Isika mpitarika fiangonana dia tsy maintsy modely ho an'ny olona ao am-piangonana amin'ny fizorantsika ny lalan'ny hazofijaliana.
Tsy maintsy maniry ho mpanompon'ny olona isika tahaka an'i Jesosy ka tsy maniry ho mpitarika ny olona. Hoy Jesosy "Ny mpanapaka sy ny lehibe eto an-tany dia manjakazaka amin'ny olona. Fa tsy mba toy izany aminareo, fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy. Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo dia ho mpanompon'izy rehetra. Fa Izaho, ilay Mesia, dia tsy tonga mba hotompoina fa mba hamonjy ny olona" (Marka 10:43-45).
Tsy mahazo mamikitra ny toerana na ny anaram-boninahitra hoe "Mpitarika" isika (Matio 23:10)
Tsy mahazo mihevitra ny tenantsika ho ambony kokoa noho ny rahalahy sy anabavy rehetra ao am-piangonana na amin'ny inona na amin'ny inona isika. Raha ny marina dia nodidiana isika hihevitra ny olona rehetra ao am-piangonana ho ambony kokoa noho isika. Tsy hoe hihevitra ny olona ho ara-panahy kokoa noho isika (tsy hisy izany) fa hihevitra ny olona ho mihoatra noho ny tenantsika (Filipiana 2:3)
Tsy maintsy rahalahy aloha isika vao afaka atao mpitarika. Rehefa nanoratra ho an'ny fiangonana tamin'ny faha 95 taonany ny apostoly Jaona dia niantso ny tenany hoe "Izaho Jaona rahalahinareo…" (Apok 1:9). Mampalahelo anefa fa ny ankamaroan'ny mpitarika dia tsy mihevitra ny tenany afa-tsy mpitarika fotsiny. Tsy maintsy mangataka ny fahasoavan'Andriamanitra isika mba hijanona ho rahalahy tsotra foana ao am-piangonana. Ary raha te hiaina toy izany isika dia tsy maintsy miaina ao anatin'ny fifandraisana akaiky sy mifanatrika amin'Andriamanitra mandrakariva.
Ny fahefana ara-panahy izay nomen'Andriamanitra dia tsy azo amparina amin'ny olona na anaovana tery setra . Tsy azontsika atao mihitsy ny manery na iza na iza hankato antsika ary tsy mahazo mifanditra na amin'iza na amin'iza isika (2 Timoty 2:24,25).
Raha manohana antsika Andriamanitra dia tsy mila miaro ny toerantsika isika satria Andriamanitra mihitsy no hiaro antsika sy hampiorina ny fahefantsika. Raha misy olona kosa mitady hanampatra ny fahefany amin'ny hafa dia izany no porofo fa tsy avy amin'Andriamanitra ny fahefany.
Ny mpitarika ara-panahy dia tsy mba miaro tena ary tsy manamarin-tena mihitsy rehefa misy olona mila ady aminy na manendrikendrika azy.
Hoy ny Baiboly "Kristy efa namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany … raha notevatevaina Izy dia tsy mba nanevateva, raha nijaly dia tsy nandrahona ny hamaly faty fa nanolotra ny adiny ho amin'ny Mpitsara marina" (1Petera 2:21-23).
Jesosy dia tsy mba niady tamin'ny olona mihitsy mba hanaporofoany ny fahefany. Andriamanitra no nianteherany hiaro Azy sy hanamarina Azy.
Izany no lalana tsy maintsy izoran'n'ny mpitondra fiangonana rehetra. Raha miaina eo ambany fahefan'Andriamanitra isika dia afaka mametraka tsy aman'ahiahy ny adintsika eo an-tanan'Andriamanitra. Odio tsy hita ny fanalam-baraka sy ny tsikera sy ny fanaratsian'ny olona hamelezana antsika satria Andriamanitra dia efa nampanantena fa hiaro ny mpanompony amin'ny fanafihana toy izany. Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina (Isaia 54:17). Efa imbetsaka no niainako teo amin'ny fiainako izany. Mahasambatra izany.
Ankehitriny dia mampijaly ny fiangonana ny tsi-fahampian'ny mpitarika entanim-panahy mahery tahaka izany.
Indray mandeha Jesosy rehefa nahita ny vahoaka nanatona Azy dia onena azy. "Toy ny ondry tsy misy mpiandry" ary lehibe loatra ny fahorian'ny olona ka tsy fantany izay tokony hataony na izay tokony halehany mba hahazoany famonjena (Matio 9:36 dikan-teny Baiboly Living). Mitovy amin'izany ny toe-javatra misy ankehitriny. Mila mpitarika manana fo toy ny an'ny mpiandry ondry sy manana fanahy toy ny an'ny mpanompo isika, dia lehilahy matahotra an'Andriamanitra sy mangovitra noho ny Teniny, mba hamonjena ny olona mila vonjy ao am-piangonana.
