WFTW Body: 

Tsy fantatsika ny antony ampiandrasan'Andriamanitra ny valim-bavaka sasany. Kanefa tongalafatra ny lalany, ary ataony tongalafatra koa ny alehantsika (Salamo 18:30,32).

Nilaza Jesosy (ao amin'ny Asan'ny apôstôly 1:7) fa tsy navela hahalala ny fotoanan'ny zava-mitranga isika, satria efa notehirizin'Andriamanitra ao anatin'ny heriny izany.

Misy zavatra sasany izay Andriamanitra irery no tompony. Ohatra hoe ny olona dia tsy mahazo :

(1) mandray fiankohofana (Matio 4:10)

(2) mandray voninahitra avy amin'olona (Isaia 42:8)

(3) mamaly faty (Romana 12:19)

(4) mahalala ny andro na ny fotoana notendren'ny Ray (Asa 1:7)

Ireo zavatra efatra ireo dia natokana ho an'Andriamanitra irery ihany. Isika kristiana rehetra dia samy manaiky ny (1) sy ny (2) eo ambony ireo. Ny ankamaroantsika koa dia manaiky ny (3). Fa ny olona ara-panahy dia hanaiky koa ny (4) miaraka amin'iretsy telo voalohany. Koa rehefa tsy rototra ny Tompo fa miandry fotoana ela vao mamaly ny vavaka sasany nataontsika dia tsy maintsy manaiky ny sitrapon'ny Tompo am-panetren-tena isika.

Mbola eo ambonin'ny seza fiandrianany foana Andriamanitra, tsy manadino ny Azy Izy ary ny zavatra rehetra dia ataon'Andriamanitra hahasoa antsika.

" Maharesy foana izay miandany amin'Andriamanitra,

Ho tsara vintana foana izany olona izany

Maminy loatra ny sitrapon'Andriamanitra

Fandresena noho ny sorona nataony"

Noho izany dia andeha isika hitohy "haharitra amin'ny fivavahana sy ny fampianarana" (Asa 6:4). Amin'izay isika dia hahavita "hitory ny fanjakan'Andriamanitra ka hampianatra ny amin'i Jesosy Kristy Tompo - tsy misy fisakanana" (Asa 28:31).

Ranovelona mivoaka avy ao anatintsika

Misy mpino mahantra marobe eran-tany izay mila mandre ny vaovao mahafalin'ny fanekena vaovao. Amin'izao androntsika izao dia marobe ny mpino any tamin'ny tany samy hafa no araraotin'ireo mpitory fivavahana izay mitetika haka ny volan'izy ireo, ao koa ireo filohan'ny sekta izay mitady hanjaka amin'izy ireo. Nantsoina isika mba hitory ny fahafahana ho an'ireny mpino rehetra mbola misy manandevo ireny.

Mba hahafantarantsika izay toerana tokony hitoriana dia tsy maintsy mora mandre ny fitarihan'ny Fanahy Masina isika (Isaia 30:21). Efa antomotra ny fotoana izay tsy hahazakan'ny mpino ny fahamarinana intsony. Noho izany dia aoka isika hivonona hitory ny Tenin'Andriamanitra mandrakariva, na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana (2 Timoty 4:2,3).

Aoka amin'izay isika hitaky ny teny fampanantenan'Andriamanitra ary hino fa "hisy ranovelona hivoaka avy ao amin'ny fiangonantsika hankany amin'ny faritra rehetra, mianatsimo, mianavaratra, miantsinanana, ary miankandrefana, ary mandavantaona" (Zakaria 14:8).

Ahoana anefa no hampiboiboika ireo ranovelona avy aty amintsika hankany amin'ny hafa ?

Ao amin'ny Salamo 23:5 no amakiantsika ilay teny hoe "ny kapoakako feno dia feno". Ny teny Hebreo nakana an'io teny hoe "feno dia feno" io dia "revayyah". Ankoatra an'io dia tsy misy afa-tsy toerana anankiray no misy an'io teny hebreo io ao amin'ny Baiboly, dia ao amin'ny Salamo 66:12 , ary ny nandikana azy ao dia hoe "fitahiana mahatretrika".

Koa azontsika tsoahina avy amin'izany fa alohan'ny hahatongavantsika eo amin'izany toerana hoe "ny kapoakako feno dia feno" ranovelona izany dia tsy maintsy iainantsika aloha ny zavatra voalaza ao amin'ireo andininy eo alohan'io Salamo 66:12 io, izany hoe ny andininy faha-10 hatramin'ny faha-12 izay mivaky toy izao

● Hanadio antsika tahaka ny volafotsy Andriamanitra

● Hampiditra antsika amin'ny fandrika (toe-javatra sarotra) Andriamanitra

● Hamela ny olona hanisy enta-mavesatra eo am-balahantsika Andriamanitra

● Hampandeha ny olona hanitsaka ny lohantsika Andriamanitra

● Hampamaky afo (fitsapana mahamay) antsika Andriamanitra

● Avy eo isika dia ataon'Andriamanitra ao anaty "rano mamanala" (tsy "fahatsapana" ny fanatrehany).

Ny olona izay manaiky ireo fifehezan'Andriamanitra ireo eo amin'ny fiainany dia hahita ny kapoakany feno fitahiana mahatretrika ho an'ny hafa amin'ny farany. Deraina ny Tompo !!