WFTW Body: 

Marobe ny olona te hiditra ao amin'ny fiangonanay aty Inde satria mahita anay tia mandray vahiny sy malala-tanana. Kanefa raha tsy mitandrina izahay mba hanaisotra avy hatrany ny olona tahaka izany dia tsy ho ela dia hirongatra hankao aminay avokoa ny mahantra rehetra aty Inde ary hahita "firoboroboam-piangonana" tampoka izahay !! Ho azonay ireo olona marobe "niova fo" nentanin'ny vola fa tsy nentanin'ny fahamarinana.

Ho an'ireo olona karamain'ny fiangonana maro aty Inde ankehitriny dia asa fivelomana ny "asa fanompoana" fa tsy antson'ny Tompo. Maro ireo olona tonga mpanankarena rehefa tafiditra mpiangona. Raha toa avy amin'Andriamanitra ny fanambinana azony satria nomeny voninahitra izy ireo noho ny fahamarinam-piainany dia tsara izany. Fa raha avy amin'ny fifandraisany tamin'ny olona mpanankarena tao am-piangonana kosa no nahazoany vola dia efa tsy sitrapon'Andriamanitra izany satria ny fivavahana kristiana dia tsy natao hanangonam-bola.

Ny fiangonana dia toerana fanaovana sorona sy fanomezana, fa tsy toerana natao hahazoana tombom-barotra sy tombontsoa. Mampalahelo fa ny ankamaroan'ny "olona karamain'ny fiangonana" aty Inde ankehitriny dia mahazo karama avo dimy heny ka hatramin'ny folo heny noho ny tokony ho azony raha asa tsotra no nataony. Ny ankamaroan'ny "olona karamain'ny fiangonana" dia tsy mbola nanao asa tsotra na indray andro aza. Tsy nantsoin'i Jesosy ho apostoliny mihitsy izay olona tsy mbola nanao asa tsotra hatrizay niainany. Ny asam-pivavahana kristiana dia efa tonga loharanom-bola lehibe ho an'ny olona maro aty Inde ankehitriny. Ny olona tsy kristiana dia mijery ary miteny hoe "Iny olona iny lasa mpikarama kristiana mba ho tonga mpanankarena". Ary marina ny azy ! Ahoana no ahafahantsika manampina ny vavany ? Rehefa afaka manaporofo ireo olona karamain'ny fiangonana fa betsaka kokoa ny vola azony raha miasa any amin'izao tontolo izao izy.

Ao amin'ny Asan'ny Apostoly toko faha-5 tamin'ny vanim-potoana izay nivarotan'ny olona rehetra ny fananany ka nomeny ny apostoly izany mba hozaraina amin'ny mahantra dia izao no tao an'eritreritr'i Ananiasy sy Safira "Ahoana no fomba hisehoantsika ho olona ara-panahy sady hitazonantsika ny volantsika ?". Koa rehefa avy nivarotra ny taniny izy ireo dia tsy nomeny avokoa ny vola rehetra. Ny fahotan'izy ireo dia tsy hoe ny tsi-nanomezany ny vola rehetra. Ny manome an-kafaliana no tian'Andriamanitra ary tsy mila ny volan'iza n'iza Izy. Hoy Petera tamin'i Ananiasy "Fony tsy namidy ny tany, tsy nanaovanao izay sitraponao va ? Ary rehefa namidy, tsy anao ve ny vola ? Nahoana hianao no nandainga? (Asan'ny Apostoly 5:4). Ny fahotan'i Ananiasy dia ny fihatsaram-belatsihy. Mody niseho ho olona mahafoy ny zavatra rehetra izy. Raha toa izy izao nilaza hoe "Namidinay dimy tapitrisa ny tany. Kanefa heverinay fa ny 20 isan-jato ihany no tokony homenay. Hotehirizinay ny ambiny hivelomanay. Koa indreto ny vola iray tapitrisa". Dia ho nitso-drano an'i Ananiasy i Petera ary ho velon'aina soa aman-tsara izy mivady. Tsy niteny tsy nivolana i Ananiasy. Nandainga izy na tsy nisoka-bava aza, tamin'ny nilaharany fotsiny niaraka tamin'ireo olona mahitsy fo rehetra nahafoy ny fananany manontolo. Kanefa olona nahay namantatra i Petera. Naharihariny ny faharatsian'i Ananiasy sy Safira ary maty noho ny fihatsaram-belatsihiny izy mivady.

Fa nahoana no tsy manao tahaka izany Andriamanitra ankehitriny ? Satria tsy hisy afa tsy olona vitsy kely sisa no ho velona ao am-piangonana raha manao an'izany Izy ? Fiangonana tena nahery no nadio no nisy an'i Ananiasy sy Safira ary izany no antony nahafaty azy ireo. Raha toa izy tany amin'ny fiangonana maty sy ara-nofo be (toy ny fiangonana tao Korinto) dia mety ho nataon'ny olona Loholona tao mihitsy izy. Tena mampidi-doza ny miditra ao amin'ny fiangonana mandroso ho any amin'ny tanteraka raha olona mpirehareha sy mpihatsaravelatsihy ianao. Hokapohin'Andriamanitra ianao ary hesoriny tsy ho tavela ao na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana. Saingy tsy betsaka ny fiangonana tahaka izany ankehitriny. Noho izany dia ho velona ihany ianao na mankany amin'ireo fiangonana maro isan-karazany aza amin'izao andro izao. Raha te ho velon'aina ianao kanefa ianao olona mpirehareha sy mpiihatsaravelatsihy dia mandehana mankany amin'ireny fiangonana ara-nofo sy efa maty ireny.