Tsy azontsika hatao mpankafy antsika mihitsy koa ny olona.
Satria manjary tsy mitombo mihitsy ny fifandraisany manokana amin'i Kristy amin'ny maha-Lohany Azy. Tsy misy azontsika avela hiraiki-po amintsika na iza na iza. Fa tokony amporisihana kosa ny olona rehetra hiaina eo anatrehan'Andriamanitra irery ihany. Tsy tokony hitady fankasitrahana avy amintsika ny olona rehefa manao zavatra. Ary raha mahita olona miraiki-po amintsika isika dia tsy maintsy akifaka avy hatrany izy. Rehefa manome torohevitra isika dia tsy maintsy omentsika fahalalahana ny olona na hiray hevitra amintsika na tsia ary tsy maintsy avelantsika hanao zavatra amin'ny fomba tiany hanaovana azy izy. Ary raha mikorontana ny raharaha vokatry ny heviny dia tsy maintsy manampy azy avy hatrany isika ary tsy mahazo miteny aminy mihitsy hoe "Izaho ange efa niteny anao e". Izany no fihetsika asehon'ny mpitarika tena ara-panahy.
"Aoka hofenoina ny Fanahy … sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy" (Efesiana 5:18,21)
Jesosy no fianarana ho antsika rehefa nanaiky ny toe-javatra nampiainana Azy tety an-tany Izy sy nanaiky ny fahefan'ireo ray aman-dreniny nandritra ny 30 taona.
Ary rehefa nahatoky tamin'ireo sehatra ireo Jesosy vao nanome Azy ity taratasy fanamarinana ity ny Rainy tao amin'ny batisa : "Ity ny Zanako malalako Izay sitrako". Izany koa no lalana tokony izorantsika mpitarika.
Hoy ny Baiboly "Maneke ny mpitondra anareo, ka manoava azy, fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon'ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin'ny fifaliana, fa tsy amin'ny fisentoana, fa tsy hahasoa anareo izany" (Hebreo 13:17).
Izany didy izany dia natao ho an'ny mpitarika koa. Tsy maintsy manaiky ny toe-javatra ametrahan'Andriamanitra antsika isika ary tsy maintsy manaiky ny fahefana apetrak'Andriamanitra ho toavintsika, na eny amin'izao tontolo izao na any am-piangonana. Amin'ny alalan'izany koa no handraisantsika fanamarinana avy amin'Andriamanitra mitovy amin'ny an'i Jesosy, izany hoe ankasitrahany isika.
Tsy mahazo manery na iza na iza ho eo ambany fifehezantsika mihitsy isika.
Raha terentsika ho eo ambany fifehezantsika ny olona satria isika no mpitarika dia mampiseho izany fa tsy matoky tena isika sady tsy mahafantatra an'Andriamanitra. Satria Andriamanitra aza dia manome safidy malalaka ny olona na hanaiky Azy izy na hiodina Aminy, ary isika tsy lehibe noho Andriamanitra. Koa amin'ny maha-mpitarika antsika dia tsy manana fahefana hanery na iza na iza hankato antsika isika. Nantsoina hanompo isika fa tsy nantsoina hanery ny olona ho fehezintsika.
Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hisy olona hanaiky antsika noho ny toetra amam-pahaizantsika.
Mora dia mora ho an'ny mpitondra mpanao didy boraingina ny mifehy ny mpiangona amin'ny fihetsika mahery. Ratsy izany. Izany hery manindry izany dia tsy maintsy vonoina. Tsy tokony hisy fisalasalana ao amin'ny mpiangona hilaza ny heviny raha tsy mitovy hevitra amintsika izy. Tsy tokony hisy olona hatahotra antsika. Na i Petera aza dia navelan'i Jesosy hibedy Azy (Matio 16:22). Aoka ianao hanontany tena na sahy mibedy anao ny rahalahinao na tsia ? Raha tsia dia iasao ny famonjena anao mba ho afaka amin'ny fanandratan-tena ianao ary manetre tena mba hanahaka an'i Jesosy fony Izy niaina tety an-tany.
Tsy mahazo mitantana ny fiangonana amin'ny fanaovana didy jadona isika ka mampitondra ny enta-mavesatry ny fitsipika aman-dalàna maro ireo rahalahy sy anabavy.
Hahatonga ny fiangonana hivadika ho fikambanan'ny olona mpanisy lalàna (légaliste) izany ka tsy hahatamana ny rahalahy sy anabavy ao am-piangonana. Fa ireo olona ara-nofo mpanao "eny tompoko" fotsiny indray (izay manaraka ambokony) no hahazo ny fahefana. Ratsy izany.
