"Midira amin'ny vahahady èty hianareo ; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin'ny fahaverezana. Maro ny olona no miditra amin'ny vavahady lehibe sy mandeha amin'ny arabe migodana." (Matio 7:13-14).
Ny fahaverezana dia ny helo mandrakizay. Niresaka momba ny helo ve Jesosy tao amin'ny Toriteny teo an-tendrombohitra ? Tena izany tokoa. Intelo izy no niresaka momba ny helo. Andeha hojerentsika ny làlana mankany amin'ny fahaverezana. Hoy Jesosy ao amin'ny Matio 5:22 "Raha tezitra amin'ny rahalahinao hianao dia meloka eo anatrehan'ny fitsarana. Raha mampiteniteny foana anao iny fahatezeranao iny dia meloka eo anatrehan'ny fitsarana tampony hianao. Raha vao mainka mampiteny anao ompa sy ozona izany dia helohina any amin'ny helo ianao izany hoe any amin'ny fahaverezana". Mbola miteny koa Jesosy ao amin'ny Matio 5:28 hoe : "Raha misy lehilahy mijery vehivavy amin'ny filàna ao am-pony dia tsara kokoa ho azy raha ongotany ny masony ankavanana fandrao hatsipy any amin'ny helo izy. Tsara kokoa ho anao ny manapaka ny tànanao ankavanana raha mitarika anao amin'ny fahavetavetana ny tànanao". Fa raha tsy izany hoy Jesosy ao amin'ny Matio 5:30 dia mety hatsipy any amin'ny helo ianao. Izany no làlana mankany amin'ny fahaverezana. Rehefa tsy voafehin'ny olona ny fahatezerany sy ny filàn-dratsiny ara-nofo dia izany no atao hoe làlana malalaka mitondra ny olona maro any amin'ny helo. Izao tontolo izao dia feno olona tezitra sy olona vonton'ny faniriana vetaveta sy filan-dratsy tsy voafehy, manararaotra mijery vehivavy sy ny sisa. Izany no làlana malalaka mankany amin'ny fahaverezana.
Ahoana raha milaza ny lehilahy anankiray fa efa kristiana nateraka indray izy kanefa mijery porno ao amin'ny internety, manararaotra mijery vehivavy mahantra ? Ahoana ny amin'ny kristiana anankiray tezitra ka manao teny tsy voahevitra ? Làlana mankany amin'ny fahaverezana daholo izany. Na milaza ny tenany ho kristiana izy na tsia dia mitovy ihany. Efa mizotra eo amin'ny làlan'ny fahaverezana izy. Làlana malalaka izany.
Indraindray dia ampitomboin'ny mpitory fivavahana ny haben'ny làlana. Lazainy fa tsy tokony ho "tery saina" isika ka hilaza hoe izay olona maharesy ireo fahotana ireo ihany no hiditra any amin'ny fiainana mandrakizay. Tsia, manalehibe ny vavahady ho ngeza kokoa noho izay nampianarin'i Jesosy izy ireo. Nolazain'i Jesosy fa ny làlana mankany amin'ny fiainana dia tahaka ny vodi-fanjaitra. Afaka miditra amin'ny vodi-fanjaitra ve ny rameva ? Tsia. Lazain'i Jesosy fa ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny idiran'ny olona mihevitena ho mpanankarena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Tsy ao amin'ny vola sy fananana ihany no misy ny harenantsika. Mety ao amin'ny saintsika ny harena. Mety ao amin'ny fandresen-dahatry ny saintsika rehefa mamaky ny Soratra Masina isika. Noho ny fandresen-dahatra ataontsika dia esorintsika ny maha zavadehibe ilay Tenin'Andriamanitra. Tsy amin'ny làlana malalaka mitondra any amin'ny fahaverezana no hidirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Fa ny vavahady èty dia èty sy ny làlana tery dia tery no mitondra any amin'ny fiainana. Izany no làlana izay torian'i Jesosy ao amin'ny Toriteny teo an-tendrombohitra. Izao no tian'i Jesosy nambara "Ny zavatra rehetra noresahiko teto hatreto no vavahady èty dia èty sy làlana tery dia tery, kanefa izany no làlana mankany amin'ny fiainana. VItsy dia vitsy tokoa ny olona no mahita izany". Manantena ve hianao fa maro be ny olona no hisafidy ny làlana voalaza ao amin'ny Toriteny teo an-tendrombohitra ? Tsia dia tsia tokoa.
Tsy natao ho an'ny olona tsy kristiana ny Toriteny teo an-tendrombohitra. Tsy natao ho an'ireo tsy mpianatry ny Tompo izany. Natao ho an'ireo olona izay efa nametraka ny fanorenana teo amin'ny fiainany tamin'ny fibebahana sy ny finoana an'i Kristy izany, dia ireo olona efa nateraka indray ary efa tonga zanak'Andriamanitra. Raha misy olona tsy mbola nanao an'io dingana voalohany io kanefa miezaka hanaraka ny Toriteny teo an-tendrombohitra dia tahaka ny manangana trano tsy misy fanorenana izy. Fa ny resahina eto kosa dia ireo mpianatra te hanaraka ny Tompo. Ho hitan'izy ireo fa tena vavahady èty izany ary vitsy dia vitsy ny olona no mahita izany. Izaho tsy mba manantena hoe hisy olona marobe hirohotra hankato izay vosoratra ao amin'ny Matio toko faha 5 hatramin'ny faha 7.
