WFTW Body: 

Ao amin'ny Genesisy toko faha-22 dia miandoha amin'izao teny izao ny fehintsoratra : "Ary rehefa afaka izany zavatra izany …". Rehefa mijery ny toe-javatra niseho taloha kelin'io fotoanan'ny fizahan-toetra io isika, dia mahita fa nandroso tamin-kery i Abrahama. Nanatona azy ireo jentilisa ary niteny taminy hoe, " Ry Abrahama, efa nodinihinay tsara ny fiainanao ary fantatray fa omban'Andriamanitra ianao amin'izay rehetra ataonao " (Genesisy 21:22). Tsy isalasalana fa efa ren'izy ireo ny fomba mahagaga nahazoan'i Saraha zanaka, ary resy lahatra izy ireo fa nomba io fianakaviana io tokoa Andriamanitra. Isimaela dia efa nalefa. Isaka izao no malalan'ny fon'i Abrahama. Tamin'io fotoana io i Abrahama dia notandindomin-doza hahafoy ny fitiavany an'Andriamanitra sy ny firaiketam-pony tamin'Andriamanitra, koa dia nozahana toetra izy ary nasain'Andriamanitra nataony fanatitra Isaka. Nanan-tsofina nenti-nihaino anefa i Abrahama ary nanana fo vonona ny hankato izay rehetra nandidian'Andriamanitra azy. Dia nifoha maraina koa izy ny ampitson'iny ary niainga mba hankato an'Andriamanitra (Genesisy 22:3). Ny Baiboly dia tsy nitantara ny zavatra niainan'ity patriarka efa zokiolona ity nandritra ny alina manontolo, rehefa avy niresaka taminy Andriamanitra. Azoko antoka fa tsy nahita tory izy iny alina iny. Tsy maintsy nifoha sy nivezivezy tsy nitsahatra nijery ny zanany malalany izy ; ary tsy maintsy nipatrapatraka ny ranomasony rehefa nieritreritra ny zavatra izay efa hataony aminy.

Tsy maintsy fahoriana lehibe tokoa ho an'i Abrahama izany hanolotra ho fanatitra ny zanaky ny fahanterany izany. Kanefa vonona ny hankato an'Andriamanitra izy na inona na inona sandany. Efa dimampolo taona teo ho eo talohan'izao, no nitanany ny fangady tarihina rehefa niantso azy tany Ora Andriamanitra, ary tsy izao izy akory no hiherika ( Jereo Lioka 9:62) . Tsy nanam-petra ny fankatoavany ary tsy nanam-pahataperana ny fahavononany hanao fanatitra ho an'ny Andriamaniny. Tsy mahagaga raha tonga sakaizan'Andriamanitra i Abrahama.

Rehefa niakatra hamono an'Isaka hatao fanatitra i Abrahama dia nisy finoana tao am-pony fa Andriamanitra dia hahita fomba hananganana ny zanany amin'ny maty na ohatr'izany. Ny Hebreo 11:19 no manambara izany amintsika. Efa nampanandraman'Andriamanitra an'i Abrahama ny herin'ny fananganana amin'ny maty tao amin'ny vatany sy tao amin'ny vatan'i Saraha tamin'ny fahaterahan'Isaka. Azo antoka fa tsy sarotra amin'izany Andriamanitra izany koa ny mamelona indray an'Isaka rehefa vonoina eo amin'ny alitara izy. Noho izany dia nilaza tamin'ireo zatovony izay navelany teo am-pototry ny tendrombohitra Moria i Abrahama hoe :" fa izaho sy ny zazalahy handeha hankery, ary hivavaka izahay (izahay mianaka) dia hiverina (hiara-hiverina) eto aminareo indray" (Genesisy 22:5). Izany no tenim-pinoana nataony. Nino izy fa hiara-hiverina aminy Isaka.

Jereonareo koa izay nolazainy tamin'ireo zatovony :" Andeha hivavaka amin'Andriamanitra izahay". Tsy nitaraina izy hoe be loatra ny zavatra takian'Andriamanitra amiko ary tsy nirehareha izy ny amin'ny fanatitra lehibe dia lehibe izay efa andeha hataony ho an'Andriamanitra. Tsia. Abrahama dia tsy tafiditra ao anatin'ireo sokajin'olona izay mampahafantatra an-kolaka ny fanatitra ataony ho an'Andriamanitra. Nolazain'i Abrahama fa andeha hivavaka amin'ny Andriamaniny izy. Ary eo no hahafantarantsika ny tena dikan'ny hoe fivavahana. Tsarovy ny teny nataon'i Jesosy indray mandeha, " Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko, ary nahita izy ka faly " (Jaona 8:56). Azo antoka mihitsy fa teto amin'ny tendrombohitra Moria teto no nahitan'i Abrahama ny andron'i Kristy. Tamin'ny fahitana ara-paminaniana no nahitan'ity patriarka zokiolona ity tamin'ny zavatra nataony ny sarin' (na dia nanjavozavo ihany aza) ilay andro anankiray izay hitondran'Andriamanitra ny Zanany Lahitokana hiakatra ny havoan'i Kalvary sy hanolorany Azy ho sorona noho ny fahotan'ny olombelona. Koa tamin'io andro io, teo an-tendrombohitra Moria, no nahafantaran'i Abrahama ny halafon'ny nividianan'ny fon'Andriamanitra ny famonjena an'izao tontolo very izao. Tonga teo amin'ny toerana niombonany akaiky tamin'ny fon'Andriamanitra i Abrahama tamin'io maraina io. Eny, nivavaka tamin'Andriamanitra izy, tsy tamin'ny teny sy ny fihirana mahafinaritra fotsiny, fa tamin'ny fankatoavana sy tamin'ny fanatitra novidiany lafo.

Amin'ny alalan'ny fankatoavana toy izany ihany no ahazoana fahalalana lalina sy manokana an'Andriamanitra. Mety mahavory fahalalana marobe sy fahaizana ara-teolojia tsy misy diso ao anatin'ny saintsika isika : kanefa ny tena fahalalana ara-panahy dia tsy ho azontsika raha tsy amin'ny fahafoizana ny zavatra rehetra noho ny amin'Andriamanitra. Tsy misy fomba hafa ankoatr'izay. Teto Abrahama dia nozahan'Andriamanitra toetra na ny Mpanome na ny fanomezana no tiany kokoa. Isaka dia tsy isalasalana fa fanomezana avy tamin'Andriamanitra, kanefa Abrahama dia notandindomin-doza hiariki-po tafahoatra tamin'ity zanany. Isaka dia efa tonga sampy mety hanakona ny masom-panahin'i Abrahama. Koa niditra an-tsehatra Andriamanitra mba hamonjy an'i Abrahama tamin'izany zava-doza izany.