written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Tokantrano Mpianatra
WFTW Body: 

"Aza mitsara mba tsy hotsaraina hianareo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo ; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo. Ary nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao ?"

"Ary ahoana no hilazanao amin'ny rahalahinao hoe : Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin'ny masonao ; nefa, indro, ny andry eo amin'ny masonao ? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao" (Matio 7:1-5).

Isika rehetra dia mila ampahatsiahivina tsy tapaka mba hitsara tena isan'andro ary mba tsy hitsara ny hafa mihitsy.

Tsy maintsy mahay mamanta-javatra isika rehetra, kanefa ny fahaiza-mamantatra dia fahamendrehana ara-panahy ary samy hafa tanteraka amin'ny mitsara olona izay asan'ny nofo.

Ny Romana faha 14 dia toko anankiray tsy maintsy saintsainintsika matetika ho fampahatsiahivana antsika hatrany fa omen'Andriamanitra fahafahana ny Zanany any amin'ny sehatra maro.

Ireto misy toe-javatra vitsivitsy izay mety hitsarantsika ny hafa, na asehontsika ety ivelany izany na ao an-tsaintsika. Tsy azontsika atao ny milaza ny hevitsika (na maminavina ao an-tsaintsika akory aza) momba ny hafa amin'ireto zavatra ireto :

- azo atao ve ny manana fiara iray (na roa) sa tsy tsia, na hoe karazana fiara inona no tokony ananana

- azo atao goavana na mirentirenty be ve ny trano

- azo atao ve ny manana fitaovana lafovidy ao an-tokantrano

- hatraiza ny fari-pahaizana tsy maintsy ampianarana ny zanaka

- afaka mifindra toeram-ponenana na mifindra monina any ivelany ve mba hahazoana karama be

- hatraiza ny tokony habetsahan'ny fananana na ohatrinona ny tahiry tokony misy ao amin'ny banky (Mariho : tsy natao hihary harena ho antsika isika (Matio 6:19) fa didiana kosa isika hihary harena ho an'ny zanatsika (2Korintiana 12:14, 1Tim 5:8))

- afaka mipetraka (na mihinana) any amin'ny hotely na trano fandriana lafobe ve

- afaka manao firavaka ve ny vehivavy kristiana, na afaka manao akanjo lafovidy (iza moa no hamaritra hoe ohatrinona izany "lafovidy" izany), na afaka manao akanjo ambany ambony na pataloha ho an'ny vehivavy ve. (Ny Baiboly dia mandidy ny vehivavy hanao fitafy maotina, ary noho izany dia mampitandrina ny anabavy isika mba tsy hanao akanjo mampiherika olona na fohy kely na tery kely manara-batana).

- afaka manalava ny volony ve ny lehilahy (Ny natiora dia milaza fa ny lehilahy dia tokony ho "fohy volo" fa tsy nilaza na inona na inona mikasika izany Andriamanitra - 1Korintiana 11:14. Ary iza moa no hamaritra hoe hatraiza ny "lava" ary hatraiza ny "fohy")

- afaka mibory volo ve ny vehivavy. (Voninahitra ho azy ny volo lava kanefa tsy nandidy an'izany Andriamanitra - 1Korintiana 11:15. Ary iza no hamaritra hoe hatraiza ny "fohy" na hatraiza ny "lava")

- afaka mandoko volo ve

- afaka mihosotra "maquillage" ve ny vehivavy kristiana

- afaka mijery fanatanjahantena ao amin'ny télé ve sa tsia (Ny fijerena be loatra dia ho sakana amin'ny fanarahana ny Tompo satria mora lasa sampy ny sport, ary tsy maintsy ampitandremantsika ny olona izany)

- afaka manana télé ve sa tsia (Ny zavatra jerena ao no zava-dehibe)

- rehefa mieritreritra ny haka vady dia tokony jerena akaiky ve ny momba ny ara-tsosialiny sy ny harenany ary ny fari-pahaizany. Mariho anefa fa "zioga mitovy" no tsy maintsy iarahana mitondra any amin'ny sehatra rehetra (ny fanahy, ny fo sy saina "âme", ary ny vatana) ka tokony jeren'ny mpino manam-pahendrena koa ny mikasika ny fo sy saina.

