WFTW Body: 

Vao haingana aho no namaky ny tantaram-piainan'ny misionera anankiray izay nanolotra ny fiainany hampiely ny filazantsaran'i Jesosy Kristy tany amin'ny nosin-tany maromaro tany amin'ny faritra Pasifika Atsimo izay mbola nisy foko mpihinana olona. Nampientan-kafaliana ahy tokoa ny nahita ny fomba namonjen'ny Tompo azy, ny nanomezany azy herimpo sy fahasahiana, ary ny nampaherezany azy tao anatin'ny fitsapana mavaivay. Dia nisy fitsiriritana niloatra avy tato am-poko ary nisy fakam-panahy hieritreritra fa izany fijoroana vavolombelona izany dia miavaka tokoa mihoatra noho izay azoko omena eo amin'ny fiainako ankehitriny.

Kanefa dia nampiasain'ny Tompo izany mba hampahatsiahivana ahy fahamarinana lehibe sy tena manan-danja anankiray : Fa ny fijoroana vavolombelona lehibe indrindra azoko omena dia tsy izay omeko amin'ny molotro ho an'ny olona fa izay omeko amin'ny fiainako ho an'ny fanapahana sy ny fahefana any an-danitra .

"Mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonana" (Efe. 3:10).

Hitantsika tao amin'ny firaketana voalohany ao amin'ny Baiboly fa Satana dia nivezivezy nanerana ny tany nitady izay olona azony ampangaina (Joba 1:6) ary hitantsika koa fa Andriamanitra dia mitady lehilahy sy vehivavy marina sy mahitsy matahotra an'Andriamanitra izay azon'Andriamanitra aseho sy avaly an'i Satana (Job 1:7) sy hanaporofoana fa feno fahendrena ny drafitra lehibe voakasan'Andriamanitra tamin'ny namoronany ny olona.

Saingy na dia efa fantatro aza izany dia mbola voasarika foana aho hanome lanja ny fijoroana vavolombelona atao am-bava, mihoatra noho ny fanomezam-boninahitra ny Tompo amin'ny fiainako !

Ny mariky ny fiainana tonga vavolombelona

Isak'izay mieritreritra ny hanome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny fiainako aho dia mahatsiaro ny fiainan'i Jesosy Kristy izay "nanambara ny Ray" (Jaona 1:18). Arakaraky ny itomboantsika ao amin'i Kristy no tsy maintsy ijerentsika hatrany ny fiainan'i Jesosy mba hahazoantsika fahazavana, fa tsy ny teny izay noteneniny fotsiny. Ho ahy manokana dia ireto ny fotoana anankitelo tao amin'ny fiainan'i Jesosy izay nanambara lalina ny famirapiratan'ny Ray amin'ny lafiny samy hafa tahaka ny diamondra marolafy.

"Ary indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin'ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely, fa Izy natory" (Matio 8:24).

"Ary niaraka tamin'izay dia nanatona an'i Jesosy izy ka nanao hoe : Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy. Fa hoy Jesosy taminy : Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto" (Matio 26:49-50).

"Dia niditra tao anati-rova indray izy ka nanao tamin'i Jesosy hoe : Avy aiza moa Hianao ? Fa tsy namaly azy akory Jesosy. Dia hoy Pilato taminy : Tsy miteny amiko va Hianao ? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin'ny hazofijaliana koa ? Jesosy namaly azy hoe : Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony, koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa" (Jaona 19:9-11).

Hitako tamin'ireo zava-niseho anankitelo ireo fa Jesosy dia nandry fahizay ! Nahavita natory tao anatin'ny tafio-drivotra Izy, satria nahatoky ny Rainy. Afaka niantso an'i Jodasy hoe 'sakaiza' Izy satria hitany fa kapoaka avy tamin'ny Rainy izany. Afaka nijoro teo anatrehan'ny mpanapaka amin'ny tany Izy, satria natoky fa ny fahefana faratampony dia an'ny Rainy. Ny fiainany dia tonga vavolombelon'ny "fitsaharana" tanteraka ao amin'ilay Ray any an-danitra izay mahery sady be fitiavana !