Tsy ny fampitomboana ny isan'ny fitsipika ao am-piangonana no mamokatra fahamasinana ao anatin'ny olona.
Tsy maintsy mitory ny Tenin'Andriamanitra isika kanefa tsy mahazo manery ny olona hanaraka fombafomba miavaka. Raha manao zavatra ny olona mba hampifaliana antsika fotsiny kanefa tsy resy lahatra ao am-pony izy dia asa maty izany na dia toa "marina" sy tsara aza no fijerin'ny olona azy.
Ny asa maty dia asa atao mba hampifaliana na hampiaiky volana ny olona. Kanefa tsy eken'Andriamanitra ny asa maty rehetra.
Ny asa eken'Andriamanitra dia asa natao hampifaliana an'Andriamanitra irery ihany. Raha te hitarika ny rahalahy sy anabavy hanao izany asa izany isika dia tsy maintsy omentsika fahalalahana tanteraka izy, tahaka ny nanomezan'Andriamanitra fahalalahana tanteraka an'i Adama sy Eva tao amin'ny saha Edena. Ny tena fahamasinana dia tsy azo tanterahina raha tsy amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra irery (2Korintiana 7:1) fa tsy amin'ny fahatahorana ny mpitondra fiangonana akory.
Raha manangana rahalahy tanora Andriamanitra ao amin'ny fiangonana ka manome azy asa fanompoana ary atokisan'ny olona kokoa noho ianao izy dia tsy maintsy manaiky ianao fa Andriamanitra no nanao an'izany. Ary omeo voninahitra ao am-piangonana amin'ny fo malalaka ireny rahalahy tanora voahosotra ireny. Raha tsy izany dia ianao no hanohitra an'Andriamanitra.
Raha raim-pianakaviana be fitiavana ianao dia haniry fatratra mba ho tafita amin'ny fianarana ambony kokoa noho ianao ny zanakao. Ny tena ray ara-panahy dia manana faniriana mitovy amin'izany koa, mba handroso ara-panahy lavitra kokoa noho izy ireo zanany ara-panahy. Raha tsy manana izany faniriana izany ianao ho an'ireo olona tompoinao dia tsy ray ara-panahy ianao. Raha izany no izy dia tsy mendrika hatao mpitarika ianao. Ho tonga sakantsakana amin'ny fanorenana ny Tenan'i Kristy eo amin'ny toerana misy anao ianao.
Ny mpitarika mpanao didy jadona sy mpizaha tavan'olona ao am-piangonana dia mety mieritreritra fa tsy ho tratran'ny famaizan'Andriamanitra noho izany fitondran-tena mamohehatra izany. Kanefa ny Tompo dia mandinika ny zavatra rehetra ary efa noraketiny tsara ny marina momba izany raharaha izany. Amin'ny fotoana voatendriny dia hofaiziny mafy tokoa ireny mpitarika tsy marina ireny. Dia ho hitan'ny olona rehetra fa tsy avelan'Andriamanitra ho afamaina tokoa ny mpitarika mpihatsaravelatsihy izay manjakazaka amin'ny ondry, na manapaka sy masiaka amin'ny hafa sy ny sisa. Tsy misy fizahan-tavan'olona amin'Andriamanitra ! Noho izany "izay manao azy fa efa mijoro tsara dia aoka izy hitandrina fandrao ho lavo" (1Korintiana 10:12).
Hoy ny Hebreo 12:26-28 "Hampihorohoroin'Andriamanitra sy esoriny izay zavatra azo ampihorohoroina mba haharetan'izay zavatra tsy azo ampihorohoroina".
Eto anivon'ny tontolo kristiana manodidina antsika dia mahita mpitory teny malaza latsaka ao anaty fahotana isika ary mahita fiangonana izay toa manaraka ny lamin'ny Testamenta vaovao kanefa misara-bazana sy mihorohoro hatrany amin'ny fotony. Raha te hanorina ny Tenan'i Kristy tsy azo ampihorohoroina eo anivon'izany fihorohoroana rehetra misy ankehitriny izany isika. Izany hoe eo anivon'ny olona tia an'izao tontolo izao sy mpanao marimaritra iraisana etsy an-daniny ary ireo olona mpanisy lalàna (légaliste) sy Fariseo etsy an-kilany dia tsy maintsy manompo an'Andriamanitra "amin'ny fanajana sy ny fahatahorana, fa Andriamanitsika dia afo mandevona" (Hebreo 12:29)
Enga anie isika hizotra amin'ny lalan'ny fanetren-tena mandrakariva mandra-pahatapitry ny fiainantsika. Amena.