WFTW Body: 

Ao amin'ny Baiboly iray manontolo dia tsy misy afa-tsy andininy telo miresaka an'i Melkizedeka kanefa ny Tompontsika dia nantsoina hoe Mpisoronabe araka ny anarany (Genesisy 14: 18-20) ! Fa inona moa no tena zava-mahagaga nataon'i Melkidezeka ? Izy no nanome ireo zavatra anankitelo nilain'i Abrahama, na dia tsy fantany aza ny amin'ireo, satria nanao izay nasain'Andriamanitra nataony izy.

Voalohany indrindra, dia nitondra sakafoho an'i Abrahama izy. Lehilahy hendry i Melkizedeka ! Tsy mba anisan'ireny olona miseho ho ara-panahy loatra ireny izy izay mihevitra fa ny olona ara-panahy dia tsy maintsy mampijaly tena ! Tsy nilaza tamin'i Abrahama izy hoe tsy maintsy mifady hanina sy mivavaka ianao fa sakafo tsara kosa no nomeny azy !

Taona maro taty aoriana dia izany ihany koa no nataon'Andriamanitra tamin'i Elia, rehefa trotraka sy kivy izy. Naniraka anjely nankany aminy Andriamanitra, tsy niaraka tamin'ny "fampaherezana", fa niaraka tamin'ny sakafo mahavoky (1Mpanjaka 19:5-8)!

Ohatra tsara tokony harahintsika izany, izany hoe mitondra sakafo ho an'ny rahalahy na rahavavy valaka sy trotraka. Rehefa kivy na ketraka ny mpino dia tsy fampaherezana no ilainy fa mety hoe sakafo tsara fotsiny, satria tsy fanahy sy aina fotsiny ny olombelona fa vatana koa. Aoka tsy ho hadinointsika mihitsy izany .

Rehefa avy nanome sakafo an'i Abrahama i Melkizedeka dia nanampy azy ara-panahy koa. Tsy nitory teny taminy izy fa nidera an'Andriamanitra noho ny fandresena azon'i Abrahama, tamin'ny fehezanteny fohy anankiroa.

Hoy izy "Hotahian'Andriamanitra Avo Indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany. Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tànanao." (Genesisy 14:19-20).

Mety lany adiny roa teo i Melkizedeka nampisakafo an'i Abrahama sy ny mpanompony ary nandany fahefak'adiny nidera an'Andriamanitra. Kanefa tao anatin'ny teny fiderana fohy nataon'i Melkizedeka dia zavatra anankiroa no nataon'i Abrahama.

Voalohany indrindra dia fantatr'i Abrahama fa izy dia an'Andriamanitra Izay tompon'ny lanitra sy ny tany. Nanafaka azy tamin'ny fitsiriritana ny harenan'ny mpanjakan'i Sodoma izay vao azony babo izany. Na dia be dia be tokoa aza ny harenan'i Sodoma, satria tany tena nahavokatra tokoa i Sodoma, dia hitan'i Abrahama fa ireny rehetra ireny dia fakofako raha oharina amin'ny tany sy ny lanitra izay an'Andriamanitra. Melkizedeka dia nanampy an'i Abrahama hahita mazava hoe an'Andriamanitra izy.

Mariho ny fahendren'i Melkizedeka eto. Tsy nitory teny tamin'i Abrahama izy hoe "Niteny tamiko ny Tompo fa manana fitsiriritana ianao ka dia tonga aho hampitandrina anao". Tsia. Tandremo ireo olona milaza ny tenany ho "mpaminany" ka manambara mandrakariva hoe "izao no lazain'ny Tompo" ho anao! Ny "mpaminany" tahaka izany dia mpaminany sandoka. Melkizedeka dia nanala ny fijerin'i Abrahama avy teo amin'ireo zavatra azony babo mba hitodika tany amin'Andriamanitra. Ary dia "nihena ny famirapiratry ny zavatry ny Tany" teo imason'i Abrahama. Izany no fomba fanampiana ny olona.