Koa deraina Andriamanitra fa azo atao tonga vavolombelona tahaka izany koa ny fiainantsika ankehitriny. Na dia tsy misy olona mahita antsika aza eto an-tany, ary na dia tsy miloa-bava aza isika (tahaka an'i Jesosy izay tsy niteny rehefa sondrian-tory tao anaty sambokely), dia azontsika atao vavolombelona ho an'ny fanapahana sy ny fahefana eny amin'ny habakabaka ny fahatokiantsika faratampony an'ilay Raintsika any an-danitra.

Ahoana no anomezantsika izany fijoroana vavolombelona izany ? Ao afovoan'ny tafio-drivotra izay mianjady amintsika dia matory eo anilan'i Jesosy ao anatin'ny sambokely isika. Ny mpianatra, izay tsy nanana ny Fanahy Masina dia tsy nahita fitsaharana mandra-pitsahatry ny tafio-drivotra, fa isika kosa afaka mandry fahizay miaraka amin'i Jesosy na mialoha ny tafiotra izany na mandritra ny tafiotra. Ao anatin'ny fanafihan'ireo mpamadika, tahaka izay nanjo an'i Jesosy dia mandà ny hiaro tena isika. Ny mpianatra, izay tsy nanana ny Fanahy Masina dia tsy nahatohitra ny fakam-panahy fa niady tamin'olona, fa isika afaka mametraka ny fahatokisantsika eo amin'Andriamanitra miaraka amin'i Jesosy rehefa misy manisy ratsy antsika. Ao anatin'ny zava-tsarotra amelezan'ny fahefana lehibe antsika dia maka fampaherezana ao amin'Andriamanitra Izay manana ny fahefana faratampony isika, tahaka ny nataon'i Jesosy.

Imbetsaka ny Tompo no efa nanasa ahy "hatory ao an-tsambokely miaraka amin'i Jesosy" rehefa namely mafy ny sambokeliko ny tafiotra. Zavatra anankiroa indrindra indrindra no tena namporisika ahy dia ireto avy :

Tsy maintsy atao izay hahitana fitsaharana

"Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany" (Hebreo 4:1)

Ny korontana na tsi-fahitana fitsaharana rehetra dia tsy tokony odiana tsy hita. Vao haingana no rentsika tao amin'ny fivoriam-bavaka fa vokatry ny fireharehana avokoa ny korontana rehetra. Noho izany raha sendra tsy mahita ny fitsaharan'Andriamanitra isika dia tsy tokony odiantsika tsy fantatra izany fa tokony hangataka ny fahazavan'ny Tompo isika hoe inona ilay fireharehana nahatonga antsika tsy nahita fitsaharana. Hoy ny Baiboly "Aoka isika hatahotra raha mahatsapa fa toa tsy ampy fitsaharana". Koa aza odiana tsy fantatra mihitsy na ny korontana kely indrindra aza.

Ny fitsaharana tsy hoe fahakamoana

Efa voamariko fa ny nofoko dia mitady hamadika an-kolaka ny tena dikan'ilay fitsaharana nampanantenaina hoe tsy fanaovana na inona na inona. Ny fitsaharana ao amin'i Kristy dia tsy midika hoe midonànam-poana. Fa mainka midika izany fa ny zavatra rehetra ataontsika (tahaka ny nataon'i Jesosy) dia amporisihin'ny fitiavana sy tohanan'ilay Ray mandrakizay.

Koa mandritra ny fotoana anasan'Andriamanitra ahy hiditra ao amin'ny fitsaharany dia efa mandidy ahy koa Izy mba hazoto kokoa sy hitandrina kokoa, na dia amin'ny zavatra "fanao mahazatra" toy ny asako aza.

"Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona" (Kol. 3:23).

Koa tiako lavina avokoa ny famaritana diso rehetra momba ny fitsaharana, ary te hanatona an'i Jesosy aho hiangavy aminy ilay fitsaharana tena izy izay efa nampanantenainy ho antsika. Laviko mihitsy izany tsy mahita fitsaharana izany ary tsy ekeko koa ny 'fitsaharana' hosoka izay mety atolotry ny fahavaloko ahy.

"Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko, fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho, dia HAHITA FITSAHARANA HO AN'NY FANAHINAREO HIANAREO. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako" (Matio 11:28-30).