- azo atao ve ny fandaniana be amin'ny mariazy na azo atao manetriketrika be ve

- sy ny sisa

Sehatra vitsivitsy ihany ireo. Azo antoka fa mbola misy sehatra maro hafa. Ny ankamaroan'ireo fanapahan-kevitra ireo dia miankina amin'ny fidiram-bolan'ny isam-pianakaviana, ary ny fidiram-bolan'ny mpino samy mpino dia misy elanelany be. Na dia tena tsotra dia tsotra aza ny fiara, ny fianarana, ny trano, ny asa na ny mariazy any an-tànan-dehibe dia mety heverin'ny olona any ambanivohitra fa rendrarendra sy haitraitra be raha ohariny amin'ny fomba fiainany. Noho izany dia tsy mahazo mifampitsara isika.

Ny lazan'ny mariazy dia tsy miankina amin'ny fandaniana ihany fa miankina koa amin'ny zotompon'ny ray aman-dreny roa tonta. Mba hitandroana ny fihavanana noho ny hevitry ny ray aman-dreny ankilany na ny an'ny mpampakatra na ny an'ny ampakarina izay tsy manana zotom-po loatra dia mety miova ny fanapahan-kevitra farany amin'io resaka io. Noho izany dia tsy azontsika atao ny mitsara ny fomba fikarakaran'ny olona ny mariazy.

Mora mitsara ny fandaniana be ataon'ny olona isika any amin'ny sehatra izay tsy andaniantsika loatra. Ny ankamaroan'ireo mitsara any amin'ny zavatra anankiray ao amin'ireo voalaza etsy ambony ireo dia matetika izy ireo manao fandaniana be any amin'ny zavatra hafa. Kanefa hajambain'ny fanahy tia mitsara olona izy ka tsy mahita ny tsy mety ataony. Noho izany dia aleo tsy mitsara ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny hafa.

Mila mianatra "tsy miditra amin'ny fiainan'ny olona" isika ary tsy mahazo mandidy ny hafa hanao an'izao na izao. Raha tsy izany dia ho tonga mpanamarin-tena tahaka ny Fariseo isika izay "mpiraharaha ny an'olona" (1 Petera 4:15). Ny tsara dia mamela ny olona hanao zavatra araka ny feon'ny fieritreretany.

Ny tokony toriantsika voalohany indrindra ao am-piangonana dia ny fanoherana ny fahotana sy ny fanoherana ny fitiavam-bola. Ary tsy tokony hanome torohevitra isika raha tsy ny olona no mangataka amintsika. Raha tsy hoe angaha misy fitondran-tena maloto hita miharihary fa manimba ny fiangonana.

Amin'ny resaka ara-bola kosa dia tsy maintsy mamporisika ny mpino rehetra isika mba tsy hihoatra ny fefin'ny fahefa-mividiny. Ny fitrosana dia fihoarana ny fefy fiarovana natsangan'Andriamanitra manodidina antsika. Jereo ny Mpitoriteny 10:8b Ary izay mandrava fefy vato no hokekerin'ny menarana (amin'ny teny hebreo ny kaikitry ny menarana dia "nashak" izay tena mifanakaiky amin'ny teny hebreo hoe "trosa" na "nasha"). Tsy maintsy amporisihantsika ny mpino hanao araka izay azo atao mba tsy hidi-trosa mihitsy, raha tsy tena hoe tsy azo ihodivirana (ohatra hoe vonjy aina na fitsaboana na rehefa mividy trano na manorina trano na mividy fiara sy ny sisa). Ary raha arahin-trosa ny olona dia tsy maintsy amporisihina izy handoa haingana araka izay azony atao (Romana 13:8)

