WFTW Body: 

Ny tanora rehetra dia halaim-panahy hieritreritra filàna ara-nofo na ho ela na ho haingana. Mafy kokoa ary mahery vaika kokoa ny firehetan'izany filàna izany ao amin'ny lehilahy raha oharina amin'ny an'ny vehivavy. Ny lehilahy dia miatrika misimisy kokoa io olana io noho ny vehivavy. Ao amin'ny Marka 7:21 , tamin'ireo zavatra notanisain'i Jesosy dia ny sain-dratsy (fijangajangana) no nolazainy fa zavatra voalohany indrindra mivoaka avy ao am-pon'ny olona. Mitovy avokoa ny faharatsian'ny fon'ny olona rehetra mbola tsy niova fo, ary noho izany dia marina ho an'ny olona rehetra ny fanambarana nataon'i Jesosy. Ny fisainana filan-dratsy dia sady manimba ny sain'ny olona tsara fitondrantena no manimba ny sain'ny mpanitsakitsa-bady, na dia mety tsy hijangajanga ara-nofo aza ireo olona tsara fitondran-tena noho ny tsy fahafaha-manao izany sy ny tahotra ny fiarahamonina.

Kanefa mila haintsika ny manavaka ny fakam-panahy amin'ny fahotana. Na Jesosy aza dia nalaim-panahy "tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika" (Hebreo 4:15). Kanefa tsy voataonan'ny fakampanahy mihitsy Izy na dia indray mandeha aza (na tao an-tsainy aza) noho izany dia tsy nanota mihitsy Izy. Isika koa dia tsy maintsy halaim-panahy mandrapahatapitry ny androntsika eto an-tany. Kanefa tsy voatery hanota isika. Raha mamela ny faniriana maloto ho torontoronina ao an-tsaintsika ihany isika vao manota (Jakoba 1:15), izany hoe rehefa avelantsika mamakivaky ao an-tsaintsika ny eritreritra mamoafady. Raha lavintsika avy hatrany ilay fitaoman-dratsy dia tsy manota isika. Araka ny fananaran'ny ntaolo hoe "Na dia tsy azoko sakanana mba tsy hanidina eo ambonin'ny lohako aza ny vorona dia azoko sakanana tsy hanao ny akaniny ao amin'ny volon-dohako izy". Rehefa misy filan-dratsy miserana ao an-tsaintsika ka ankamamiantsika na fotoana fohy monja aza dia efa namela azy "hanorina akany" isika izany hoe efa nanota isika.

Raha vao leferina ny fisainana mamoafady dia vao mainka andevoziny ilay olona. Miha sarotra hatrany ny fialana amin'izany fisainan-dratsy izany rehefa ela ny ela. Arakaraky ny fitadiavantsika vonjy haingana no hahamora kokoa ny fialana amin'izany. Ny fandresena ny sain-dratsy (toy ny fandresena ny fahotana hafa rehetra) dia avy amin'ny fiaikentsika ny fahadisoantsika ankitsipo, avy amin'ny faniriantsika mafy hahazo fanafahana, avy amin'ny fanekentsika fa efa niara-maty tamin'i Kristy isika ary avy amin'ny fanolorantsika tanteraka ny tenantsika sy ny saintsika ho an'ny Tompo (Romana 6:1-14).

Tsy maintsy "mandeha araka ny Fanahy" koa isika ary tsy maintsy miara-miasa Aminy amin'ny fifehezantena raha te ho mpandresy lalandava (Galatiana 5:16-19). Raha tsy vitantsika ny mifehy ny masontsika sy ny sofintsika (ka tapahintsika avokoa ny famakiana sy ny fijerena ary ny fihainoana zavatra mamoafady), dia tsy ho vitantsika ny hifehy ny saintsika (izany no tena hevitry ny Matio 5:28-30). Ny fifehezantena dia ilaina tokoa mba hialan'ny eritreritra mamoafady. Ireo olomasina lehibe maro dia niaiky avokoa fa tsy maintsy niady tsy tapaka tamin'ny fakam-panahin'ny eritreritra mamoafady izy ireo. Tsy maintsy nofaizin'izy ireo mafy ny tenany mba hahazoany fandresena.

