WFTW Body: 

Jaona Mpanao Batisa dia nilaza fa nirahin'Andriamanitra hanao zavatra efatra izy mba hanamboarana ny làlan'ny Tompo (Lioka 3:5) :

(1) Hanototra ny lohasaha rehetra ;

(2) Hanetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra;

(3) Hanitsy ny lalana meloka rehetra; ary

(4) Hanamarina ny mikitoantoana rehetra.

Izany koa no tadiavin'ny Fanahy Masina atao eo amin'ny fiainantsika.

(1) Tsy maintsy totofany ny faritra iva rehetra, izany hoe ireo toerana izay anjakan'ny zavatry ny tany, ohatra anjakan'ny filàna ara-nofo, ny vola, ny voninahitra sy lazan'olona sy ny sisa.

(2) Tsy maintsy haetriny ny tendrombohitry ny fireharehana sy ny fiavonavonana ary ny fizahozahoana (noho ny fahaizana), eny na dia ny havoana kelin'ny fiheveran-tena ho ambony noho ny hafa aza (ohatra rehefa mba vita tsara ny asa natao).

(3) Tsy maintsy esoriny ny fisolokiana rehetra sy ny fitaka rehetra ao anatintsika.

(4) Tsy maintsy alefahiny ny fanaovantsika an-ditra, ny halozantsika ary ny fihetraketrahantsika,

Rehefa vitany izany dia izao ny teny fampanantenana, ary ny nofo rehetra hahita ny famonjena izay nataon'Andriamanitra teo amin'ny fiainantsika ( Lioka 3:6) ; ary ny momba ny nofontsika rehetra dia haneho ny voninahitr'Andriamanitra (Ampitahao Isa.40:3-5). Tahaka ny afon'ny doro tanety izay mandripaka ny bozaka aman'ahitra dia tian'Andriamanitra handripaka ny nofontsika koa ny voninahiny, potehiny tsikelikely sy miandalana ny sombiny kely rehetra amin'ny nofontsika.

Izao no voalaza ao amin'ny Jeremia 48:10 " Ho voaozona anie izay manao tsirambina foana ny asan'i Jehovah (ny asa fanaovana an'i Jesosy ho Tompon'ny faritra rehetra eo amin'ny nofontsika) ! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-drà (izany hoe, izay mandangolango (nefa tokony tsy hitsitsy mihitsy) ny filàna ao amin'ny nofony)". Mbola voalaza koa ao amin'ny andininy manaraka fa satria i Moaba tsy nafindrafindra siny dia tsy niova ny fofony.

Ao amin'ny lahatsoratra anankiray mitondra ny lohateny hoe ' Nafindrafindra siny' no iresahan'i John Follette ny mikasika ireo karazana siny maro andrarahan'Andriamanitra antsika mba hanesorana ny faika maloto ao amintsika. Ao ny sinin'ny tsi-fifankazahoana, ny sinin'ny fanesoesoana, ny sinin'ny fanendrikendrehana sy ny fitsarana miangatra sy ny sisa. Ireo siny rehetra tsirairay ireo dia manana fomba mahagaga manala ny faikafaika eo amin'ny fiainantsika, raha toa ka tsy mihontsana (" tony tsara") ilay divay, mba hitsika haingana ny loto. Raha vao mitsika ao amin'ny fanambanin'ny siny ny faika dia hararak'Andriamanitra ao anaty siny hafa indray isika. Amin'izany dia hiha-manitra kokoa hatrany foana ny fofontsika. Kanefa tsy maintsy mianatra ho tony isika, tsy manamarin-tena mihitsy na miaro tena. Fa raha tsy izany dia tsy ho afaka ny faikan'ny divay noho ny fihontsankontsana tsy mitsahatra. Marobe ny fahoriana iaretan'ny vahoakan'Andriamanitra no tsy nitondra vokany satria manamarin-tena izy ireo fa tsy manankina fotsiny ny raharahany amin'Andriamanitra sy mamela izany ho andraikiny.

Ao amin'ny Zakaria 2:13 dia vakiantsika fa " Mangina (tony tsara) eo anatrehan'i Jehovah ny nofo rehetra ! Satria tonga avy tany an-danitra Izy mba honina eo afovoantsika (Mihobia sy mifalia ry Ziona zanakavavy fa indro avy honina ao afovoanao Aho) ". Tsy maintsy tahaka izany ny ao anatintsika amin'ny fotoana rehetra.