written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana
WFTW Body: 

Izao no nosoratan'i Paoly ho an'ny fiangonana tao Korinto : " Ary ianareo no Tenan'i Kristy, ka samy momba ny Tenany avokoa araka ny anjaranareo avy " (1 Kor. 12:27). Ny taratasy nosoratan'i Paoly ho an'ny Efesiana dia mifototra manodidina ny fahamarinana lehiben'ny maha-Tena iray ao amin'i Kristy ireo olona mpino. Kristy no Lohan'ny fiangonana ary ny fiangonana no Tenan'i Kristy (Efe. 1:22,23). Ny mpino tsirairay dia samy momba izany Tena izany avokoa. Izao no vakiantsika ao amin'ny Efesiana 4:1-2 : " Ary noho izany izaho, mpifatotra ao amin'ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavan a". Andriamanitra dia mitady fanetren-tena, fahalemem-panahy ary faharetana. Ny Efesiana 4:2 (Baiboly Living) dia milaza hoe " Samia mandefitra amin'ny fahadisoan'ny namany avy noho ny fifankatiavanareo ". Tsy misy tonga lafatra na iray aza ny olona ao am-piangonana. Samy manao fahadisoana avokoa ny olona rehetra. Noho izany dia tsy maintsy miaritra ny fahadisoan'ny namantsika avy isika ao am-piangonana. "Raha manao fahadisoana ianao dia hosaronako izany. Raha misy zavatra tsy vitanao dia hovitaiko". Izany no tsy maintsy fiasan'ny Tenan'i Kristy. Izao no vakiantsika ao amin'ny Efesiana 4:3 " Mazoto (mazotoa) mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana ". Ny firaisana dia lohahevitra lehibe ao amin'ny ankamaroan'ireo taratasy nosoratan'i Paoly. Ary ny firaisana koa no vesatra ao am-pon'ny Tompo ho an'ny Fiangonany. Ao amin'ny Tenan'i Kristy, ny momba ny tena tsirairay dia mifandray ao anaty amin'ilay Loha aloha voalohany indrindra, ary avy eo dia mifandray ao anaty tsy afa-misaraka amin'ireo momba ny tena hafa. Ireo momba ny tena ireo dia tsy maintsy mitombo tahaka ny anankiray mandra-pahatonga ny firaisan'izy ireo hitovy amin'ny firaisan'ny Ray sy ny Zanaka (Jao. 17:21-23).

Ao amin'ny Efesiana 4:16, no iresahan'i Paoly ny momba " ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan'ny isan-tonony, araka ny fiàsan'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin'ny fitiavana ". Ny tonony resahina eto dia ny fiombonana. Eritrereto ange ny isan'ny tonon-taolana eo amin'ny sandry anankiray fotsiny. Misy tonon-taolana eo amin'ny soroka, misy anankiray koa eo amin'ny kiho, iray eo amin'ny hato-tanana, ary avy eo misy telo isaky ny rantsan-tanana, izany hoe farafahakeliny misy 17. Ny tonon-taolana no ahafahan'ny sandrinao miasa malalaka tsara. Raha matanjabe ny lanto-tsandrinao ary matanjaka koa ny lanton-tananao, kanefa ny kihonao miridiridy, inona no ho vitanao amin'izany sandry izany ? Tsy misy. Tsy hery fotsiny no ahavitan'ny sandrinao zavatra. Fa ilaina koa ny tonon-taolana miasa tsara. Eritrereto amin'izay ny fampiharana an'izany ao amin'ny Tenan'i Kristy. Misy rahalahy mahafatrapo anankiray ohatra, lanton-tsandry matanjaka izy. Dia misy koa rahalahy mahafatrapo anankiray hafa, lanton-tanana matanjaka iny. Kanefa tsy manana fiombonam-panahy izy roalahy. Izany no loza manjo ny Tenan'i Kristy amin'izao andro izao. Ao amin'ny vatan'ny olombelona, dia artirita (arthrite) no iantsoana an'izany ary tena mampanaintaina ireo olona mararin'izany. Fiangonana marobe no voan'ny artirita. Rehefa miasa tsara ny vanin-taolana, dia tsy misy feo re. Fa rehefa voan'ny artirita kosa ny vatana, dia midridroka ary ny fihetsika atao rehetra dia ratsy faneno. Dia tsy misy valaka amin'izany ilay antsoin'ny olona hoe "fiombonana" eo amin'ireo mpino sasany. Midridroka. Fa rehefa miasa tsara kosa ny tonon-taolana dia tsy misy feo re na kely aza. Ny fiombonantsika miaraka amin'ny hafa dia tsy maintsy mitovy amin' izany. Fa raha tsy izany no mitranga amin'ny fiombonana miaraka aminao dia mila mihinana fanafody artirita ianao : mila maty amin'ny "fiainan-tsitrapo". Dia ho sitrana ianao ary hisy voninahitra be ny fiombonanao miaraka amin'ny hafa. Izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'ny Tenan'i Kristy.

