"Eritrereto hoe misy namanao anankiray tonga mivahiny ao an-tokantranonao amin'ny sasak'alina, ary noho ny fahalalam-pomba sy ny fitiavanao azy dia manontany azy ianao raha efa nisakafo izy. Raha milaza izy hoe mbola tsy nihinana kanefa jerenao ao anaty frigo tsy misy ary mitady sakafo eran'ny trano ianao homena azy fa tsy mahita dia inona no hataonao ? Mandeha mankao amin'ny olona eo akaikinao ianao" (Lioka 11:5).
Eny e, tsy fahita firy izany. Tsy dia misy izany hoe mankao amin'ny olona ao akaikiny amin'ny sasakalina, mamoha azy ary mangataka sakafo ho an'ny namany, kanefa izany no nataon'ity olona ity. Nandeha nandondona tao amin'ny olona teo akaikiny izy ary niteny hoe : "Mba ampisambory mofo telo aho. Haveriko ny anao rahampitso fa omeo ahy izao aloha. Misy vahiny tonga ao amiko, tena namako akaiky izy ary tsy misy sakafo azoko omena azy". Kanefa noraràn'ilay tao an-trano izy tsy hanabataba azy sy ny zanany izay efa ao am-pandriana daholo. "Aza manabataba anay amin'ny sasakalina manaitra anay ary aza mandondona tsy ankijanona ao". Kanefa mbola nandondona tsy mijanona ihany ity olona ity ary tsy navelany hatory ireo raha tsy azony izay notadiaviny.
Hoy ny Tompo "Na dia tsy hanome noho ny fisakaizana aza izy dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra sy noho ny tsy fitandroany henatra ka hanome azy izay ilainy". Tsy fitenenana mahafinaritra be ve izany hoe "izay ilainy".
Tsaroako ny fotoana nitadiavako ny batisan'ny Fanahy Masina. Nitady ny herin'ny Fanahy Masina aho mba hahita fahombiazana tamin'ny fampianarana ny Tenin'Andriamanitra, mba ho tonga olona mahay miteny. Olona saro-kenatra be aho fony lasa kristiana sy nanomboka nizara ny Tenin'Andriamanitra. Fantatro fa nila ny herin'ny Fanahy Masina aho ary raha mahazo ny herin'ny Fanahy Masina aho dia ho voaova ho olona hafa. Ary tena izany mihitsy no nitranga. Raha izany no antony itadiavanao an'Andriamanitra, izany hoe mba hahazoanao ny hosotra mahery vaikan'ny Fanahy Masina, tsy ho an'ny tenanao anefa fa ho an'ny hafa, ary maharitra mandondona ianao miteny hoe "Tompo ô, omeo mofo aho hamahanako ireto olona ireto (hitantsika izany fitenenana izany ao amin'ny Lioka 11:8), dia homen'Andriamanitra anao izay ilainao (Lioka 11:13). Ny Fanahy Masina no resahiko eto. Efa natoron'i Jesosy mazava tsara ny zavatra tokony angatahintsika amin'Andriamanitra. "Omeo ahy ny herin'ny Fanahy Masina mba hanompoako ny hafa. Ny ahy efa azoko ny zavatra nilaiko, efa nandalovantsika ny Lioka toko faha-18, fa manomboka izao dia ny zavatra ilain'ny hafa indray no heveriko". Izany no atao hoe tena kristiana.
Matetika dia mitady ny herin'ny Fanahy Masina ny olona mba hahatsapany zavatra hafahafa eo amin'ny vatany, tahaka ny andalovan'ny herinaratra na mba hitenenany amin'ny fiteny tsy fantatra na hahazoany tombontsoa ho an'ny tenany. Tsy maintsy mitady ny fanomezam-pahasoavana isika mba hahafahantsika mitahy ny hafa. Tadidiko fa nitady an'Andriamanitra aho taloha mba hahazoako fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina. Mba hanompoako ny hafa no nanaovako izany ary na dia nomen'Andriamanitra ahy aza ny fanomezam-panahy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia nataony mba hanavaozana ahy koa izany satria lazain'ny Baiboly fa izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany. Te hampoandroso ny tenako aho mba hihavao lalandava amin'ny fanaovako ny asa fanompoako. Noho izany dia mahasoa ny hafa ny fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra sady manavao sy mampahery ahy koa. Tsy misy fanomezam-pahasoavana natao hampandroso ny tenako irery fa natao hampandroso ny tenako mba hitahiako ny hafa.
