Ao anatin'ny Baiboly dia soatoavina ny fankatoavana. Kanefa tsy misy hasina loatra ny fankatoavana ho an'ny olona ary tsy heveriny ho soatoavina akory aza amin'izao androntsika izao. Tsy handre mpitantana orinasa mihitsy ianao hilaza fa ny fanekena ho eo ambany fahefan'ny hafa no anisan'ny soatoavina ao amin'ny orinasany. Tsy hisy mihitsy izany. Matoa mampihomehy antsika izany dia satria tsy heverintsika ho zava-dehibe velively ny fankatoavana fahefana.
Kanefa na dia ao aza ny fandraisan'ny fiaraha-monina ny atao hoe fankatoavana dia anisan'ny soatoavina lehibe indrindra hitantsika ao amin'ny Soratra Masina izany. Na aiza na aiza misy firaisana tonga lafatra dia ahitana fankatoavana ao : ao an-tokantrano, ao am-piangonana, eny na dia ao amin'ny Trinite aza.
Andeha raisintsika ohatra ny firaisana tongalafatra misy eo amin'Andriamanitra telo izay iray, firaisana tongalafatra noho ny fankatoavana. Jesosy Kristy izay niaraka tamin'ny Ray hatrizay hatrizay ary niarabelona tamin'ny Ray sy ny Fanahy Masina hatramin'ny fahagola dia nankato an-tsitrapo nandritra ny 33 taona sy tapany. Tsy ny Rainy izay any an-danitra ihany no nankatoaviny (Jaona 5:19,30,6:38,8:28,14:31) fa nanaiky ny fitarihan'ny Fanahy Masina koa Izy (Matio 4:1, Lioka 4:1, Marka 1:12).
Efa hitanao ve ny hasarobidin'ny fankatoavana araka izay hita teo amin'ny fiainan'i Jesosy Kristy ? Heverintsika ve fa soatoavina mendrika hokatsahina izany ary miezaka ve isika hikolokolo ny fontsika ho mora mankato ?
Manahy aho fa amin'izao androntsika izao dia mahazo vahana loatra ny soatoavin'izao tontolo izao ka tsy fantatsika intsony na tsy dia raharahaintsika loatra ny tena fahambonian'io soatoavina sarobidy io.
Raha atahorantsika hoe mety hampihena ny fahafinaretana eo amin'ny fiainantsika ny fankatoavana dia mila mijery ny fiainan'i Jesosy Kristy fotsiny isika hahitana raha marina izany. Efa nisy fiainana sambatra kokoa noho ny an'i Jesosy ve teo amin'ny tantaran'izao tontolo izao ? Efa nisy fiainana ampoka kokoa ve ? Fiainana nahery vaika kokoa ? Fiainam-pifaliana kokoa ? Fiainana nahafapo kokoa ?
Tsy azoko eritreretina mihitsy hoe nisy fiainana feno firavoravoana kokoa noho ny an'i Jesosy teo amin'ny tantaran'izao tontolo izao. Tsy misy zavatra mampientan-kafaliana tahaka izany hoe manantena fa ny Raintsika izay any an-danitra dia hanome antsika fiainana sy fitsaharana sy fifaliana sy fiadanana sy fahatanjahana ary izay rehetra ilaintsika eo amin'ny fiainana. Ho hitantsika fa ny làlan'ny fankatoavana no làlan'ny fitahiana ary ny fankatoavana no fanalahidy handraisantsika izay rehetra tadiavintsika sy tena ilaintsika.
Mety hisy hevitra mamitaka mitsiry rehefa mahita ny havesa-danjan'ny fankatoavana isika dia ny fiheverana hoe "Andriamanitra irery ihany no tokony toaviko". Na dia inoako aza fa "mpisorona avokoa ny mpino rehetra" ary tsy mila mpanelanelana afa-tsy Jesosy Kristy aho (Hebreo 7:25) dia zava-dehibe ihany ny manamarika fa na dia ao ambany Fanekena vaovao aza dia didiana isika hiambina ny fontsika tsy ho azon'ny "fiodinan'i Kora" (Joda 1:11).
Ny fiodinan'i Kora dia tsi-fankatoavana ny fahefana napetrak'Andriamanitra teo amboniny. Fa izaho angaha hoy izy (araka ny lôjikany) tsy Levita ary tsy anisan'ny olona notendren'Andriamanitra manokana. Nihevitra izy fa tsy voatery hankato olona hafa. Ary mety hisy fisainana tahaka izany koa mitsiry ao am-pontsika : izaho manana an'i Jesosy Kristy ary tsy voatery na tsy azo didiana hanaiky ny mpitarika ao am-piangonako aho na any an-toeran-kafa. Kanefa natelina velona tany amin'ny helo i Kora noho ny toe-tsaina nananany ary izany no ananaran'i Joda antsika mba tsy ho ratsy fiafara. Nasian'Andriamanitra mpitarika ao am-piangonana mba ho fiarovana ny ondry ary ny fandavantsika hankato olon-kafa ankoatra an'i Jesosy Kristy dia fandavana ny lamina napetrak'Andriamanitra ho an'ny Tenan'i Kristy.
Nampitandreman'i Petera isika ao amin'ny 2Petera 2:9,10 fa "Fantatry ny Tompo izay hitehirizany ny olona mandeha araka ny fitarihan'ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahalehibeazana". Jereo fa nataony mitovy lanja eto ny hoe "manamavo ny manana fahalehibiazana" sy ny hoe "manarampo amin'ny filàna maloto". Hitantsika ve fa ny tsi-fanekena ho eo ambany fahefana dia manimba ny fanahintsika tahaka ny "fanaranam-po amin'ny filàna maloto" ?
Lazain'ny Baiboly fa ny andro farany dia ho fantatra amin'ny famitahana na dia ao anatin'ny fiangonana aza (Matio 24:24, Lioka 21:7-9) ary ny fiheverana hoe "tsy voatery ho eo ambany fahefana aho" dia fitaka mampidi-doza izay tsy maintsy tandremantsika manokana mihitsy. Tsy maintsy miady mafy isika mba ho tonga soatoavina tsy mitsaha-mitombo ao amin'ny saintsika sy ny fiainantsika ny fankatoavana.
Noho izany, rehefa misy lohahevitra momba ny fankatoavana dia aoka isika tsy hitroatra avy hatrany na hitsangam-bolo ho sosotra raha vao mandre io teny io. Rehefa resahina ny andininy ao amin'ny Soratra Masina izay midera ny hasarobidin'ny fankatoavana (na mandidy antsika hankato), dia jereo koa ny fampanantenana miaraka aminy : ny lakilen'ny fiainana feno fitahiana sy fifaliana ary fitsaharana. Aza lavina ny didy fa aoka isika hihevitra ny tenantsika ho sambatra satria afaka mandray ny zavatra rehetra azon'ny toe-tsaina feno fankatoavana atolotra antsika.