WFTW Body: 

Tsy maintsy malahelo isika noho ny fanaovana tsinontsinona ny batisa (ny fandrobohana) ao amin'ny Fanahy Masina amin'izao androntsika izao. Ankehitriny dia misy fivavahana kristiana anankiroa mifanipaka. Ao ireo izay mandà ny batisan'ny Fanahy Masina tsotra izao, ary ao ireo izay mirehareha ny amin'ny batisa sandoka, azoazo fotsiny, fihetsempo fotsiny (izay tsy nitondra hery ho an'ny asa fanompoany na fahamasinana ho an'ny fiainany). Tsy maintsy miala tanteraka amin'ireo firehana tafahoatra anankiroa ireo isika ary mitady an'Andriamanitra hanome antsika hosotra omban'ny hery mba hahafahantsika mivelona sy manompo araka ny tokony ho izy.

Tsy afaka mitondra ny fiangonana any amin'ny toerana ambonimbony kokoa noho izay efa niakarantsika isika. Raha tsy nanandrana afa-tsy batisa sandoka isika dia tsy hitondra ny hafa hanandrana afa-tsy izany batisa sandoka izany koa. Tsy maintsy voaroboka marina tokoa ao amin'ny Fanahy Masina isika. Tsy ampy anefa izany. Tsy maintsy mivelona mandrakariva ao amin'ny fahafenoan'ny Fanahy Masina koa isika raha tiantsika ny hahomby ho an'ny Tompo. Tsy maintsy « fenoina tsy tapaka ny Fanahy Masina » isika amin'ny fotoana rehetra (Efe. 5:18 - ara-bakiteny).

Raha tiantsika hahomby ny asa fanompoana ataontsika ao am-piangonana dia tsy maintsy ataontsika vaindohan-draharaha ny fitomboana ara-panahin'ireo rahalahy sy anabavy ao. Hanosika antsika izany hitady an'Andriamanitra sy hitady ny fanomezam-pahasoavana faminaniana, mba hahomby ny fanompoana ataontsika ho an'ireo mpiara-mivavaka amintsika. Tsy misy asa fitorian-teny mahomby raha tsy miaraka amin'izany fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina izany. Noho izany dia tsy maintsy katsahintsika amin'ny fontsika rehetra ny fanomezam-pahasoavana faminaniana. Ny fanoharana nataon'i Jesosy momba ilay lehilahy anankiray nidodododo nankao akaikiny tamin'ny sasakalina mba hangataka mofo ho an'ny sakaizany, dia mampianatra antsika hikarakara ireo olona mila fanampiana ao am-piangonantsika. Izany dia hahatonga antsika handondona eo am-baravaran'Andriamanitra sy hitady Azy mandra- « panomezany antsika ny herin'ny Fanahy Masina, ampy amin'izay ilaintsika» (Ampitahao Lioka 11 and. 8 sy and. 3)

Ao amin'ny fanekena vaovao, ny atao hoe maminany dia midika hoe milaza ny Tenin'Andriamanitra eo ambany fanosoran'ny Fanahy Masina mba hananarana, hampaherezana ary hampandrosoana ny fiangonana (1 Kor. 14:4,24,25). Ao amin'ny Korintiana voalohany toko faha-14 i Paoly dia manitrikitrika ny maha-zavadehibe ny faminaniana ao anaty fivoriam-bavaka. Raha azo natao ny nanorina ny fiangonana tsy miaraka amin'izany faminaniana eo ambany hosotra izany dia tsy maintsy ekentsika fa tsy nisy antony tokony nanomezan'Andriamanitra izany fanomezam-pahasoavana izany ho an'ny fiangonana. Raha izany no izy, ilay fananarana hoe « maniria fatratra ny haminany » (1 Kor. 14:1,39) dia fananarana tsy ilaina. Ny tena marina anefa dia tena ilaina amin'ny fampandrosoana ny fiangonana izany fanomezam-pahasoavana izany. Ny fiangonana izay tsy manana na dia rahalahy anankiray aza maminany ao amin'ny Fanahy Masina dia fiangonana maty ara-panahy no fiafarany.

Ny fanaovana tsinontsinona ny hosotry ny Fanahy Masina dia mitovy ihany amin'ny filazana fa tsy nilaina ny fahatongavan'ny Fanahy Masina tamin'ny andro Pentekosta ary tsy mila fanampiana avy amin'ny Tompo isika hanaovantsika ny asany ! Izany dia tena fahadisoana bevava tahaka ny filazana hoe tsy nilaina ny fahatongavan'i Jesosy Tompo tety an-tany, ary azontsika atao ny miditra ny fanjakan'Andriamanitra tsy misy an'i Jesosy! Ny fanaovana tsinontsinona ny fahatongavan'ilay Persona Fahatelo n'ny Trinite dia mitovy ihany amin'ny fanamavoana ny Fanahy Masina ary izany dia fahotana tena mandoza tokoa tahaka ny fanaovana tsinontsinona ny fahatongavan'ilay Persona Faharoan'ny Trinite.

Tsy tokony hanamaivan-danja ny hosotry ny Fanahy Masina isika satria mahita hoe tevatevain'ny mpino sasany izany hosotra izany. Raha tsy manana ny herin'ny Fanahy ianao dia hiantehitra amin'ny fahaizanao sy ny traikefanao amin'ny fanaovanao ny asan'ny Tompo. Ary tsy hahatanteraka ny fikasan'Andriamanitra mihitsy izany.

Etsy an-daniny dia tsy maintsy afahana amin'ny fanaon'ny Fariseo sy ireo mpanaraka fombafomba aman-dalàna ny olona. Etsy anilany dia tsy maintsy afahana amin'ny firoaroavana sy amin'ny fanaon'izao tontolo izao izy. Iza no olona hahefa izany asa fanompoana izany ? Ny olona izay ampian'ny Fanahy Masina ihany. Izany no antony tsy maintsy itadiavantsika an'Andriamanitra hanomezany antsika tsy tapaka ny fahendren'ny Fanahy Masina sy ny heriny. Rehefa nivavaka ho an'ireo Kristiana tao Efesosy Paoly, dia nivavaka izy mba hahafantaran'izy ireo ny fahendren'ny Fanahy Masina sy ny herin'ny Fanahy Masina (Efe. 1:17;3:16). Izany koa no vavaka tokony ataontsika.