Tsy maintsy tadidiantsika fa ny fanomezam-pahasoavana rehetra avy amin'ny Fanahy Masina dia natao ho an'ny hafa avokoa. Ny vokatry ny Fanahy kosa no tombony ho ahy. Raha manana fifaliana sy fiadanana aho dia tombony ho ahy izany fa tsy ho anareo. Fa raha manana ny fanomezam-pahasoavana kosa aho, na faminaniana izany na fanasitranana na fanomezam-pahasoavana hafa, ireo rehetra ireo dia tombony ho an'ny hafa. Samy ilaintsika izy roa. Tsy maintsy angatahinao amin'Andriamanitra ireo ary tsy maintsy manana finoana ianao.
"Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny tsara (indrindra fa ny Fanahy Masina sy ny fanomezam-pahasoavana tsara rehetra) ho an'izay mangataka aminy?" (Lioka 11:13). Tsy maintsy mino isika fa io atonintsika io dia Raintsika. Tsy Tale jeneralin'ny orinasa akory na olona sarotra atonina no andehanantsika ka tsy maintsy mandalo amin'ny sekreterany. Dadantsika any an-danitra no hatonintsika koa ahoana moa no handavany antsika ? Tsy misy na inona na inona tsara ka tsy omeny antsika. Raha misy zavatra hitan'Andriamanitra fa tsy tokony omena antsika dia matokia marimarina fa tsy tsara ho antsika iny.
Indray mandeha ny apôstôly Paoly dia nanana aretina tao amin'ny vatany izay nantsoiny hoe tsilo tamin'ny nofo. Intelo izy no nivavaka mba hialàn'izany taminy (2Korintiana 12). Tsy nesorin'Andriamanitra taminy ilay izy koa fantany fa mahasoa azy ilay izy satria nitahiry azy hanetry tena sy torotoro fanahy. Manome antsika izay tsara foana Andriamanitra ary rehefa tsara amintsika tahaka izany Andriamanitra, tena tsara loatra amintsika Izy, dia inona no tokony hataontsika ? Tokony ho tsara fanahy amin'ny olona koa isika.
"Tompo ô, mba omeo ahy izay zavatra ilaiko hanampiako ireto olona natao hotompoiko ireto". Rehefa manana vesatra am-po hanampy ny olona ao am-piangonanao ianao, izany hoe hitarika azy any amin'ny fiainana araka an'Andriamanitra. Te-hitarika azy hitandrina izay rehetra nandidian'i Jesosy ianao, hitarika azy hiaina araka ny fenitry ny Toriteny teo an-tendrombohitra. Koa hangataka ny herin'ny Fanahy Masina ianao, hangataka teny faminaniana avy any an-danitra hahafahanao manome izay ilain'ny olona, hanafaka azy amin'ny famatoran'ny devoly ka hitondra azy ho amin'ny fiainana araka an'Andriamanitra. Ary raha tena tianao ny olona dia haharitra mangataka ianao.
Heverinao ve fa tsy tian'ilay olona io vahininy nandondona sasak'alina io ? Tsy maintsy tiany loatra ilay vahiny matoa izy vonona ny hitady sakafo ho azy tamin'iny alina iny. Ny ankamaroantsika raha tsy manana sakafo omena ny vahiny tonga alina dia hiteny hoe "Miala tsiny aho fa tsy misy sakafo ato aminay fa aleo tonga dia matory, rahampitso maraina aho mitady sakafo ho anao". Fa ity lehilahy ity kosa dia tia loatra an'ilay vahiny noana ka hoy izy anakampo "Andeha hitady zavatra izao alina izao aho, na dia hahamenatra ahy amin-dry zareo ato ambadika aza izany". Tena sary mahafinaritra anehoana ny olona tsy manaiky fa misisika manatona an'Andriamanitra izany manao hoe, "Tompo o, omeo fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina aho mba hanompoako ireo olona ireo".