Tsy midika anefa izany fa tsy tokony ampianarintsika mazava tsara izay ampianarin'ny Baiboly, ohatra mikasika ny hoe :

- handalo fahoriana lehibe na "tribulation" ny fiangonana (Jereo ny toriteny "The Church and the Tribulation")

- manarona ny lohany ny vehivavy rehefa mivavaka na rehefa maminany (Jereo ny toriteny "Head covering for women")

- sy ny sisa

Raha misy mpino tsy mitovy fijery amintsika amin'ireo resaka ireo dia tsy mitsara azy isika. Kanefa mbola hampianarintsika ao am-piangonana foana izay nampianarin'ny Baiboly mazava tsara.

Eritrereto ny Titosy 2:4,5 izay manambara mazava fa voalohany indrindra ny vehivavy dia natao ho "mpikarakara tokantrano". Tsy maintsy ampianarintsika izany. Kanefa ny Baiboly tsy mandrara ny vehivavy tsy hiasa any ivelan'ny tokantrano. Noho izany dia tsy azontsika raràna koa izy. Betsaka ny anton-javatra mahatonga ny vehivavy voatery hiasa, satria marary tsy afaka miasa ny vadiny na tsy mahita asa ralehilahy sy ny sisa. Noho izany dia tsy mitsara ny vehivavy mandeha miasa mihitsy isika.

Na eritrereto ny fankalazana ny krisimasy sy ny paska. Isika no mety resy lahatra hoe avy amin'ny fanompoan-tsampy no nihavian'ireny fety ireny. Kanefa mety misy mpino hafa tena tsy mahalala an'izany.

Tsy maintsy hazonintsika ny finoantsika. Kanefa tsy tokony hitsara ny olona mankalaza ireny fety ireny isika. Ambaran'ny Romana 14:4-6 mazava tsara izany.

Ny fiangonana izay tsy manome ny fahafahana nomen'ny Fanahy Masina ho an'ny mpikambana ao aminy araka ny Romana toko faha 14 dia "legalista" na "olona manampy ny didin'olombelona amin'ny lalàn'Andriamanitra".

Zava-dehibe ny manamarika fa ny mitsara olona dia tsy mitovy amin'ny hoe manambara ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra. Tsy maintsy toriantsika ao am-piangonana avokoa ny saina rehetra natolotr'Andriamanitra. Tsy azontsika atao ny mangina tsy mitory ny ampahany anankiray amin'ny Tenin'Andriamanitra noho fahatahorantsika hataon'ny olona hoe "legalista". Kanefa raha misy olona tsy manaiky na tsy mampihatra izay ampianarintsika ao amin'ireny fampianarana tsy fototra ireny dia tsy azontsika tsaraina izy. Avelao Andriamanitra no hitsara azy raha tsy hoe misy fiantraikany ratsy ao amin'ny fiangonana ny zavatra ataony.

Ny zava-doza dia ireny fampianarana tsy fototra voatanisa etsy ambony ireny indray no tiantsika mihoatra noho i Jesosy sy mihoatra ny faniriantsika hitovy amin'i Jesosy.

Ireo zavatra voalaza etsy ambony ireo dia zavatra ivelany. Fa Andriamanitra kosa mijery ny ao am-po, ary ny ao am-po dia tsy hitantsika. Koa tsy maintsy matahotra an'Andriamanitra isika mba "tsy hitsara araka ny hitan'ny maso na hampiaiky araka ny ren'ny sofina, fa hitsara amin'ny fahamarinana" (Isaia 11:3,4).

Raha amin'ny fontsika rehetra isika no miezaka "mitady fitiavana" sy "mianatra fanetrentena" amin'ny Tompo (Matio 11:29) dia ho voavonjy amin'io fandriky ny fitsarana ny hafa io.

Ny olona sambatra indrindra eto an-tany dia ny olona mitsara tena mandrakariva ary tsy mitsara ny hafa mihitsy.