WFTW Body: 

1- Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa

Ny fotoana lany tamin'ny fidonànam-poana sy ny fahotana dia tsy himpody intsony. Azon'Andriamanitra avela ny helotsika tamin'ny nandanilaniana foana ny fiainana ary mbola ekeny hiditra ny fanjakany ihany isika. Kanefa na dia Andriamanitra aza dia tsy afaka hamerina ireo taona maro izay efa nolanilaniantsika. Ny fotoana nolanilaniana dia fotoana very mandrakizay. Tsy ho tafaverina intsony. Izany no antony tena mahamety ny fanarahanao dia ny Tompo dieny mbola tanora ianao. Ny fotoana iainantsika eto an-tany dia fohy dia fohy. Noho izany dia zava-dehibe indrindra ho anao ny manararaotra ny andro azo anaovan-tsoa sy ny manararaotra ny fotoana mahamety rehetra handresena ny fakam-panahy ary ny manisy soa ny olona rehetra. Aoka ianao hamaka tsara ao amin'ny fanetren-tena, ao amin'ny fahadiovana ary ao amin'ny fitiavana, na inon-kidona na inon-kitranga. Indray andro any, rehefa miverina Jesosy, ka hifanatri-tava aminy isika, dia tsy tokony hisy nenina hahazo anao vokatry ny fitondranao ny fiainanao taorian'ny nandraisanao fahazavana avy tamin'Andriamanitra. Rehefa mahita an'i Jesosy amin'izay andro izay ireo mpino marobe ka ho hitany miharihary ny haben'ny fitiavan'i Jesosy azy, dia ho safotry ny alahelo sy ny nenina bevava izy satria olona tsy nisy hafanam-po nandritra ny fiainany tety an-tany, na dia tafiditra ny lanitra ihany aza. Enga anie Andriamanitra hamonjy anao tsy ho tratr'izany nenina izany. Fotoana izao izay hisaintsainana momba izany sy hananantsika fahendrena. Aza amidy mihitsy ny fizokianao (fitahiana ara-panahy) mba hahazoana hanina indraim-bava (fahafinaretan'ny vatana), tahaka izay nataon'i Esao. « Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra sy fahamasinana, fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo » (Heb. 12:14). « Atsy ho atsy, hifanatri-tava amin'ny Tompo isika dia hanenina hoe, tahaka izay Izy nomeko mihoatra, mihoatra be dia be... » (Tononkira).

2- Aoka havaozina isan'andro isan'andro ny toetrao anatiny

Ny toetsika anatiny dia mihalò isan'andro. Tonga ho azy fotsiny izany. Ny sitrapon'Andriamanitra kosa anefa dia mbahohavaozina isan'andro koa izany toetsika anatiny izany ( 2 Kor. 4:16). Izany fanavaozana izany kosa anefa dia tsy tonga ho azy. Ny ankamaroan'ny mpivavaka dia tsy havaozina isan'andro, satria tsy ataony ilay zavatra anankiray izay efa nambaran'i Jesosy fa tsy maintsy ataontsika isan'andro. Dia ny fitondrana ny hazo fijaliana izany (Lioka 9:23). Rehefa nohavaozina ny toetra anatin'ny olona dia tsy mitsahatra mitombo ao anatiny ny fiombonany aina amin'i Jesosy. Tsy mitranga izany raha tsy mitondra ny fahafatesan'i Jesosy eo amin'ny tenantsika isan'andro isika ( 2 Kor. 4:10). Ny andro tsirairay dia mitondra ny anjara fahoriany, ny anjara fitsapany ary ny anjara fakam-panahiny (araka ny voalazan'i Jesosy ao amin'ny Matio 6:34). Ao anatin'ireny fitsapana ireny no tsy maintsy itondrantsika ny hazo fijaliana sy amonoantsika ny tenantsika. Koa ny fakam-panahy tsirairay dia natao mba hamokarantsika voninahitra kely.

Tsy sitrapon'Andriamanitra ny hananantsika fiainana miaka-midina (indraindray eny an-tampon-tendrombohitra ary indraindray ao anaty lava-pako). Ny fanirian'Andriamanitra dia mba hisondrotra hiakatra foana ny fizotry ny fiainantsika, izany hoe mba hohavaozina tsy tapaka foana ilay toetsika anatiny. Noho izany dia tsy maintsy mazoto mandrakariva isika mitondra ny fahafatesan'i Jesosy isak'izay misy ahafahantsika manao izany isan'andro isan'andro. Tsy avy amin'ny 'fahataitairana' mandritra ny fivoriam-bavaka sy ny fihaonambe akory no hahazoantsika fiombonan'aina amin'Andriamanitra. Maro ny olona no mamita-tena sy mihevi-tena ho efa tena ara-panahy, satria netsehin'ny fo mangoraka tao anaty fivoriam-bavaka na fihaonambe. Kanefa tsy dia amin'ny fanatrehana fivoriana na fihaonambe no itomboan'ny olona amin'ny ara-panahy. Ny fitomboana ara-panahy dia azo avy amin'ny fitondrana am-pahatokiana ny hazo fijaliana ao amin'ny asa aman-draharaha mahazatra atao isan'andro. Tsy afaka hamonjy fivoriam-bavaka isan'andro isika. Nefa kosa misy fakam-panahy mahazo antsika isan'andro, ary amin'ny alalan'ireny no afaka hanavaozana antsika isan'andro koa.

Noho izany, ao anatin'ny andro tsirairay izay iainantsika, dia maintsy miezaka isika mba tsy himonomonona sy hitaraina, fa hivelona kosa amin'ny fahatokiana tsotra ny Tompo, rehefa tonga ny fakam-panahy, ary manaiky fa tsy isika no tompon'ny fiainantsika (ka hanao izay tiantsika atao aminy), fa ny Tompo, satria Izy no nanao antsika, Izy no efa nanavotra antsika. Ary dia hotanteraka eo amin'ny fiainantsika isan'andro ny fanavaozana. Kanefa tahaka ny fahalòvan'ny vatantsika izay tsy hita ao anatin'ny indray andro, ary tsy tsikaritra raha tsy afaka fotoana elaela, dia toy izany koa ny fanavaozana ny toetsika anatiny izay tsy tsikaritra raha tsy afaka taona vitsivitsy. Ilay fanavaozana kosa anefa dia efa tonga foana isan'andro isan'andro, raha olona mahatoky isika (2 Kor. 4:16). Noho izany dia aoka ianao ho mahatoky na amin'ny kely na amin'ny lehibe. Any am-parany dia ho hitanao fa tsy nahafaty antoka anao ny nanaovanao izany rehetra izany : ny nanombohanao ny nofonao, ny nanaovanao an'Andriamanitra ho lohalaharana, ary ny niainanao feno ho an'Andriamanitra.