WFTW Body: 

Ny bokin'i Nehemia dia mampiseho fifohazam-panahy miezinezina, nentin'Andriamanitra teo anivon'ny Jiosy tamin'ny fiasan'ny lehilahin'Andriamanitra anankiroa dia Ezra sy Nehemia.

Ao amin'ny toko faha-8 amin'ny bokin'i Nehemia no amakiantsika ny zavatra nataon'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Ezra. Nalain'i Ezra ny Tenin'Andriamanitra ary novoriany avokoa ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ary ny ankizy rehetra efa nahay nihaino. Dia nanao fampianarana Baiboly ho azy ireo nandritra ny adiny 6 izy ! Ary voalaza ao fa tamin'izany " ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin'ny lalàna" (Neh. 8:3). Natomboka tamin'ny fiderana an'Andriamanitra ny fivoriana (Neh. 8:4). Rehefa avy eo dia nikely aina i Ezra nanazava tsara tamin'ny olona ny hevitry ny Teny rehetra novakiana ( Neh. 8:8). Mazava ho azy fa efa nandany volana maro sy taona maro tamin'ny fandalinana ny Tenin'Andriamanitra mihitsy i Ezra matoa nahavita nanazava tsara ny zavatra rehetra tamin'ny olona. Andriamanitra no efa nanomana an'i Ezra tao amin'ny miafina ho amin'io fotoana io.

Nipoaka ny fifohazam-panahy ary nanomboka nitomany noho ny fahotany ny olona (Neh. 8:9). Ary niangaviana ny olona hizara amin'ny hafa ny zava-tsoa efa nomen'Andriamanitra azy ireo. Tamin'izany dia "ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho azy ireo" ( Neh. 8:10). Dia nivoaka ny olona ka nankato izany fiangaviana izany. Ny ampitson'io andro io dia nanao fampianarana Baiboly ho an'ireo mpitarika i Ezra (Neh. 8:13). Rehefa hitan'izy ireo fa isan-taona amin'ny fahafiton'ny volana ny Tenin'Andriamanitra dia nandidy ny Zanak'Isiraely hankalaza ny "andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo", dia nankatoavin'izy ireo avy hatrany ny didy. Izany no fotoana voalohany nankalazana io andro firavoravoana io tao anatin'ny 900 taona teo ho eo, satria mbola tsy nankatoavina mihitsy izany didy izany hatramin'ny andron'i Josoa (Neh. 8:14-17). Na dia i Davida aza, ilay olona araka ny fon'Andriamanitra dia tsy nahavita nampitandrina ny Zanak'Isiraely izany didy izany. Dia notohizan'i Ezra ny fampianarana Baiboly nandritra ny 7 andro manaraka (Neh. 8:18).

Ao amin'ny toko faha 9 amin'ny bokin'i Nehemia no amakiantsika izay zavatra nataon'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Nehemia. Io toko io dia manomboka amin'ny fifadian-kanina nataon'ny Zanak'Isiraely, ny fiaiken-keloka nataon'izy ireo ary ny finiavan'izy ireo hiavaka tamin'ireo olona hafa firenena (Neh. 9:1,2). Rehefa vita izany dia nisy fampianarana Baiboly nandritra ny adiny telo sy fiderana an'i Jehovah nandritra ny adiny telo ary fiaiken-keloka. Dia nipoaka indray ny fifohazam-panahy (Neh. 9:3). Avy eo dia nitsangana ny Levita ary nitaraina mafy tamin'i Jehovah (Neh. 9:4). Manomboka ao amin'ny Nehemia 9:6 hatramin'ny andininy 31, no ahitantsika ny fanoratana ny vavaka lava indrindra ao amin'ny Baiboly manontolo. Rehefa avy eo dia nampahatsiahivin'ny Levita ny tantaran'ny Isiraely nanomboka hatrany amin'ny andron'i Abrahama. Ny tantaran'ny tsi-fahombiazan'izy ireo nandritra ny efapolo taona nivezivezeny tao an-efitra. Ny tantaran'ny Isiraely tamin'ny andron'ireo mpitsara sy mpanjaka ary niaiky ny olona fa ny fanamelohana rehetra nalefan'Andriamanitra dia rariny sy hitsiny avokoa. Dia nibebaka ny olona ary nanisy sonia taratasy fanekena teo anatrehan'Andriamanitra, ka Nehemia no nanisy sonia voalohany indrindra (Neh. 10:1).

Izany rehetra izany dia vokatry ny fiasan'ny olona roa lahy natahotra an'Andriamanitra dia i Ezra sy i Nehemia. Ny asa fanompoana nikambanan'izy mirahalahy dia saika nitovy tamin'ny fiasan'ny fiangonan'ny fanekena vaovao tarihin'ny loholona roalahy. Izany ka tena fianarana ho antsika rehetra tokony halaintsika tahaka ankehitriny.