Faharoa, hitan'i Abrahama mazava tsara fa tsy izy sy ireo mpanompony 318 no naharesy ireo mpanjaka ireo fa Andriamanitra ! Fanambarana anankiray azony koa izany, ary izany dia nanavotra azy tamin'nyfireharehana. Mbola nampiala ny fijerin'i Abrahama tany amin'ny fandreseny indray i Melkizedeka ka nampitodika azy tany amin'Andriamanitra !

Ny mpitoriteny mendrika indrindra dia izay olona mahay mampiala ny fijerintsika avy any amitsika ka mampitodika antsika any amin'ny zavatra nataon'ny Tompo.

Ary izao dia tonga eo amin'ny andininy mahafinaritra indrindra amin'ity tantara ity isika. Rehefa avy nitahy an'i Abrahama i Melkizedeka dia tsy hita intsony . Tsy misy andininy amakiantsika ny momba azy intsony ao amin'ny Baiboly. Ny anarany dia tsy hita raha tsy any amin'ny filazana an'i Kristy.

Tao amin'ny tranolainy io maraina io dia tsy maintsy efa nivavaka i Melkizedeka ary teo no niresahan'Andriamanitra taminy sy nilazany taminy izay zavatra tokony ataony. Melkizedeka tsy nahafantatra an'i Abrahama, fa Andriamanitra no fantany. Ary izay dia ampy azy. Nolazain'Andriamanitra taminy izay tokony nataony ary nataon'Andriamanitra fitahiana ho an'ny maro i Melkizedeka.

Tsara tokoa izany asa fanompoana iantsoana antsika mpisorona araka ny fanaon'i Melkizedeka izany ! Isika dia natao hitahy ny olona ara-batana sy ara-panahy, ary rehefa avy eo dia mandao azy mialoha ny hisaorany antsika !

Tianao hihevitra ve ny olona fa olon'Andriamanitra lehibe ianao sa mba tianao kosa izy hahafantatra fa manana Andriamanitra lehibe ianao ? Izany no hampiseho ny fahasamihafan'ny asa fanompoana araka ny fombafombam-pivavahana sy ny asa fanompoana ara-panahy. Izany no hampiseho ny fahasamihafan'ny asa fisoronan'i Arona sy ny asa fisoronan'i Melkizedeka. Arona dia niseho tsy tapaka teo anatrehan'ny olona ary nahazo voninahitra tamin'olona. Melkizedeka nanao ny asa fanompoany dia niala tsy ho hita !

Tahaka izany ny fomba nanaovan'i Jesosy ny asa fanompoany nandritra ny andro niainany tety an-tany. Nivezivezy Izy nanampy ny olona resin'ny fiainana na ara-panahy na ara-batana. Ary tsy navelany hisy olona hankalaza ny fanasoavana nataony. Tsy navelany hisy hahalala fa Mpanasitrana Izy. Tsy mba naniry ny ho mpanjaka Izy. Tonga Izy mba hanompo ny olona ary hanolotra ny ainy ho azy. Tsy mba te ho tonga olomalaza Izy. Tsy te-hanaporofo tamin'i Heroda, na i Pilato, na i Ana, na i Kaiafa akory aza Jesosy fa Zanak'Andriamanitra ka tsy niseho tamin'izy ireo taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty . Tsy niseho tamin'ny Fariseo na ny Sadoseo anankiray akory aza Izy taorian'ny fitsanganany tamin'ny maty. Satria tsy te hanamarin-tena teo anatrehan'ny olona Izy. Fantany fa ny fihevitry ny olona dia mendrika ariana any amin'ny fanariam-pako !

Eritrereto fotsiny hoe inona no hitranga raha manomboka miaina tahaka an'i Melkizedeka isika, raha mihaino an'Andriamanitra ary te hahafantatra izay tokony hataontsika isan'andro. Izany no fomba mahasoa indrindra azon'ny olona iainana eto ambonin'ity tany ity.

Moa isika koa ve tsy nantsoina hiaina izany fiainana izany mba handraisan'ny olona rehetra mifampikasoka amintsika fitahiana ara-batana sy ara-panahy ? Isika rehetra dia nantsoina ho mpisorona araka ny fanaon'i Melkizedeka.