WFTW Body: 

1.Asa fifonana : Ao amin'ny bokin'i Zakaria 3:1, no amakiantsika fa Josoa, mpisoronabe, dia nijoro teo anatrehan'Andriamanitra ary nijoro teo koa Satana mba hiampanga azy. Satana dia miezaka foana hiampanga sy hanaratsy ny mpitondra fivavahana. Ataon'i Satana lasibatra miaraka amin'ny vady aman-janany izy ireny. Aza dia mora mitsara ny mpitondra, satria izy no kendren'i Satana kokoa noho ianao. Ny vady aman-janany no kendren'i Satana kokoa noho ny vady aman-janakao. Nijoro teo Satana mba hiampanga an'i Josoa amin'i Jehovah. Dia namaly Jehovah ka nilaza hoe : « Izaho Jehovah dia mitsipaka ny fiampangànao » (Zak. 3:2). Manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina. Indraindray isika dia variana loatra amin'ilay mpiampanga ka hadinontsika tanteraka ny momba Ilay Solovava izay mivavaka ho antsika. Misy asa anankiroa izay efa eo an-dalam-panatanterahana any an-danitra amin'izao fotoana izao. Ny anankiray dia ny asan'i Satana, asa fiampangàna. Efa niampanga an'i Joba sy Josoa koa izy. Misy asa faharoa koa atao any an-danitra izay miara-dalana amin'io asan'i Satana io. «Jesosy velona mandrakizay hanao fifonana ho antsika » ( Hebreo 7:25). Ny asa anankiroa izany dia ny asa fiampangàna sy ny asa fifonana. Ny olona izay miray amin'i Satana dia hiampanga ny hafa. Isak'izay mifosa na manendrikendrika mpino anankiray ianao, na efa fantatrao na mbola tsy fantatrao, dia efa mifampitantana amin'i Satana ianao sady miteny hoe « Marina mihitsy ny anao ry Satana, ohatran'izany mihitsy izy ». Fa isak'izay mivavaka ho an'ny mpino anankiray marefo ara-panahy ianao, dia mifampitantana amin'i Jesosy sady miteny hoe « Tompo ô, marina mihitsy ny anao. Tsy maintsy mivavaka ho an'io rahalahy io isika sy mamonjy azy amin'io olana io ».

2.Asa fampaherezana : Zakaria dia nanana asa fanompoana mahafinaritra, fampaherezana ho an'ny olona kivy. Rehefa tafaverina ireo Jiosy, avy tany Babylona izay nanandevozana ireo razany dia nahantra sy fadiranovana izy ireo. Raiki-tahotra sady kivy. Tsy nisy mpijery. Tsy nanan-kaja, tsy nanam-pahaizana, tsy nanan-karena tahaka ireo razambeny tamin'ny 200 taona lasa. Nantsoina i Zakaria mba hampahery azy ireo. Ao amin'ny bokin'i Zakaria 8:6,8 dia izao no lazain'i Jehovah « Izany rehetra izany dia mety mahagaga eo imasonareo ankehitriny, ianareo sisa, izay sady vitsy no kivy amin'ny firenen'Andriamanitra. Kanefa heverinareo fa mahagaga eo imasoko koa va izany, Izaho Ilay Tompo Tsitoha ? Hitondra ny oloko hiverina indray Aho, mba honina sambatra any Jerosalema (any am-piangonana). Dia ho oloko izy ary Izaho kosa ho Andriamaniny izay sady marina no mahitsy » (Zak. 8:6,8). Noho izany dia ambaran'Andriamanitra hoe mahereza ka mazotoa miasa mandra-pahatongan'ny fiangonako ho feno sy ho tanteraka. « Noho izany dia aza matahotra ary aza kivy, fa aoka hatanjaka ny tananareo amin'ny fanorenana ny tempoly (ny fiangonana) ! » (Zak. 8:9-13). Toriteny fampaherezana tahaka izany no nanairana ny olona mba hiasa mafy sy hanangana ny tempoly tamin'ny andron'i Zakaria. Ary izany koa no teny fampaherezana izay hanaitra ny olona mba hanangana fiangonana any amin'ny misy azy avy amin'izao andro izao.

3.Asa fifidianana olona hiara-hiasa : Ao amin'ny bokin'i Zakaria 4:1-14, ireo hazo oliva anankiroa dia maneho ireo olom-boahosotra mpanompon'Andriamanitra izay ampiasain'ny Tompo mba hitehirizana ny fiangonana ho velona sy ho feno ny Fanahy Masina amin'ny fotoana rehetra. Ireo olom-boahosotra ireo dia feno ny Fanahy Masina sy mifandray amin'ny Fanahy Masina mandrakariva. Isaky ny tafahaona amin'izy ireo ianao, dia hiboiboika avy any aminy ny diloilo hitahiana anao. Mila mpanompon'Andriamanitra marobe tahaka izany ny fiangonana. Hagay sy Zakaria dia lehilahy anankiroa niaraka niasa. Ny asa ataon'ny mpanompon'Andriandriamanitra anankiray dia tsy maintsy ampiarahina amin'ny asa ataon'ny mpanompon'Andriamanitra anankiray hafa, mba hisian'ny fifandanjana. Ny hazo oliva voalohany dia mampijononoka diloilo avy eo an-daniny, ary ilay hazo oliva faharoa kosa mampijononoka diloilo avy etsy an-kilany. Ny olona anankiray mitory kokoa ny momba ny fahasoavana, ary ny olona anankiray kosa ny momba ny fahamarinana. Rehefa asaina miara-miasa ireo olona roa ireo dia miseho ny voninahitr'Andriamanitra, izay hita tao amin'i Kristy, ary mirehitra tsara ny fanaovan-jiron'ny fiangonana ( Jaona 1:14). Rehefa afaka miara-miasa tahaka izany ny rahalahy anankiroa amin'ny fananganana ny fiangonana, (lehilahy anankiroa samy feno ny Fanahy Masina, tsy mifaninana na mifampialona, tsy mitady tombontsoa na fanambonian-tena, ary tsy maniry afa-tsy zavatra tokana dia ny hirehetan'ny fanaovan-jiro), dia fiangonana izay tsy ho resin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita na oviana na oviana no ho tafatsangana.