Joba, na dia lehilahy nanambady sy nanan-janaka folo aza, dia nahafantatra fa raha te ho afaka amin'ny fisainana mamoafady izy dia tsy maintsy nifehy ny masony. Hoy izy "efa nanao fanekena tamin'ny masoko aho mba tsy hijery zazavavy hila azy" (Joba 31:1 - dikanteny Baiboly Living). Ho an'ny lehilahy, ny fakam-panahy lehibe indrindra dia tonga amin'ny alalan'ny maso. Raha tsy tandremana tsara ny maso fa avela hisy eritreritra na sary misy filan-dratsy hiditra ao an-tsaina amin'ny alalan'ny vavahadin'ny maso, dia mety tsy ho azo esorina ao intsony izany.

Tsy maintsy fenointsika Tenin'Andriamanitra isan'andro ny saintsika, satria raha ampoky ny Tenin'Andriamanitra ny saintsika dia fiarovana azo antoka indrindra tsy idiran'ny sain-dratsin'ny filàna izany. Hoy Davida "Efa nosaintsainiko lalina ny Teninao ary efa noraketiko tato am-poko mba hihazonany ahy tsy hanota" (Salamo 119:11 - dikanteny Baiboly Living). Ny Baiboly koa dia milaza hoe "Raha soa eo imasonareo ny fankasitrahan'Andriamanitra dia afantohy amin'izay zavatra masina sy marina sy madio sy mahate-ho-tia ary tsara laza ny sainareo" (Filipiana 4:8 - dikanteny Baiboly JB Phillips).

Mety hisy hiteny hoe malalaka loatra ny fitondran-tenan'ny olona eo amin'ny tontolo manodidina antsika ka sarotra be amintsika ny ho afaka tanteraka amin'ny eritreritra misy filàn-dratsy. Kanefa tsy vao tamin'izao taon-jato faharoapolo izao no nisian'ny toe-javatra tahaka izany. Tamin'ny taon-jato voalohany dia tao Korinto ny ivotoeran'ny filibana sy ny fijangajangana, kanefa ny Fanahin'Andriamanitra dia namporisika ny kristiana tao mba hamabo sy hamatotra ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy (2Korintiana 10:5). Izany koa no asain'ny Fanahy Masina ataontsika ankehitriny. Mety ho ety sady sarotra ny lalana mankany amin'ny fiainana, kanefa ny Fanahy Masina dia afaka mampahery antsika handeha amin'izany lalana izany.

Ny fifehezantsika tena tahaka izany dia tsy midika akory hoe tokony hankahalaintsika ny vehivavy raha lehilahy isika na ny lehilahy raha vehivavy isika. Tsy izany velively ! Raha mahasarika ny tovolahy ny tovovavy na mahasarika ny tovovavy ny tovolahy dia tsy fahotana akory izany. Voajanahary izany. Tsy diso isika raha finaritra mijery hatsaran-tarehy toy ny mijery ny hakanton'ny voarin'Andriamanitra. Kanefa noho isika olombelona efa lavo, raha tsy mitandrina isika dia hanomboka hahatsikaritra ny bikabikan'ilay tovovavy ka hanana filàn-dratsy. Izany fitsiriritana ankizivavy na ankizilahy izany, na dia madio aza, dia mety ho tonga lalana idiran'ny fisainana misy fahavetavetana ao anatintsika.

Ny fiarovana antsika amin'izany dia ny mankato avy hatrany ny feon'ny Fanahy Masina ao anatintsika rehefa mandinika antsika Izy ka mampitodika ny masontsika sy ny eritreritsika any amin'ny lalan-kafa. Tokony hivavaka matetika koa isika hoe "Tompo o, aza avela hiatrika fakam-panahy (eo amin'ity sehatra ity) izay tsy haiko resena aho". Tovolahy maro no nahazo fandresena tamin'ny alalan'ny vavaka natao am-pahatsorana tahaka izany.