written_by :   Zac Poonen categories :   Mpianatra
WFTW Body: 

Teo ambanin'ny fanekena taloha dia nomen'Andriamanitra karazana Sabata marobe ny Jiosy. Ny tena fantatry ny olona dia ny Sabatan-kerinandro. Kanefa nisy Sabata hafa tsy dia fantatry ny olona loatra. Ny anankiray tamin'ireny dia ny Sabatan-taona izay natao isaky ny faran'ny enin-taona ( Lev. 25:2-4). Ny anankiray hafa dia ny Sabatan-dimampolo taona izay natao isaky ny faran'ny Sabatan-taona fito (isaky ny afaka 49 taona). Izany Sabatan-dimampolo taona izany dia nantsoina hoe " taona Jobily" (Lev. 25:8-12).

Tamin'ny taona Jobily dia tsy maintsy "niantso fanafahana amin'ny tany ho an'ny mponina rehetra izay nandevozina noho ny trosa" ny zanak'Isiraely, ary izany dia natao "fotoana fanafoanana ny trosa rehetra" ( Lev. 25:10 - Baiboly Living).

Nandidy ny fanafoanana ny trosa rehetra koa ny Tompo isaky ny faran'ny taona fahafito, rehefa " namoy ny trosany ny mpampindram-bola rehetra izay nampanàna vola tamin'ny rahalahiny ka hanoratra eo amin'ny taratasy fampindramam-bola rehetra eo am-pelatanany hoe 'Voaloa' ... satria efa nafahan'ny Tompo tamin'ny trosany avokoa ny olona rehetra " (Vakio tsara mihitsy Deo. 25:1-10).

Ireo Sabatan-taona dia natao fotoanan'ny fitahiana sy fifaliana be. Ny teny hoe "jobily" dia midika hoe "fihobiana". Ny taon-jobily dia natao ho taona feno fihobiana, satria efa nofoanana ny trosa rehetra ary efa novahana ny mpitrosa rehetra. Noho izany, dia izao no nolazain'ny Tompo tamin'ny zanak'Isiraely momba izany taona izany : " Endrey izany taom-pahasambarana ho anareo" (Lev.25:11 - Baiboly Living).

Ankehitriny ao amin'ny fanekena vaovao dia ankalazaintsika isaky ny andro rehetra ao anatin'ny herinandro ny andro sabata, satria masina ho an'ny Tompo ny andro rehetra.

Ary ankalazaintsika isan-taona koa ny Sabatan-taona, satria ny taona rehetra tsirairay dia taon-jobily. Izany hoe taom-piravoravoana izay handefasantsika sy hamotsorantsika ny olona rehetra izay nanisy ratsy na nisoloky antsika. Noho izany dia mety ho taon-tsambatra foana ny taona tsirairay eo amin'ny fiainantsika, satria ny taona tsirairay dia natao ho taon-jobily ho antsika.

Ny niantsoana antsika dia ny ho tonga mpamindra fo amin'ny olona, tahaka an'Andriamanitra Mpamindra fo amintsika. Ilay fomba fiteny hoe "TAHAKA AN'ANDRIAMANITRA TAMINTSIKA" dia teny filamatra izay tsy maintsy tadidiantsika amin'ny fifandraisantsika amin'ny olona rehetra.

Be dia be ireo zavatra azontsika maimaimpoana tamin'ny Tompo. Koa andeha isika hanome maimaimpoana ho an'ny hafa koa (Matio 10:8). Tsy amin'ny fomba mampifilafila na amin'ny fahihirana anefa, fa amin'ny fomban'ny malala-tanana sy manana fo antra.

Aoka tsy ho very mihitsy ny fahatsaran'ny famelan-keloka izay efa nomen'ny Tompo antsika maimaimpoana. ANKEHITRINY NY FIAINANTSIKA MANONTOLO DIA TSY MAINTSY ATAONTSIKA FANEHOANA NY FANKASITRAHANTSIKA NY TOMPO NOHO IZAY REHETRA NATAONY HO ANTSIKA TEO AMIN'NY HAZO FIJALIAN'I KALVARY.

Ny vaovao mahafalin'ny filazantsara dia izao, azo vonjena ho afaka amin'izao fiainantsika fadiranovana izao isika. Afaka manana ny onin'ny rano velona mikoriana tsy mitsahatra avy ao anatintsika isika ary koa ho tonga fitahiana ho an'ny fianakaviana rehetra tsirairay tafahaona amintsika.

Afaka mamindra fo amin'ny hafa isika tahaka ny efa namindran'Andriamanitra fo tamintsika.

Afaka mamotsotra ny hafa isika tahaka ny efa namotsoran'Andriamanitra antsika.

Afaka mitahy ny hafa isika tahaka ny efa nitahian'Andriamanitra antsika.

Afaka manome maimaimpoana isika tahaka ny efa nanomezan'Andriamanitra antsika maimaimpoana.

Afaka malala-tanana amin'ny hafa isika tahaka an'Andriamanitra efa nalala-tanana tamintsika.