written_by :   Zac Poonen
WFTW Body: 

Ny mpiara-miasa akaiky sasany tamin'i Paoly dia tsy jiosy, ohatra amin'izany i Titosy. Paoly dia olom-baventy jiosy, fariseo zanaky ny fariseo. Kanefa ny mpiara-dia taminy tsy tapaka dia dokotera grika anankiray nantsoina hoe Lioka, izay nanoratra ny Filazantsaran'i Lioka sy ny bokin'ny Asan'ny Apostoly. Nisy olona anankiray koa niara-niasa akaiky tamin'i Paoly dia i Timoty. Timoty indray dia nisy razana grika, grika ny rainy. Titosy dia grika koa. Noho izany ireo olona efatra avy amin'ny fiaraha-monina samy hafa ireo kanefa niara-niasa (Paoly, Titosy, Timoty ary Lioka) dia porofo velona ho an'ny filazantsaran'ny fanekena vaovao izay mahatonga ny olona avy amin'ny firenen-tsamy hafa afaka miara-miasa tahaka ny olona anankiray.

Raha tsy afaka miara-miasa afa-tsy amin'izay olona mitovy kolotsaina aminao sy mpiray firenena aminao ihany ianao, dia misy zavatra tsy mety izay ao amin'ny fivavahanao. Raha toa ianao ka Malayalees, ary tsy afaka miara-miasa afa tsy amin'ny Malayalees, dia mbola tsy takatrao tsara izany ny filazantsara. Ny filazantsara no nahatonga an'i Paoly niara-niasa tamin'ny olona samy hafa fiteny ary samy hafa firenena. Tsy maintsy vonona hiara-hiasa amin'ny olona avy amin'ny firenen-tsamy hafa na olona tsy mitovy toetra amintsika isika raha mpianatr'i Jesosy izy ireny. Mety ho sinoa izy, na afrikana, na rosiana, na amerikana tatsimo na amerikana tavaratra, na olona sariaka na olona saro-kenatra. Na dia tsy itovizantsika aminy aza ny toetra sy ny tany nihaviana dia azontsika atao mpiara-miasa akaiky izy ireny. Tsy maintsy ilaozantsika ny fisainana tery izay tia manavakavaka foko sy mponina, ka mahatonga antsika tsy faly raha tsy miaraka amin'ny mpiray firenena amintsika na mitovy toetra amintsika. Ary tsy maintsy mianatra miara-miasa amin'ny olona rehetra izay ao amin'ny Tenan'i Kristy isika.

Misy toetra hafahafa indraindray amantarana ny olona avy any amin'ny firenena anankiray na ao anatin'ny fiaraha-monina anankiray. Kanefa rehefa mandray an'i Kristy izy ireny dia azo esorina aminy ilay toetra. Paoly dia niteny tamin'i Titosy, fony Titosy tany Kreta, fa nisy iray tamin'ireo mpitory fivavahana Kretana nilaza hoe « Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda » (Titosy 1:12) . Mety misy fahamarinany ihany izany. Kanefa rehefa mandray an'i Kristy ny kretana tahaka izany, ka feno ny Fanahy Masina, dia tsy ho mpandainga na ho ratsy fanahy intsony izy, tsy hitondra tena tahaka ny biby, tsy ho kamo ary tsy ho be tenda. Noho izany dia tsy mahazo mitsara ny olona araka ny fireneny nihaviany na ny fiaraha-monina misy azy isika. Raha mizaha tavan'olona ireo kristiana araka ny fiaraha-monina misy azy isika,dia hijanona ho olona mahantra ara-panahy foana.

Andriamanitra dia tena nampanankarena ahy ara-panahy tokoa, tamin'ny alalan'ny fiombonako am-po tamin'ny olona samy hafa firenena maro sy avy amin'ny mponina maro, tao ny sinoa, ny afrikana, ny indiana samy hafa firazanana, ny eropeana, ny amerikana sy ny sisa. Nisokatra tamin'ireo mponina samy hafa sy olona avy amin'ny firenena samy hafa foana ny foko, satria fantatro fa ny fahatahorana an'Andriamanitra dia tsy any amin'ny firenena sasantsasany ihany no ahitana azy. Efa voamariko koa fa ny olona avy any amin'ny firenena mandroso sasany dia miavona be. Kanefa ny tena mpino avy any amin'ireny firenena ireny dia olona manetry tena. Noho izany na dia atao hoe mpandainga aza ny kretana, ny kristiana any Kreta kosa tsy mpandainga. Misy mponina any amin'ny toerana sasany izay tsy manisy hasiny ny rohim-pianakaviana. Kanefa ny kristiana mpiray monina any dia tsy voatery hitovy toetra amin'ny olona ao. Koa tsy azontsika atao mihitsy ny mitsara ny kristiana araka ny toetry ny mpiara-monina aminy. Efa olom-baovao izy izao. Noho izany antony izany dia tsy nisy olana tamin'i Paoly mihitsy ny naka ny olona hafa firenena ho isan'ny mpiara-miasa akaiky indrindra taminy.

Raha mahakamo anao ny miara-miasa amin'ny olona tsy misy itoviana aminao ao amin'ny Tenan'i Kristy, dia tsy ho vitanao ny hanatanteraka feno ny tanjon'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao. Tsy hasehon'Andriamanitra anao izay olona tokony hiara-hiasa aminao. Satria ao anatin'ny planin'Andriamanitra, dia mety ho olona hafa firenena no tiany hiara-hiasa aminao, na olona avy any amin'ny faritra hafa eo amin'ny firenenao, kanefa hitany fa tsy vonona ny hanaiky an'izany planina izany ianao.

Misy toetra tsy mendrika be dia be ao anatintsika. Izany toetra izany dia mila potipotehina vao afaka miara-miasa amin'ireo olona hafa ao amin'ny Tenan'i Kristy isika ary tsy manisy fanavakavahana na dia kely aza. Raha tsy tia miara-miasa afa tsy amin'ny olona mitovy saranga amintsika isika, dia tsy hitari-dalana antsika Andriamanitra. Mety nifidy mpiara-miasa isika dia lazaintsika fa ny Tompo no nitarika antsika hifidy azy ireny, kanefa tsy marina izany. Fa ny fanirian'ny nofontsika no mety ho nitarika antsika. Nofidiantsika izy ireny satria izy ireny no mitovy fahaizana amintsika, na mpiray monina amintsika, na mitovy toetra amintsika. Izany karazana firaisana izany dia tsara ho an'ny fanambadiana. Fa rehefa miasa ho an'Andriamanitra kosa dia tsy maintsy misokatra ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka izay fidin'Andriamanitra ho mpiara-miasa amintsika isika.