WFTW Body: 

Nolazain'i Jesosy fa an'ny malahelo am-panahy ny fanjakan'Andriamanitra (Matio 5:3). Ny olona malahelo am-panahy dia ny olona mahafantatra fa tsy mahavita tena ny olombelona ka manaiky tanteraka ny sitrapon'Andriamanitra.

Raha izany no izy dia olona nalahelo am-panahy mandrakariva Jesosy. Araka izay tian'Andriamanitra hiainan'ny olona no niainan'i Jesosy, izany hoe niankin-doha tanteraka tamin'Andriamanitra. Jesosy dia tsy nety nampiasa ny fahatakaran'ny sainy raha tsy tao amin'Andriamanitra. Eritrereto ireto teny nolazain'i Jesosy ireto :

Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy … Raha Izaho ihany dia tsy mahay manao na inona na inona … Ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka izay nampianarin'ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany … Fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy … Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko … Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko izany lazaiko izany, fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa (Jaona 5:19, 30; 8:28,42;12:49;14:10).

Tsy avy hatrany dia nanao zavatra Jesosy rehefa nahita olona mila vonjy. Hitany ny zava-nanahirana ny olona, nahakasika ny fony ireny, kanefa tsy nanao na inona na inona Izy raha tsy ny Rainy no nampanao Azy.

Efatra arivo taona farafahakeliny no niandrasany tany an-danitra raha nila Mpamonjy mafy izao tontolo izao, ary taorian'izany dia nidina tety an-tany Izy rehefa nirahin'ny Rainy (Jaona 8:42). "Fa rehefa tonga ny fotoan'andro, izay efa voadidin'Andriamanitra, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany" (Galatiana 4:4 Baiboly TLB). Andriamanitra dia efa nanendry fotoana ho an'ny zavatra rehetra tsirairay avy (Mpitoriteny 3:1). Andriamanitra irery ihany no mahafantatra izany fotoana izany, koa tsy mahadiso antsika ny mikatsaka ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra, tahaka izay nataon'i Jesosy.

Ary rehefa tonga tety an-tany Jesosy dia tsy nandeha nivezivezy nanao izay zavatra noheveriny fa tokony natao akory. Na dia nadio tanteraka aza ny sain'i Jesosy dia tsy mba nanao zavatra Izy isak'izay nisy hevitra tsara tonga tao an-tsainy. Tsia. Nataony mpanompon'ny Fanahy Masina ny sainy.

Na dia nahafantatra ny Soratra Masina manontolo aza Jesosy tamin'ny faha roambinifolo taonany dia mbola nandany ny valo ambinifolo taona manaraka tamin'ny fanaovana asa fandrafetana Izy. Niara-nipetraka tamin'ny reniny, nanamboatra latabatra sy seza sy ny sisa…

Nanana toriteny tena nilain'ireo olona efa ambavahaona nanodidina Azy mihitsy Izy, kanefa tsy nandeha nivoaka nanao asa fitoriana. Satria nahoana ? Satria mbola tsy tonga ny fotoanan'Andriamanitra.

Tsy natahotra ny hiandry Jesosy.

"Ka tsy mba ho taitra izay mino" (Isaia 28:16).

Ary rehefa tonga ny fotoanan'ny Rainy dia nivoaka nandao ny trano fandrafetany Jesosy ary nanomboka nitory. Taorian'izany dia niteny matetika momba ny fotoanan'ny zavatra sasany tokony ataony izy. "Tsy mbola tonga ny fotoako" (Jaona 2:4,7:6). Ny zavatra rehetra tao amin'ny fiainan'i Jesosy dia nofehezin'ny fotoanan'ny Ray sy ny sitrapon'ny Ray.

Ny antso mila vonjy fotsiny dia tsy nataon'i Jesosy hoe antso hanaovan-javatra. Satria raha izany dia tahaka ny hoe manao zavatra ho Azy Izy, avy amin'ny fanahiny manokana. Ny olona mila vonjy dia tsy tokony hodian-tsy hita kanefa ny sitrapon'Andriamanitra no tsy maintsy hatao.

Jesosy dia tsy nanao zavatra hanasoavana olona izay mety natoron'ny sakaizany Azy, satria fantany fa raha mihaino olona Izy dia toy ny manao asa tsara nefa tsy hahazo ny tsara indrindra izay nomanin'ny Ray ho Azy.