Tao amin'ny Testamenta taloha dia tsy azon'ny vahoakan'Andriamanitra jiosy natao ny tonga tena iray. Tsy azo natao izany raha tsy taorian'ny niakaran'i Jesosy tany an-danitra sy nandrotsahany ny Fanahy Masina hitoetra ao anatin'ny olona. Ankehitriny, dia azon'ny roa atao ny tonga iray. Tao amin'ny Testamenta taloha, Isiraely dia antokon'olona. Nitombo isa ny firenena, kanefa dia mbola nijanona ho antokon'olona ihany. Ao amin'ny Testamenta vaovao kosa, ny fiangonana dia Tena fa tsy antokon'olona. Raha tsy azon'ny roa atao ny tonga iray dia antokon'olona ihany izany ilay izy. Ny zava-dehibe ao amin'ny tenan'i Kristy dia tsy ny hamaroan'isa fa ny firaisana. Ary araka izany fenitra izany dia tena sarotra ny mahita 'fiangonana' tsy antokon'olona. Hatraiza hatraiza dia ahitantsika antokon'olona mitombo hatrany amin'ny hamaroana, kanefa tsy mitombo amin'ny firaisana. Fifandirana sy fialonana ary fifaninanana no hita ao, na dia ao amin'ireo mpitarika aza. Andriamanitra dia maniry mba hisy fanehoana ny Tenan'i Kristy any amin'ny toerana samy hafa eran'izao tontolo izao.

Ao amin'ny Tenan'i Kristy dia sarobidy avokoa ny olona tsirairay, na dia izay tsy mahay zavatra aza. Sarobidy izy satria isan'ny momba ny Tena. Raha ny marina aza dia voalaza fa omen'Andriamanitra voninahitra bebe kokoa ireo izay tsy mahay mba hisian'ny firaisana ao amin'ny Tena ( 1 Kor. 12:24,25). Ao am-piangonana, dia tsy maintsy manaraka ny ohatra nomen'Andriamanitra isika ary manome voninahitra ireo olona izay tsy mahay na inona na inona, raha toa ka matahotra an'Andriamanitra sy manetry tena izy ireo. Ao Babylona, ny mpitory mahay, ny mpihira mahay, ny mpanamory sambondanitra niova fo no omena voninahitra. Fa ao amin'ny fiangonana (tabernakelin'Andriamanitra) kosa, dia omentsika voninahitra ireo izay matahotra an'i Jehovah (jereo Salamo 15:1,4). Babylona sy Jerosalema dia samy hafa tanteraka mihitsy. Ankehitriny dia miantso antsika Andriamanitra hivoaka avy ao Babylona ary hanangana an'i Jerosalema (Apok. 18:4).