Rehefa mahita ireny fiangonana lehibe misy mpiangona anarivony ireny dia mety hanontany tena ianao raha ireo no olona "vitsy" nahita ny làlana mankany amin'ny fiainana. Sa ve ireo olona ireo voafitaky ny mpitory fivavahana sandoka ary efa mizotra amin'ny làlana malalaka mankany any amin'ny fahaverezana ? Tsy te hitsara olona isika. Ho faly aho raha eo amin'ny tanàna anankiray no misy olona telo alina maniry ny hankato ny Toriteny teo an-tendrombohitra sy hanara-dia an'i Jesosy. Hahafaly ahy ny mahita fiangonana misy mpiangona telo hetsy te hanara-dia an'i Kristy. Fa tsy hahafaly ahy kosa ny mahita olona telo hetsy te ho any an-danitra fotsiny nefa tsy te hanara-dia an'i Kristy eto an-tany. Araka ny fandinihako dia te ho any an-danitra avokoa ny ankamaroan'ny mpino nefa tsy manara-dia an'i Kristy akory izy ety an-tany. Tsy tena fiangonan'i Jesosy Kristy izany. Azo antoka fa haharesy izany fiangonana izany ny vavahadin'ny helo ary efa nohalehibeazin'ny mpitory fivavahana ao ny vavahady mba hahafahan'ny olona maro miditra tsy mandoa sarany. Midanadana loatra ny vavahady ka na ny olona tia vola aza dia mieritreritra ny tenany hoe tia an'Andriamanitra. Nohalebiazin'izy ireny ny vavahady ary mamita-tena izy ka mihevitra fa manao ny olona ho mpianatr'i Jesosy ao amin'io fiangonana io.
Mila hitantsika mazava tsara fa tamin'ny faran'ny Toriteny teo an-tendrombohitra no nanazavan'i Jesosy an'io vavahady èty dia èty sy io làlana tery dia tery mitondra any amin'ny fiainana io. Ary vitsy dia vitsy tokoa ny olona no tena mahita izany.
Ny zavatra manaraka nolazain'i Jesosy dia izao : "Tandremo ny mpaminany sandoka" (Matio 7:15). Mila fantarintsika hoe iza ireo mpaminany sandoka ireo tamin'ny teo-javatra nanoratana an'io andininy io. Olona mitory fivavahana hafa ao am-piangonana ve ny mpaminany sandoka ary boky masin'ny fivavahana hafa ve no ampianariny ? Tsia. Ny mpaminany sandoka dia ireo "mitafy hodi-janak'ondry". Ny atao hoe hodi-janak'ondry dia miseho ho mpanompon'i Jesosy Kristy sy ho ondrin'i Kristy. Tonga mitafy hodi-janak'ondry izy ireo. Mitovy amin'ny ondry no fijery azy. Tonga izy miaraka amin'ny Baiboly eny an-tànany kanefa halehibeaziny ny làlana. Tahaka izao no fanazavana diso ataony mikasika ny didin'ny Soratra Masina "Tsy voatery atao io didy io" na hoe "Tsy tena izany ange no tiany lazaina …". Ireo olona ireo dia miezaka manazava zavatra maro ao amin'ny Soratra Masina. Rehefa tonga eo amin'ny Filipiana 4:4 izy hoe "Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo" dia lazainy hoe "tsy hoe mandritra ny andro manontolo isan'andro isan'andro no dikan'izany". Ny tiany lazaina dia hoe amin'ny ankapobeny na hoe amin'ny androatokon'ny andro. Rehefa milaza ny Filipiana 4:6 hoe "Aza manahy na inona na inona" dia hoy izy "tsy midika izany hoe na inona na inona". Milaza fotsiny izany hoe amin'ny ankapobeny dia tsy tokony hanana fanahiana ianao". Rehefa milaza ny 1 Tesaloniana 5:18 hoe isika dia tsy maintsy "misaotra amin'ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy" dia hoy izy "Tsy midika loatra izany hoe ny zavatra rehetra rehetra mihitsy".
Ho hitanao amin'ny andro farany rehefa mijoro eo anatrehan'i Jesosy Kristy ianao fa tena izany mihitsy no tian'Andriamanitra nolazaina tamin'ireny. Tena izay notenenin'i Kristy mihitsy no tiany nolazaina. Raha tsy inoanao ireny teny ao amin'ny Baiboly ireny dia tsory ny marina ka vonoy ny soratra na rovito ny pejy misy an'ireny ao amin'ny Baiboly.
Olona tsy manam-pahatsorana sady mpihatsaravelatsihy ianao raha milaza fa Tenin'Andriamanitra ny Baiboly kanefa tsy arahinao akory. Hotsarain'Andriamanitra izany fihatsaram-belatsihy izany. Olona tso-po no tian'Andriamanitra. Mino aho fa maro ny olona tsy mino an'Andriamanitra no tian'Andriamanitra kokoa noho ireo kristiana mpihatsaravelatsihy satria tso-po izy ireny. Tsy mino an'Andriamanitra izy ireny. Ataony tahaka ny tsy misy Andriamanitra. Ny mpandraharaha eny amin'izao tontolo izao dia milaza fa ny vola no andriamanitra. Ny vola no ivavahany ary mitsotra izany izy. Fa ny kristiana kosa izay manambara fa Jesosy Kristy no tena Andriamanitra ary ny Baiboly no Tenin'Andriamanitra dia izy ireo no mpihatsaravelatsihy raha miaina tahaka ny olon'izao tontolo izao. Tadidio fa fony tety an-tany Kristy dia nohelohiny mihoatra noho ny olona hafa rehetra ny mpihatsaravelatsihy. Voavonjy ilay vehivavy janga. Voavonjy ilay jiolahy teo amin'ny hazofijaliana. Voavonjy ny mpamono olona. Fa ny mpihatsaravelatsihy kosa dia nankany amin'ny helo.