WFTW Body: 

Ny dikan'ny hoe Deoteronomia dia 'lalàna iray faharoa'. Ny anton'izany dia satria averina ao ireo lafin-javatra lehibe maro mikasika ny lalàna. Misy fomba roa azontsika hizarana io boky io. Voalohany indrindra dia azontsika zaraina ho lahateny anankitelo nomen'i Mosesy. 1. Lahateny voalohany (Toko 1 hatramin'ny 4). 2. Lahateny faharoa (Toko 5 hatramin'ny 26). 3. Lahateny fahatelo ( Toko 27 hatramin'ny 30). Ary ireo rehetra ireo dia lahateny nataon'ilay lehilahy izay nilaza tamin'ny Tompo teo amin'ny roimemy nirehitra afo hoe 'tsy mahay mandaha-teny aho' ! Ny boky dia mifarana amin'ny fihiran'i Mosesy (Toko 32), ny tsodranon'i Mosesy ( Toko 33) ary ny fahafatesan'i Mosesy (Toko 34). Ny fomba faharoa azo izarana ny boky dia ny fijery voalaza ao izay manaraka zotra anankitelo. 1. Mitodika ny lasa. Hafatra anankiroa izay mijery ny tsi-fiovan'Andriamanitra nandritra ireo 40 taona lasa tao an'efitra ( Toko 1 hatramin'ny 11). 2. Mijery any ambony. Hafatra anankiroa izay mijery an'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny lalàny. Avy amin'ny lalàn'Andriamanitra no ahitan'ny olona ny fahantrany ( 12 hatramin'ny 31). 3. Mibanjina ny ho avy. Hafatra anankiroa izay mijery ireo zava-mahagaga izay hataon'Andriamanitra amin'ny ho avy ( Toko 32 sy 33). Ilaintsika rehetra eo amin'ny fiainantsika ireo fijery anankitelo ireo. Tsy tokony hesorintsika eo anoloan'ny masontsika mihitsy ireo na rahatrizay antitra aza isika.

1. Mitodika ny lasa (Deoteronomia 1-11)

Mila mijery ny tany aoriana isika. Imbetsaka aho teo amin'ny fiainako no nanao jery todika ny fomba nitarihan'ny Tompo ahy, ary tamin'izany no nanavaozako ny finoako. Rehefa mandalo zava-tsarotra aho ary tsy hitako izay lalana izorana, dia averiko ao an-tsaina indray ireo teny fikasana maro ao amin'ny Baiboly ary henoiko ny fampaherezana omen'ny mpino ahy. Fa ny zavatra tena mampahery ny finoako indrindra dia rehefa itodihako ny lasa. Manontany ahy ny Tompo « Efa nandao anao Aho ve na dia indray mandeha aza hatramin'izao ? ». Voatery aho mamaly hoe « Tsia, Tompo, tsy nisy izany na dia indray mandeha aza ». Dia izao amin'izay no lazainy « Tsy hamela anao koa aho amin'ity indray mandeha izy ». Ny fijerentsika ny lasa dia mampahery antsika mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra.

Mbola lavo indray ve ianao ? Itodiho ny lasa dia jereo ny fomba namelan'ny Tompo anao tany aloha. Tamin'ny namelany ny fahotanao, moa tsy efa fantany ve fa mbola ho lavo indray ianao ? Dia zavatra tsy nampoiziny ve izao fahalavoanao indray izao ? Tsia. Noho izany dia mbola hamela ny helokao indray Izy. Aoka ho feno fankasitrahana ianao rehefa mijery ny lasa. Hampahery ny finoanao izany. Mahaiza mankasitraka ny famindrampon'ny Tompo. Rehefa mijery ny tsi-fahombiazanao taloha ianao dia hianatra hamindra fo amin'ireo mpino lavo manodidina anao. Kanefa misy fomba fitodihana ny lasa anankiray izay tsy tokony atao. Izao no nolazain'i Paoly « manadino izay zavatra ao aoriana » (Fil. 3:13). Raha tsy mety ny fomba fijerintsika ny lasa dia hiteraka hakiviana izany ary hihevitra isika fa olona tsy misy ilàna azy sady resin'ny fiainana, olona efa nandanilany foana ireo taona maro teo amin'ny fiainany.

