ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako ". Noho izany, ny finoana tsy miteraka "asam-pinoana" dia finoana maty. Izay no maha-samy hafa ny finoana maty sy ny finoana velona.

Ny tena finoana kristiana dia hiteraka asam-pinoana foana, izany hoe, asa nateraky ny fianteherana tamin'ny Fanahy Masina. Satria izany no tena atao hoe finoana : fianteherana amin'ny Fanahy Masina, tahaka ny sampana miantehitra amin'ny hazo mba hamoazany voa. Koa raha mifandanja tsara ny fahamarinana hitantsika ao amin'ny Testamenta vaovao dia ho hitan'ny olona miharihary eo amin'ny fiainantsika izany satria hanahaka an'i Kristy isika na amin'ny fifandraisantsika ao an-tokantrano na any am-piasana. Fanahafana an'i Kristy izay nateraky ny herin'ny Fanahy Masina, tamin'ny finoana (izany hoe tamin'ny fiankinana Aminy)

Ny finoana tsy arahin'asa dia finoana maty ara-tsaina fa tsy tena finoana novokarin'ny Fanahy Masina ao am-po. Ny tena finoana kristiana dia fiankinana tanteraka amin'Andriamanitra izay hamokatra tsy tapaka ka ny voa azo dia ny fitomboan'ny fitovizantsika amin'i Kristy eo amin'ny fiainana. Etsy an-danin'izany, ny asa tsy arahin'ny finoana dia asa ataon'izay miezaka mampifaly an'Andriamanitra amin'ny herin'ny tenany ka miteraka fanamarinan-tena izay antsoin'ny Soratra Masina hoe "lamba mihosin-drà". ("Tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra" - Isaia 64:5 ).

Ny zavatra nozaraiko tato amin'ity lahatsoratra ity dia fahamarinana fototra lehibe, satriamiankina amin'izany ny mandrakizaintsika. Koa aoka tsy hisy ho diso hevitra mikasika izany isika. Ary aza manaiky fitahin'ny devoly amin'ny "finoana" sandoka izay finoana ara-tsaina fotsiny fa tsy mamokatra ilay fiainan'i Kristy ao anatinao.

Izay manan-tsofina enti-mihaino, aoka izy hihaino. Amena