Raha mba mahita ny Tenan'i Kristy fotsiny mantsy isika, dia tsy hisy akory izay fialonana. Ao amin'ny vatantenan'olombelona dia tsy mampaninona ny tongotra ny mijanona ho tongotra fotsiny. Tsy maniry na oviana na oviana ny ho tonga zavatra hafa afa-tsy tongotra izy, ary tsy manonofy velively ny ho tonga tanana. Afa-po amin'ny maha-tongotra azy izy. Fantany fa tsy nanao hadisoana Andriamanitra tamin'ny nanaovany azy ho tongotra. Faly izy satria tongotra, faly koa izy mahita ny zavatra vitan'ny tanana, na dia fantany aza fa tsy hahavita zavatra mitovitovy amin'ny vitan'ny tanana izy. Koa tokony hitovy amin'izany ireo olona rehetra izay efa 'nahita' ny Tenan'i Kristy. Rehefa mitsiriritra ny hafa ianao, rehefa tsy mahafaly ny fonao manontolo ny mahita ny momba ny tena anankiray izay ampiasain'Andriamanitra be, dia miharihary fa mbola tsy takatry ny sainao mihitsy ilay fahamarinana. Ny momba ny tena rehetra izay manana fiombonana akaiky amin'ny Loha dia hifaly sy ho ravo rehefa misy momba ny tena anankiray omena voninahitra (1 Kor 12:26).

Ao amin'ny 1 Sam. 18:1-8, dia vakiantsika fa nanao fanekena Davida sy Jonatana. Izany dia sary tsara tarehy tokony haneho ny fifanekena misy ao amin'ny Tenan'i Kristy. Voalaza ao fa ny fanahin'i Jonatana dia raiki-pitia tamin'ny fanahin'i Davida. Izany koa no iantsoana antsika ao amin'ny Tenan'i Kristy, izany hoe hikambana tahaka ny IRAY, ka tsy hisy elanelana (tsy hisy elanelan'ny tsi-fifankahazoana, ny fialonana, ny fiahiahiana, sy ny sisa) ahafahan'ny fahavalo misisika sy mitondra fizarazarana. Tsy misy afaka miditra ao anatin'ny fanekena toy izany raha tsy olona efa mamono tsy tapaka ny nofony.

Misy fifahasamihafana voatendrin'Andriamanitra ao amin'ny Tenan'i Kristy. Ampiasain'Andriamanitra ny fifahasamihafana eo amin'ny toetrantsika sy eo amin'ny fahaizantsika mba hanehoany sarin'i Kristy mifandanjalanja tsara ho hitan'izao tontolo izao. Ao amin'ny tenan'i Kristy dia manana asa fanompoana tokana sy miavaka ianao izay tsy azon'olon-kafa tanterahina. Ary izany asa fanompoana tokana izany dia tsy hifandanjalanja mihitsy. Hitongilana izany. Tsy maintsy ataonao izay hampifandanja ny asa fanompoanao amin'ny fiaraha-miasa sy fiombonana amin'ny olona tsy mitovy asa fanompoana aminao ao amin'ny Tena. Izany no fomba hihazonan'Andriamanitra antsika hanetry tena, amin'ny anaovany antsika miankina amin'ny hafa. Deraina ny Tompo !

Jesosy dia tsy tonga mba hanome fotsiny ny 10 isan-jato amin'ny karamany ho an'ny Ray. Tonga Izy mba hametraka fanekena vaovao sy hanangana ny fiangonan'ny fanekena vaovao. Ary noho izany dia ny 100 isan-jato no nomeny ny Rainy. Ary ankehitriny dia izao no teniny amintsika " Manaraha Ahy". Tsy maintsy vonona ny hanangana ny Tenan'i Kristy isika, na inona na inona tambin'izany, na dia hamoizantsika ny volantsika, ny hajantsika, ny fiadanantsika, ny herim-batantsika, ny lazantsika, ny asantsika, na inona na inona aza izany. Tsy tokony hisy fetra ny sorona rehetra tiantsika atao ho an'ny Tompo. Tsy mahazo mitady izay hahametimety ny fiainantsika isika na izay hampiadana antsika na amin'ny inona izany na amin'ny inona. Ny zavatra rehetra ataontsika dia tsy maintsy mifandraika amin'ny fananganana ny Tenan'i Krisy. Na dia ny asa aman-draharahantsika aza dia tsy maintsy ataontsika fameloman-tena fotsiny mba tsy hahatonga antsika ho vesatra ho an'ny olona hafa ao am-piangonana amin'ny fanohanana antsika ara-bola.