Ny olona rehetra eto ambonin'ny tany dia samy mikatsaka hasambarana avokoa. Kanefa diso ny fomba ikatsahan' izy rehetra an'izany. Heverin'izy ireo fa ny hasambarana dia ho hitany ao amin'ny fahafinaretan'ny firaisana ara-nofo voararan'ny lalàna, na ao amin'ny habetsahan'ny vola aman-karena na ao amin'ny laza amam-boninahitra na ny hery amam-pahefana sy ny sisa. Marina fa ahitana fientanampo mahafaly ao anatin'ireny. Kanefa hasambarana tsy maharitra.
Tian'Andriamanitra ho sambatra koa isika. Kanefa hoy Izy " Sambatra ny olona izay madio fo" (Matio 5:8). Rehefa manana fahamasinana ihany isika vao tena sambatra. Amin'ny maha-kristiana anao dia nantsoina ianao haneho amin'ny tontolo manodidina anao fa tena sambatra tokoa satria masina. Ary tsy maintsy asehonao amin'ny hafa fa tsy mila izay mety ho fahotana efa nandraran'Andriamanitra ianao mba hahasambatra anao.
Tsy amin'ny fikatsahantsika ireo zavatra eken'ny lalàna akory aza no ahitantsika ny hasambarana, ohatra ny mariazy na ny asa. Afaka manana an'ireny isika, kanefa tsy ireny no hahasambatra antsika. Ao amin'ny Tompo irery ihany isika no ho sambatra. Amin'izay ihany isika vao ho tonga vavolombelona mahefa be ho an'ny fahamarinana voalazan'ny filazantsara.
Jesosy dia tonga mba hamonjy antsika, ary tsy hamonjy antsika amin'ny fahotana ihany, fa hamonjy antsika amin'ny rafitra misy eto amin'izao tontolo izao koa. Satana no andrianan'izao tontolo izao. Izy no ao ambadiky ny lamaody, ny fialam-boly, ny rafi-pampianarana ary zavatra maro dia maro hitantsika eto amin'izao tontolo izao izay toa tsy misy maharatsy azy. Ohatra, raha laniantsika amin'ny fihainoana mozika kristiana tsara ny fotoana malalaka rehetra ananantsika. Fomba entin'i Satana izany hanakanana antsika tsy hanana fitoniana ahafahantsika mihaino ny feon'Andriamanitra indraindray. Koa ilay tsara dia lasa fahavalon'ny tsara indrindra!
Tsy manala antsika amin'izao tontolo izao ny Tompo. Ao amin'ny Jaona 15:17 dia nangataka tamin'ny Ray Jesosy mba tsy hanala ny mpianany amin'izao tontolo izao, fa mba hiaro azy amin'ny ratsy. Eto amin'izao tontolo izao ihany no azo ampiofanina ho tonga masina isika. Ny ahafantarana fa mahazaka rano tsara ny sambo anankiray dia eny afovoan'ny ranomasina no hitsapana azy fa tsy eo amin'ny seranana maina akory!
Jesosy dia nilaza fa ireo olona niaina tamin'ny andron'i Noa sy tamin'ny andron'i Lota dia variana loatra nihinana, nisotro, nividy, nivarotra, nanao trano, namboly, nampaka-bady ary navoaka nampakarina ( Lioka 17:26-28), zavatra tsy voararan'ny lalàna izany. Isika koa dia mety variana loatra amin'ireny "fiahiana izao fiainana izao" ireny ka tsy manam-potoana ho an'Andriamanitra. Izany no zavatra tena atahorana amin'ny andro farany. Ary andro farany mihitsy izao iainantsika ankehitriny izao. Rehefa ambinina ara-bola isika, ka manomboka manarampo amin'ny fiainana dia mora mahafoy an'Andriamanitra. Izao no lazain'ny Baiboly " Ny fahatahorana an'Andriamanitra miaraka amin'ny fitsitsiana no fomba hahazoana tombony ara-panahy lehibe tokoa " (1 Timoty 6:6 - dika malalaka).
Tonga izao ny androm-pamonjena. Tokony hibebahantsika ny amin'ireo fiahiahiantsika zavatra maro ankoatran'Andriamanitra Izy Tenany. Raha tsy madio ny fontsika dia tsy ho tena sambatra isika. Ny fahotana miafina sy ny fihetsika tsy mendrika ataontsika amin'ny hafa dia mahatonga antsika hanjoni-dava tahaka an'i Kaina izay nanontanian'Andriamanitra hoe " Nahoana no manjombona ny tarehinao ?" (Gen. 4:6). Efa nampitandreman'Andriamanitra i Kaina ny amin'ny loza mety hihatra aminy. Efa namitsaka teo am-baravaran'ny fony ny ota, niandry hitelina azy ary nilaza taminy anefa Andriamanitra fa izy no tokony hanapaka ny ota.
Ny fahotana dia akaiky dia akaiky antsika mandrakariva. Sambatra ny olona izay mahatsapa izany amin'ny fotoana rehetra, satria ho mailo sy hiambina izy amin'ny oran'ny fakam-panahy. Ny olona izay mahafantatra ny fahalemen'ny nofony sy mila vonjy lalandava amin'Andriamanitra dia tsy mba ho lavo.