WFTW Body: 

Ny tena antony anoheran'ny olona ny asa fanompoanay, amin'ny maha-fiangoanana anay, dia noho ny fitorianay ny fahamasinana sy ny fahamarinana hatrany. Nambaranay hatramin'izay ny zava-marina hoe " ny ota tsy hanan-kery aminay intsony" (Rom. 6:14), ny hoe "izay tia vola dia tsy afaka mitia an'Andriamanitra" ( Lio. 16:13), ny hoe " izay tezitra amin'ny hafa sy manamavo ny hafa dia miendrika ho ao amin'ny helo " (Mat. 5:22), sy ny hoe " izay efa mijery vehivavy hila azy dia mety ho very any amin'ny helo " (Mat.5:28,29), sy ny sisa. Ary satria ireo teny nataon'i Jesosy ireo dia tsy levon'ny vavonin'ny ankamaroan'ny mpino, dia izahay no toheriny.

Izahay dia nanohitra hatrany ny fanakaramana mpanompon'Andriamanitra satria tsy ara-Baiboly izany (zavatra tsy fandre mihitsy izany tamin'ny taon-jato voalohany), toherinay koa ny fangataham-bola izay fanao mahazatra ao amin'ny asa fanompoana kristiana, tsy ara-Baiboly koa izany. Izany no antony nahatonga anay niharan'ny fahatezeran'ireo olona izay manao ny asa fitoriana ho antom-pivelomany, sy ireo olona manangana fanjakana kely ho an'ny tenany avy amin'izany. Izahay koa dia efa nitsangana nanohitra ny fanaovana olona ho andriamanitra kely ao am-piangonana, nanohitra ny fisian'ny papa, ny antokom-pinoana, ny fanjakazakan'ny tandrefana amin'ny fiangonana, ary ny fiankinan-doha tsy mahasoa amin'ireo mpitarika tandrefana izay sakana amin'ny fampandrosoana ny fiangonana. Izany dia nahatezitra mafy ireo antokom-pivavahana maro.

Ny tanjon'i Satana dia ny handoto ny fitoerana masin'Andriamanitra amin'ny fomba rehetra. Mametraka "ny miaramilany" (Dan. 11:31) ao anatin'ny fiangonana izy, mba hanapotika ny asan'Andriamanitra avy ao anatiny. Ny tantaran'ny fivavahana kristiana dia mampiseho ny fomba nahombiazan'ireo miaramilan'i Satana, izay nandoto ireo vondrom-bavaka sy ireo hetsika maro nifanesy, nandritra ireo taon-jato 20 farany ireo.

Ny antony lehibe indrindra tsy nahombiazan'ny fiangonana dia satria ny mpiambina izay notendren'Andriamanitra ho ao am-piangonana dia tsy niambina sady resin-tory. Fomba ahoana no nahavitan'i Satana nampatory an'ireo mpiambina ireo ? Indraindray dia nataony izay hahatonga azy ireo hatahotra ka tsy sahy hilaza ny marina sao hahatafintohina ny olona sasany, indrindra ny mpanankarena sy ny manana fahefana ao. Indraindray dia ataony lasa tia mamalifaly vady izy ireo, ataony lasa tia vola sy mpankafy hanim-py. Indraindray dia ireo mpiambina no reraka ianjadian'ny fanoheran'ny olona ny toriteniny, rehefa mba miezaka hihazona ny fenitra napetrak'Andriamanitra ao am-piangonana. Ary noho izany dia amboamboariny ny teny toriany mba hahazoany sitraka aman'olona.

Ao amin'ny Hebreo 12:3 isika dia asaina mihevitra tsara an'i Jesosy " Ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka isika, ka ho reraka ny fanahintsika ". Iza moa ireo mpanota nanohitra an'i Jesosy ireo ? Tsy ireo mpivaro-tena sy mpamono olona ary mpangalatra tany Isiraely tsy akory. Tsy ireo Romana na ireo Grika koa. Tsia. Ireo mpanota izay nanohitra an'i Jesosy tsy an-kijanona ireo, dia ireo mpitory mitaona olona amin-kery ary ireo mpitondra fivavahana tao amin'Isiraely. Nialona an'i Jesosy izy ireo ary farany dia namono an'i Jesosy mihitsy.

Raha manara-dia an'i Jesosy isika, na amin'izao andro izao aza, dia hiatrika fanoherana avy amin'ireo antokon'olona ireo ihany koa. Ny fanoherana mafy indrindra dia avy amin'ireo mpitory izay efa nampidina ny fenitry ny Tenin'Andriamanitra ary efa nandoto ny fiangonana. Ireny no hataon'i Satana lehiben'ny irany mba hanohitra antsika. Lasa mora reraka isika noho ny fanoherana lava tsy misy farany ary lasa kivy.

Satana dia mitady "hampahory ny olo-masin'ny Avo indrindra" ( Dan. 7:25). Ny fomba tokana handresena azy dia amin'ny fijerena tsy tapaka ny ohatra nasehon'i Jesosy, Izay niaritra tsy tapaka ny fanoherana, mandra-pamonoan'ny fahavalony Azy. Isika koa dia tsy maintsy vonona ny "ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana". Izay mpitory fivavahana rehetra tsy vonona ny hiatrika fanoherana mandrapahafatiny, dia ho tonga mpitory mpamalifaly sofina, izay, " hambosy ny olona amin'ny fandroboana (handokandoka ny olona ho tia azy) " (Dan. 11:32), ary hamarana ny androny tahaka an'i Balama izay tsy nijoro tamin'ny marina.

Ny niantsoana antsika amin'ny maha-fiangonana dia ny hihazona ny fenitr'Andriamanitra eo amintsika, na ho mora na ho sarotra. Isika dia tsy maintsy miambina mandrakariva, manohitra ny miaramilan'ny antikristy. Paoly dia nahatahiry ny fiangonana tao Efesosy tamin'ny fahadiovana, noho ny fahasoavan'Andriamanitra, nandritra ny telo taona nipetrahany tao. Kanefa rehefa handao azy ireo izy, dia nilaza tamin'ireo loholona fa tsy maintsy ho tafiditra ao ny fahalotoana, aorian'ny fandehanany ( Asa 20:29-31). Moa tsy izany tokoa va no niseho, araka ny vakiantsika ao amin'ny epistily faharoa ho an'ny Efesiana ( Apok. 2:1-5) ?