Mamelà ahy hanome teny fampaherezana ho an'ireo olona izay mahatsapa fa efa nandanilany foana ny fiainany. Jesosy dia nilaza fanoharana anankiray ny amin'ny mpiasa sasany izay tsy niasa nandritra ny ora 11 tamin'ireo ora 12 fiasana. Tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo dia nisy niantso izy ireo hiasa any amin'ny tanimboaloboka. Dia nandeha izy ireo ary niasa ora iray monja. Kanefa nolazain'i Jesosy fa ireo no nahazo karama voalohany ! Ireo niasa nandritra ny adiny 12 no olona farany amin'ireo mandray ny valisoa ! Manantena aho fa hampahery anao izany. Tsy tokony hijery ny lasa amin'ny fahakiviana isika. Ary tsy mahazo mijery ny lasa amin'ny fireharehana koa. « Manadino izay zavatra ao aoriana », izany hoe manadino ireo zavatra mampiraviravy tanana antsika sy manadino ireo zavatra mampieboebo antsika. Izaho dia miangavy anao hanadino an'ireny haingana araka izay azo atao. Isika kosa anefa dia mila mijery ny lasa ary mankasitraka an'Andriamanitra mandrakariva, noho izay nataony tamintsika. Io fomba fijery mahay mankasitraka io no resahiko eto. Petera dia niteny fa raha tsy manana fomba fijery ny lasa toy izany ny olona, fa manadino ny nanadiovana azy tamin'ny fahotany dia ho lasa jamba sy tsy mahajery lavitra. (2 Pet. 1:9).

2- Mijery any ambony (Deoteronomia 12-31)

Mila miandrandra koa isika. Tsy maintsy mijery any ambony foana isika mba ahitantsika bebe kokoa ny voninahitry ny Tompo. Misy zavatra betsaka amin'ny voninahitr'i Jesosy no mbola tsy hitantsika. Tokony hangetaheta izany isika satria ny Fanahy Masina dia miezaka hanova antsika mba hananantsika izany endrika izany. Rehefa mijery mandrakariva ny voninahitry ny Tompo ny olona dia hahay hanetry tena izy satria ho hitany ny tena endriny marina. Izany no tsiambaratelo ho antsika izay te hanetry tena mandra-pahafatiny.

Mora foana ho an'ny olona voahosotr'Andriamanitra sy efa nanao asa mahery ny mirehareha. Efa nahita mpitory fivavahana marobe tahaka izany aho. Satria efa nampiasain'Andriamanitra izy ireo dia mirehareha tokoa sady mihatakataka amin'ny besinimaro. Fa inona ary no mitahiry antsika ao amin'ny fahatorotoroana sy ny fanetren-tena mandrapahatapitry ny androntsika ? Zavatra iray loha monja. Mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy. Rehefa mijery an'i Jesosy isika dia tsy hahay mirehareha. Ny olona dia tonga mpirehareha rehefa manomboka mijery ny hafa izy, ary mihevitra ny tenany fa tsara kokoa noho ireny, na nandray hosotra bebe kokoa noho ireny, na nampiasaina bebe kokoa noho ireny, sy ny sisa… Fa raha ohatra kosa, miandrandra any amin'i Jesosy ny mason'ny olona, dia ho lavo hiankohoka eo amin'ny vovoka amin'ny fibebahana izy, tahaka ny nataon'ny apostoly Jaona tao amin'ny nosy Patmosy. Ary raha mbola manohy mijery an'i Jesosy foana izy, dia hitohy hiankohoka eo amin'ny vovoka mandrakizay. Isika rehetra dia mila mianatra manohoka ny tavantsika eo amin'ny vovoka amin'ny fotoana rehetra. Eo no fiarovana mafy ho antsika. Noho izany, raha tianao ho faly aminao Andriamanitra amin'ny androm-piainanao rehetra, dia andrandrao foana ny masonao. Tsy azontsika atao ny mijery ny ao anatintsika aloha. Tsy maintsy any ambony aloha no jerentsika voalohany. Tsy maintsy mijery an'i Jesosy ary rehefa hitantsika ny voninahiny dia ho hitantsika ny fahotantsika. Izany no fomba tsara indrindra hahitantsika ny fahotantsika, fa raha tsy izany dia hiraviravy tanana isika.

3. Mibanjina ny ho avy (Deoteronomia 32-33)

Mila mijery ny eo aloha koa isika, mijery amin'ny finoana. Misy zavamahagaga marobe nomanin'Andriamanitra ho antsika. Misy asa mahafinaritra be nokasainy hampanaovina antsika. Tsy fantatsika ny fotoana izay tsy maintsy handaozantsika ity tany ity. Kanefa alohan'ny fihavian'ny Tompo dia miandrandrà hanao zavatra mahasoa ho an'ny Tompo ety an-tany. Ny ankamaroan'ny olona eto an-tany dia mijery ny ho avy amin'ny tahotra sy ny ahiahy. Fa isika kosa mijery ny ho avy am-pinoana. Ao amin'ny Deoteronomia dia nasain'Andriamanitra notenenin'i Mosesy ny Zanak'israely mba hibanjina ny ho avin'izy ireo rehefa hipetraka any amin'ny tany Kanana. Nanao faminaniana ny amin'izay ho avin'ny Zanak'israely any aloha lavitra any Mosesy ao amin'ny Deoteronomia.