WFTW Body: 

Vavaka Taom-baovao :" Tompo ô, mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay manolotra fo feno fahendrena ho Anao " (Salamo 90:12).

Ny fitomboana ara-panahy sy ny fiovantsika hitovizantsika toetra amin'i Kristy dia tsy zavatra tonga ao anatin'ny indray alina. Mandeha miadana izany, izany hoe tsikelikely isan'andro ary miandalana. Araka ny isan'andinin'ilay hira hoe : " Tsikelikely ary isan'andro, tsikelikely foana na amin'ny lafiny inona na amin'ny lafiny inona, no anovàn'i Jesosiko ahy, Tsy tahaka ilay tamin'ny taona lasa intsony aho, ary na manjavozavo aza ny sary hita dia fantatro fa manova ahy Izy, Na dia miadana aza izany fanovana izany, dia izao ihany no fantatro, indray andro any aho dia hitovy toetra Aminy ". Koa andeha isika hanolotena ho an'ny Tompo isan'andro amin'ity taona ity, mba hahafahany manao izany asa fanovàna izany ao anatintsika.

Ovain'ny Fanahy Masina sy ny Tenin'Andriamanitra

Raha avelantsika ho tonga Tompon'ny fiainantsika ny Fanahy Masina, dia hanafaka antsika aloha Izy voalohany indrindra (2 Kor. 3:17). Izany hoe hanafaka antsika amin'ny herin'ny ota, amin'ny fitiavam-bola, amin'ny fampianaran'ny razana izay mifanohitra amin'ny Tenin'Andriamanitra, ary manafaka amin'ny fanandevozan'ny tahotra vavan'olona. Dia hasehon'ny Fanahy Masina antsika avy eo ny voninahitr'i Jesosy ao anatin'ny Soratra Masina ary hataony izay hanovàna antsika miadana hitovizantsika amin'izany endrika izany, amin'ny fanovàny ny fomba fisainantsika ka hanombohantsika hisaina tahaka ny fomba nisainan'i Jesosy (2 Kor. 3:18 ; Rom 12:2 ). Maniry hanao izany asa izany ao anatintsika ny Fanahy Masina amin'ity taona ity. Koa maneke Azy ianao.

Ovain'ny Fiderana sy ny Fisaorana

" Aoka hofenoina ny Fanahy ianareo, ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tononkiram-panahy " (Efe. 5:18,20) Sitraky ny Fanahy Masina ny hanome antsika ny fanahin'ny fankasitrahana izay manafaka antsika amin'izay mety ho fifosafosana, fanaratsiana, fo lentika ary fahatezerana rehetra. Tao amin'ireo topimaso fito nijerena ny tany an-danitra izay hitantsika ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy no nampisehoana fa ireo mponin'ny lanitra dia tsy mitsahatra midera an'Andriamanitra. Ny rivotra iainan'ny lanitra dia fiderana tsy miato, tsy misy fimonomononana na takoritsika. Te hitondra izany atmosfera izany hankao am-ponao sy hankao an-tokantranonao ny Fanahy Masina amin'ity taona ity. Koa maneke Azy ianao.

Ovain'ny Fahasoavan'Andriamanitra

" Ny fahasovan'Andriamanitra no ahavitantsika mandà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ahafahantsika ho velona amin'ny marina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra eto amin'ity tontolo ratsy ity " (Tit.2 : 11,13). Andriamanitra dia te-hanova ny fomba fisainantsika amin'ny alalan'ny fahasoavany ary tiany ho feno fahasoavana ny tenintsika mba hitahiana ny olona rehetra mihaona amintsika amin'ity taona ity (Kol. 4:6). Ny fahasoavan'Andriamanitra koa dia te-hanova ny fomba fifampitondran'ny mpivady amin'ity taona ity ( 1Pet. 3:7). Ary ao anatin'ny adim-panahy rehetra izay atrehintsika amin'ity taona ity dia azon'Andriamanitra omena ny fahasoavany, izay ampy ho antsika na amin'ny inona na amin'ny inona (2 Kor. 12:9). Noho izany manetre tena ianao na inona na inona zava-mitranga amin'ity taona ity, satria ny manetry tena ihany no omen'Andriamanitra ny fahasoavany ( 1Pet. 5:5).

Ovain'ny Fankatoavana

Lazaina amintsika fa Jesosy dia "nianatra fanarahana (fankatoavana) tamin'izay fahoriana nentiny" ( Heb. 5:8). Na inona na inona notenenin'ny Ray tamin'i Jesosy hoe "Tsia", dia nataon'i Jesosy koa hoe "Tsia". Tafiditra tao anatin'izany ny fahoriana nentiny tamin'ny fandavany hatrany ny sitrapony. Taorian'ireny taona maro nandavany ny sitrapony ireny dia "natao tanteraka Jesosy" (Heb. 5:9). Ny teny hoe " tanteraka" eto dia midika hoe "nahafeno". Raha lazaina tsotra dia izao, afaka tamin'ny fanadinana farany tao amin'ny sekolin'ny fankatoavana Jesosy ka azony ny diploma. Izany no diploma tian'ny Fanahy Masina ho azontsika koa. Noho izany dia hampandalovin'ny Fanahy Masina fitsapana marobe isika. Raha tsy afaka amin'ny fitsapana anankiray isika dia mbola homeny fahafahana hamerina izany indray ! Tiany hahazo mari-pahaizana mitovy amin'ny an'i Jesosy isika sady tiany hatao mpandresy (Apok. 3:21) ! Izany no diploma ambony indrindra izay azo omena ny olona. Noho izany, amin'ity taona ity, andeha isika hiteny hoe "Tsia" amin'ny sitrapontsika ary hiteny hoe "Eny" amin'ny sitrapon'Andriamanitra na amin'ny inona na amin'ny inona, miaraka amin'ny herin'ny Fanahy Masina.

Ovain'ny Fampiononana avy amin'Andriamanitra

" Andriamanitra te-hampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay " (2 Kor. 1:3,4). Voahodidina olona mitondra fahoriana maro sy mandalo olana maro isika. Raha tiantsika ny hanampy azy ireny mba ho tonga mpandresy dia tsy maintsy mandalo fahoriana maro sy olana maro aloha isika ary maharesy. Ny hery sy ny fampiononana (fampaherezana) avy amin'Andriamanitra izay entintsika maharesy ao anatin'ireo fahoriana no azontsika omena ny hafa avy eo hampaherezana azy ireo. Tian'Andriamanitra ho tonga fitahiana ho an'ny olona rehetra sy ny fianakaviana rehetra mifanena amintsika isika amin'ity taona ity (Jereo Gal. 3:8,9,14). Tian'Andriamanitra ny hampaherezantsika olona isan'andro amin'ity taona ity (Vakio Heb. 3:13). Enga anie ka hotanteraka izany.

Mirary taona vaovao feno fitahiana tokoa ho anao.