written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana
WFTW Body: 

Daniela no anankiray tamin'ireo olona izay azon'Andriamanitra nampiasaina tao amin'izany taranaka izany. Fony tovolahy vao 17 taona izy dia " ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany" (Dan. 1:8). Ary rehefa hitan'i Hanania sy Misaela ary Azaria fa i Daniela izay mbola tanora nefa nijoro tsara ho an'ny Tompo, dia mba nanana fahasahiana nijoro ho an'ny Tompo koa izy ireo (Dan. 1:11). Tsy nanana herim-po hanaovana izany izy ireo raha ny tenany samy irery fotsiny. Fa rehefa nahita an'i Daniela nijoro tsara izy ireo dia mba nanjary feno fahasahiana koa. Betsaka ny olona tahaka azy ireo amin'izao andro izao, dia ireo olona izay tsy manana fahasahiana ho an'ny Tompo rehefa irery, fa miandry olona tahaka an'i Daniela vao mahajoro. Ary dia hiaraka amin'iny olona iny izy. Vonona ho Daniela tahaka izany ve ianao ? Vonona ve ianao hiteny hoe "Tsy handoto ny tenako aho, tsy hitady izay hahafaly ny mpanjaka aho, na izay hahafaly ny mpiadidy, na izay hahafaly ny loholona efa nivily lalana, na iza na iza. Hijoro zato isan-jato amin'izay lazain'ny Tenin'Andriamanitra aho". Amin'izao andro izao dia tena ilaina tokoa ny asa fanompoan'i Daniela eto amin'ny tanintsika, tena ilaina ireo lehilahy sy vehivavy vonona ny " hamerina ny maro amin'ny fahamarinana" (Dan. 12:3). Io andininy io dia tsy nosoratana mba hilazana ireo olona mitory teny momba ny fahamarinana, fa hilazana ireo olona izay mitarika ny hafa hankany amin'ny fahamarinana, amin'ny teny sy amin'ny oha-piainana.

Vakiantsika ao amin'ny Baiboly koa anefa ny asa fanompoana anankiray, izay mifanohitra tanteraka amin'ity "ministeran'i Daniela" ity, dia ny "ministeran'i Satana". Ao amin'ny Apokalipsy 12:4 no amakiantsika fa i Losifera dia nahatarika anjely anapitrisany maro izay nanaraka azy tamin'ny fiodinany tamin'Andriamanitra. Fa nahoana moa Andriamanitra no namela an'i Losifera hampivily lalana anjely marobe toy izany ? Mba hanadiovana ny lanitra tamin'ireo anjely tsy afa-po sy ireo anjely mpiodina rehetra. Tsy ho hita niharihary ny fo ratsin'izy ireo raha tsy nisy an'i Losifera nitsangana teo afovoany nitarika azy ireo niodina tamin'Andriamanitra.

Ary noho izany, na ankehitriny izao aza, dia avelan'Andriamanitra ny rahalahy sy ny anabavy hanao ny ministeran'i Satana ao am-piangonana. Homen' Andriamanitra alalana izy ireny hitety trano hifosa sy hiampanga olona, hilaza lainga ary hanendrikendrika. Ny antony dia hanadiovana ny Tenan'i Kristy satria ho fantatra sy ho hita ampahibemaso ireo mpino ao am-piangonana izay tsy afa-po, mpiodina amin'Andriamanitra ary mbola an'izao tontolo izao, mba hanangonana azy ireo sy androahana azy hiala ao amin'ny fiangonana. Andriamanitra dia tsy hanakana ny olona mirotsaka ao amin'ny ministeran'i Satana tsy hivezivezy ao am-piangonana, tahaka ny tsy nanakanany an'ilay Losifera voalohany tany an-danitra, taona anapitrisany maro lasa izay. Izany dia fahendren'Andriamanitra.

Tsy natao hiady amin'ny rahalahy sy rahavavy tahaka ireny mihitsy isika. Andriamanitra Izy Tenany ihany no hiaro ny fiangonana, ary amin'ny fotoana iray dia haringan'Andriamanitra ireo izay manimba ny fiangonana ( 1 Kor. 3:17). Kanefa mahari-po tokoa Andriamanitra ary miandry taona maro alohan'ny hitsarany, satria tsy misy tiany ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana avokoa ny olona rehetra. Tamin'ny andron'i Noa, dia niandry 120 taona Andriamanitra. Kanefa rehefa mitsara Andriamanitra, dia henjana ny famaizany. Noho izany dia hadalana ny mirehareha sy milaza fa tsy misy fizarazarana velively ao amin'ny fiangonana anankiray. Tany an-danitra mihitsy dia efa nisy ny fizarazarana teo amin'ireo anjely, vao tany am-piandohana. Ilaina ny fizarazarana tahaka izany, satria " tsy maintsy misy fitokoana eo aminareo mba haseho eo aminareo izay olona ankasitrahana (ankasitrahan'Andriamanitra) " (1 Kor. 11:19). Ny mazava dia tsy maintsy ampisarahina amin'ny maizina. Tsy fizarazarana izany. Fanadiovana izany. Raha tsy ao izany, dia ho simba ny teny filazana an'Andriamanitra ety an-tany.

Isika rehetra dia tsy maintsy manana, na ny ministeran'i Daniela, izany hoe manorina firaisan-kina sy fiombonana ao am-piangonana, na ny ministeran'i Losifera, izany hoe mamafy korontana. Tsy azontsika atao ny tsy misafidy. Jesosy dia nilaza fa izay tsy miara-mamory Aminy dia manely ny olona hanalavitra Azy. Tsy misy afa-tsy ministera anankiroa ao amin'ny fiangonana : mamory sy manahaka (Mat. 12:30).

Enga anie isika hanana fahasoavana sy fahendrena hiainantsika araka ny sitrapon'Andriamanitra amin'izao andro farany izao, mba ho voaorina ho vavolombelona madio ny fiangonana any amin'ny toerana rehetra, ho voninahitry ny anaran'Andriamanitra.