WFTW Body: 

1. Tahaka ny nitiavan'Andriamanitra an'i Jesosy no itiavan'Andriamanitra anao

"Hianao … efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy" ( Jaona 17:23). Izany no fahamarinana miezinezina indrindra hitako tao amin'ny Baiboly. Nanova tanteraka ilay toetrako be fanahiana sy mora reratsaina taloha izany ka nahatonga ahy ho mpino feno fahatokiana an'Andriamanitra sy manana ny fifalian'ny Tompo mandrakariva. Marobe ny andinin-tSoratra Masina ao amin'ny Baiboly no milaza amintsika fa tia antsika Andriamanitra, kanefa ity anankiray ity ihany no maneho amintsika ny tena halehiben'izany fitiavana izany. TAHAKA NY NITIAVANY AN'I JESOSY. Ary satria tsy misy fizahan-tavan'olona ao amin'ny Raintsika izay any an-danitra, amin'ny fomba itiavany ny Zanany rehetra, dia azo antoka fa hataony amintsika koa ny zavatra rehetra nataony tamin'ny Zanany Lahimatoa, dia i Jesosy. Hanampy antsika tahaka ny nanampiany an'i Jesosy Izy. Hikarakara tsara antsika tahaka ny nikarakarany an'i Jesosy Izy. Hisahirana amin'ny fandaminana ny antsipirian'ny fiainantsika tahaka ny nisahiranany tamin'ny fandaminana ny fiainan'i Jesosy Izy. Tsy misy na inona na inona mihatra amintsika ka hoe tsy nampoizin'Andriamanitra. Efa manana hevitra hiheverany izay zavatra rehetra mety hitranga Izy. Noho izany dia tsy tokony ho be fanahiana intsony isika. Nisy tanjona manokana sady efa voafaritra tsara nanirahan'Andriamanitra antsika ho ety an-tany tahaka ny nanirahany an'i Jesosy. Ireo voalaza rehetra ireo dia ho tanteraka aminao koa, fa tsy maintsy mino aloha ianao. Tsy misy na inona na inona azo atao ho an'ny olona izay tsy mino ny Tenin'Andriamanitra.

2. Ankasitrahan'Andriamanitra ny olona tso-po

" Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika " (1 Jaona 1:7). Voalohany indrindra ny dikan'ny hoe mandeha eo amin'ny mazava dia hoe tsy manafina na inona na inona amin'Andriamanitra. Holazaintsika Azy avokoa ny zavatra rehetra, tsy asiana diso mihitsy. Izaho dia resy lahatra fa ny dingana voalohany hanatonana an'Andriamanitra dia ny fahatsoram-po. Halan'Andriamanitra ny olona tsy mitsotra ny marina. Notoherin'i Jesosy matetika kokoa ireo mpihatsaravelatsihy mihoatra noho ny olona hafa rehetra. Tsy ny ho masina na ny ho tonga lafatra no takian'Andriamanitra amintsika voalohany indrindra fa ny ho tso-po. Izany no fiandohan'ny tena fahamasinana. Ary avy eo amin'izany loharano izany no ikorianan'ny zavatra hafa rehetra. Ary raha misy zavatra mora atao dia ny miteny ny marina. Noho izany, mandehana haingana miaiky ny helokao any amin'Andriamanitra. Ny eritreritra vetaveta dia aza lazaina amin'ny anarana "tsy mahamenatra". Aza miteny hoe "mba mankafy ny hatsaran-tarehin'ny voarin'Andriamanitra fotsiny aho" nefa tena fijangajangana amin'ny masonao mihitsy no ataonao. Aza antsoina hoe "fahasosorana rariny" ny "fahatezerana". Tsy haharesy ny ota mihitsy ianao raha tsy mitsotra ny marina. Aza mba antsoina hoe "fahadisoana kely" mihitsy ny "fahotana", satria ny ràn'i Jesosy dia afaka manadio anao amin'ny fahotanao rehetra, fa tsy afaka hanadio anao amin'ny fahadisoana kely !! Tsy manadio olona tsy tso-po Izy. Tsy misy fanantenana afa-tsy ho an'ny olona tso-po. " Izay manafina ny fahotany tsy hambinina" (Oha. 28:13). Nahoana moa Jesosy no niteny hoe misy fanantenana kokoa ny hidiran'ny vehivavy janga sy ny jiolahy any amin'ny fanjakan'ny lanitra noho ny hidiran'ny mpitondra fivavahana any (Matio 21:31). Ny antony dia tsy miseho ho masina ny vehivavy janga sy ny jiolahy. Marobe ny tanora no mandà tsy hiditra am-piangonana satria ny mpiangona dia miseho ho olona efa tsy manana olana intsony. Ary noho izany dia mieritreritra ireo tanora hoe, "Ireo vondron'olona masina ireo dia tsy hahatakatra velively ny olana mianjady amintsika!!". Raha mpiangona tahaka izany isika dia tsy manahaka an'i Kristy, Izay misintona ny mpanota hanatona Azy.

3. Ankasitrahan'Andriamanitra ny mpanome amin'ny fifaliana

"Ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra" ( 2 Kor. 9:7). Izany no antony nanomezan'Andriamanitra antsika olombelona fahalalahana feno, na mialoha ny fiovam-pontsika izany na aorian'ny fiovam-po na koa aorian'ny famenoan'ny Fanahy Masina. Raha manahaka an'Andriamanitra isika dia tsy hanao izay hifehezana ny hafa na hanao izay haneriterena azy ireo. Homentsika fahalalahana ny olona mba ho samy hafa amintsika, mba hanana fomba fijery samy hafa amin'ny fijerintsika ary mba hitombo ara-panahy miandalana araka izay dingana tratrany. Ny karazana faneriterena rehetra dia avy amin'ny devoly avokoa. Ny Fanahy Masina dia mameno ny olona, fa ny devoly kosa dia misambotra ny olona. Izao ny maha-samy hafa azy : rehefa mameno olona anankiray ny Fanahy Masina, dia mbola omen'ny Fanahy Masina fahafahana ihany izany olona izany hanao izay tiany atao. Fa rehefa azon'ny demonia kosa ny olona anankiray dia esorin'ny demonia aminy ny fahafahany ka izy no lasa manapaka ilay olona. Ny vokatry ny famenoan'ny Fanahy Masina dia fahononam-po (Gal. 5:22,23). Ny olona azon'ny demonia kosa dia very ny fahononam-pony. Aoka ho tadidiantsika foana fa ny asa rehetra izay TSY ataontsika amin'ny fahamiramiranana, sy amin'ny fifaliana, sy an-kalalahana ary an-tsitrapo tanteraka dia asa maty avokoa. Ny asa rehetra atao ho an'Andriamanitra amin'ny fanantenana valisoa na karama dia asa maty koa. Ny vola rehetra nomena an'Andriamanitra noho ny faneriteren'ny olona dia tsy misy lanjany akory raha ny momba an'Andriamanitra no heverina !! Misy lanjany betsaka lavitra kokoa amin'Andriamanitra ny asa kely natao tamin'ny fifaliana noho ny asa lehibe natao noho ny faneriterena, na natao fotsiny mba hampangina ny feon'ny fieritreretana.